Mishkan Méïr משכן מאיר

Mishkan Méïr משכן מאיר Mishkan méïr, la maison de la communauté juive sefarade de Madagascar

Raha MAMAKY ny BAIBOLY amin’ny BOKY ny Kristianina/Notsrim, ny Jiosy kosa dia namaky azy io (farafaharatsiny amin’ny fom...
14/12/2024

Raha MAMAKY ny BAIBOLY amin’ny BOKY ny Kristianina/Notsrim, ny Jiosy kosa dia namaky azy io (farafaharatsiny amin’ny fombam- bavaka) amin’ny HORONAM-BOKY.

Ny fizarana ho toko sy andininy noho izany dia tsy misy dikany eo amin'ny fomban-drazana jiosy, fa mizara ny Torah ho parachot (perikopa, fizarana), izy io dia mizara ho fizarana lohahevitra fito, ary ny Boky hafa araka ny fitantarana.

Na izany aza dia nampidirina tao amin'ny ankamaroan'ny fanontana maoderina ny TANAKH ihany izy io, mba hahamora hita ny toerana misy azy sy mba hanononana azy. Aseho ao amin’ny pejy tsirairay amin’ireo boky ireo koa ny fizarana ny Samoela sy ny Mpanjaka ary ny Tantara ho I sy II, mba tsy hisian’ny fifanjevoana eo amin’ny lohatenin’ireo Boky ireo, izay no manaraka ny fomban- dahatsoratra kristiana.

loharano: wikipédia
sary fanehoana
abonnez-vous 👍

⁉️Tokony hanao Havdalah ve ny MÉ'HALEL CHABBATH .Fanontaniana avy amin'i Albert B. Salama Rav, Ny olona iray “tsy Chomér...
14/12/2024

⁉️Tokony hanao Havdalah ve ny MÉ'HALEL CHABBATH .

Fanontaniana avy amin'i Albert B.

Salama Rav,

Ny olona iray “tsy Chomérèt Chabbath" ve na dia izany aza dia hanao Havdala Motsaé Chabbath ?

Misaotra.

Valin-dRav Gabriel DAYAN.

Salama,

Eny fa na ny olona iray tsy mendrika ny hahafantatra ny maha zava-dehibe ny Sabata aza dia tsy maintsy mitanisa ny Havdala. Izany no hevitry ny ankamaroan'ny mpanapa-kevitra rehetra.

Voir Tsits Eliezer, volume 12, réponse 38, Techouvot Véhanhagot, volume 2, réponse 161, volume 3, réponse 91, Béèr Moché, volume 8, réponse 88, Ma'yan Omer, volume 2, chapitre 242-300, réponse 76, Yalkout Yossef - Chabbath, volume 4, édition 5773, page 897.

N.B.

Ao amin'ny asa-soratra sasany dia afaka mahita hevitra iray izay tsy tokony hanonona ny Brakha amin'ny Béssamim ary araka ny hafa, dia tsy adidy mihitsy aza ny mitanisa ny Havdala manontolo.

Voir 'Hachouké 'Hémed sur Talmud Békhorot [36b], pages 389-390, Techouvot Rabbi Avigdor Halévi, Ora'h Haïm, page 283, réponse 89.

Eo ihany izahay, Bé’ézrat Hachem, ho an’ny fanontaniana fanampiny. Hachem anie hiaro sy hitahy anao.

loharano: torah-box
sary fanehoana
abonnez-vous 👍

⁉️Ny fiheveran’ny judaïsme an’i JESOSY dia mifototra amin’ny fandavana an’i Jesoa ho Zanak’ A/tra na ny Mesia. Fa satria...
13/12/2024

⁉️Ny fiheveran’ny judaïsme an’i JESOSY dia mifototra amin’ny fandavana an’i Jesoa ho Zanak’ A/tra na ny Mesia. Fa satria:

lray amin'ireo foto-kevitry ny finoana ao amin'ny judaïsme ny fanamafisana an' Elokim Iray, tsy misy mpanelanelana na mpiara-miasa Aminy.
[...Fa tsy misy hafa: tsy misy Elokim afa-tsy Izaho...](isa45:5,6-18)

Nesorin’ny olon-kendry tsy ho amin’ny judaïsme niaraka ny Minéens [Minim] ny Jiosy izay niditra tamin’ny finoan’ny mpianatr’i Yeshou, toy ny judéo-chrétiens an'ny Église voalohany : [Notsrim]. Noho izany antony izany, dia heverina ho tsy zava-dehibe tamin’ny judaïsme ny olana toy ny fisian’i Yesoa [na tsy fisiany] ara-tantara sy ny raharaha hafa momba ny fiainany...

Toy izany koa, ny hevitra momba ny Mesia jiosy dia tsy mifanaraka amin'i Yesoa ra ny faminanian'i Tanakh izay mametraka ny fepetra momba ny fiavian'ny Messie no jerena[2]...

Ny mihevitra an' i Elokim ho Dualité na Trinité dia hérétique ao amin'ny judaïsme, izany hoe mifanohitra mivantana amin'ny monothéisme henjana, noho izany no hitambaran'ny [Kristiana/Notsrim] amin'ny polythéisme [4].

Araka ny finoana judaïsme, ny Torah dia [tena] manilika ny ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY (Deutéronome 6:4: “Mihainoa, ry Isiraely ô: Hachem Elokenou no Hachem Iray.”
שְׁמַע, יִשְׂרָאֵל: יְה אֱלֹקינוּ, יְה אֶחָד

Ny judaïsme dia mino fa Elokim, amin'ny maha- mpamorona ny fotoana sy ny habaka ary ny zavatra Azy, dia tsy manam-potoana, ary tsy mety ho teraka na ho faty, na hanan-janakalahy.

Mampianatra ny judaïsme fa hevi-diso
[hérétique] ho an'ny olona ny manambara ny tenany ho Elokim, na ampahany amin' Elokim, na tena zanak' Elokim [tokoa]. Izao no ambaran ’ny Talmud de Jérusalem (Taanit 2:1):

“Raha misy manao aminareo hoe: ‘Izaho no Elokim’, dia mandainga izy.”[6].

Tamin’ny taonjato faha-12, i Moïse Maïmonide no namaritra ny foto-pitsipika ivon’ny judaïsme tamin’ny fanoratana hoe:

“IRAY ELOKIM - tsy roa no tsy mihoatra ny roa Izy, fa Iray ihany, izay miavaka ny maha-Iray azy raha [oharina ny amin’ny] [zavatra hafa] misy eto amin'izao tontolo izao: [Iray aman-tany] tsy tahaka ny an'ny karazana iray misy fifangaroana singa [Iray] maromaro, ary tsy Iray toy ny vatana izay mizara ho rantsana sy fara- rantsana; fa ny maha-Iray Azy dia tsy misy ny maha-Iray azo ampitahaina Aminy eo amin’izao tontolo izao”[7].

וְיָדַעְתָּ הַיּוֹם, וַהֲשֵׁבֹתָ אֶל-לְבָבֶךָ, כִּי יְה הוּא הָאֱלֹקים, בַּשָּׁמַיִם מִמַּעַל וְעַל-הָאָרֶץ מִתָּחַת: אֵין, עוֹד.

Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am- ponao, fa Hachem no Elokim any amin'ny lanitra ambony sy etÿ amin'ny tany ambany : ka tsy misy afa-tsy Izy (déo 4:39)

loharano : Wikipédia
dikateny : mishkan méïr
naoty[...]
sary fanehoana
abonnez-vous 👍

Nanoratra ny Choul'han ‘Aroukh[fa]: “Ny 25 KISLEV no manomboka ny valo andro ny ‘Hanouka. Voarara ny manao lahateny mpan...
13/12/2024

Nanoratra ny Choul'han ‘Aroukh[fa]: “Ny 25 KISLEV no manomboka ny valo andro ny ‘Hanouka.

Voarara ny manao lahateny mpandevenana sy ny mifady hanina, fa avela miasa kosa. Efa zatra tsy miasa anefa ny vehivavy raha mbola mirehitra ny jiron ’ [’Hanouka]. Ary ny sasany milaza fa tsy tokony hanao tsirambina ny amin’izany isika. ”Choul’han ’Aroukh, chapitre 670, Halakha 1, première partie

Ny Michna Beroura dia mitatitra ny teny fampidirana lava nomen'ny Rambam, izay mampiseho fa rehefa nifehy ny tanin' Isiraely ny Grika, dia tsy ny Sabbat sy Roch ‘Hodech ary ny Brit-Milà ihany no notoheriny, fa ny Torah manontolo. Ambonin'izany, ao amin'ny lahatsoratry ny 'Al Hanissim izay lazaintsika ny ‘Hanouka, dia voalaza fa ny Grika dia nanao izay hanadinoan’ny Jiosy ny Torah ,sy hanao izay handikan’izy ireo ny lalàn'i Hachem.

Nanohy ny teniny Rambam fa ny Grika ratsy fanahy dia naka ny volan’ny Jiosy, sy ny tovovavy jiosy. Niditra tao amin’ny Beth- Hamikdach izy ireo, dia nanatriatra [vaky] azy io ary nandoto izay madio. Ny fahavakisana resahiny eto dia resahana ao amin’ny Michna traité Middot, izay manazava fa tao anatin’ny rindrin’ny Tendrombohitry misy ny Tempoly, dia nisy sakana iray totohondry folo ny ha’avony (tokony ho iray metatra) no nahorina, mba hilazana amin’ny tsi-Jiosy fa tsy tokony hihoatra an’io fetra io izy ireo. Nahatezitra mafy ny Grika anefa izany, ka nanao vaky [triatra] telo ambin’ny folo tao amin’io sakana io izy, ka na ny tsi-Jiosy aza nanjary afaka niditra tao amin'ny Beth-Hamikdach.

Rehefa nahazo fandresena ny Jiosy, dia nofeheziny [namboariny] ireo banga ireo, ary nataony fa ny Jiosy rehetra izay mandalo ny iray amin'ireo banga ireo rehefa tonga ao amin’ny Beth-Hamikdach dia tokony hiankohoka sy hisaotra an'i Hachem noho ny nandravany ny fanjakana Grika, sy ny nanafoana ny didy ratsy rehetra ([nahatra]t) aminy.

AVOT OUBANIM Vayichla’h /torah-box
sary fanehoana.
abonnez-vous 👍

Manao ny BRAKHA rehefa mametaka Téfilines ho fanazaran-tena Fanontaniana avy amin'ny tsy fantatra. Salama, Mametaka Téfi...
13/12/2024

Manao ny BRAKHA rehefa mametaka Téfilines ho fanazaran-tena

Fanontaniana avy amin'ny tsy fantatra.

Salama,

Mametaka Téfilines ho fanazaran-tena aho, ary ny Bar Mitsva-ko dia afaka iray volana sy tapany. Tokony hanao ny Brakha ve aho? Misaotra anao indrindra.

Valin'i Rav Aharon SABBAH.

Salama,

Ny(mbola)tsy Bar-Mitsva izay efa ampy taona hianatra ny fomba fametaka Téfilines dia azo antoka fa afaka mitanisa ny tsodrano ho azy ireo rehefa mametaka ho fanazaran-tena, toy ny Mitsvot rehetra izay ataony ho fanazarana/ fiofanana ho an'ny tanora (Bar Mitsva - 13 taona).

Sources : Responsa Even Chtiya (chap. 14), Zéra' Emet (tome 3, chap. 5) et Rav Ovadia Yossef (Yé'havé Da'at tome 2, chap. 4).

Eo ihany izahay, Bé'ézrat Hachem, raha misy fanontaniana fanampiny.

Amin-kitsimpo

Loharano: torah-box
Sary fanehoana.
abonnez-vous 👍

⁉️Tena MITONDRA HASAMBARANA tokoa VE ny VOLA AZO (miditra) ny CHABBATH .Fanontanian'i Haya D.Salama, Voalaza hatrany fa ...
13/12/2024

⁉️Tena MITONDRA HASAMBARANA tokoa VE ny VOLA AZO (miditra) ny CHABBATH .

Fanontanian'i Haya D.

Salama, Voalaza hatrany fa ny VOLA AZO amin’ ny Shabbat dia tsy mitondra hasambarana fa mitondra olana fotsiny: aretina, loza na hafa.

Aiza no ahitantsika ny tena dikan'izany? Sa fomba fanao ihany?

Misaotra.

Valin-dRav Gabriel DAYAN

Salama, Ny fanajana ny Sabata dia iray amin'ireo mitsvot manan-danja indrindra ao amin'ny Torah.

Rabbénou Ya'acov, mpanoratra ny Tour, ary koa ny Beth Yossef sy ny Bayit ‘Hadach - Ora’h ‘Haïm, chapitre 242 - dia nanangona Midrachim maro momba ny famirapiratana sy ny VALISOA NATOKANA ho an'ireo IZAY MITANDRINA ny SABATA sy ny mahakasika ny maha-zava- dratsy ny fandikana io Mitsva lehibe io.

Hoy ny olon-kendry antsika: "Ny fanajana ny Shabbat no antoka tsara indrindra sy fomba tsara indrindra hahazoana tombony amin'ny fahatsaran'i Hachem - Ilay Mpahary."

Noho izany, mazava ho azy fa ny fandikana an'io Mitsva io dia mety hitarika - na ho ela na ho haingana - amin'ny voka-dratsy.

Miharihary koa fa tsy hitondra soa ny vola azo avy amin’ny fandikana ny lalàna an’io andro lehibe io. Sady tsy "fomba fanao" no tsy "fitenenana". Tena zava-misy izany.

Voaresaka mazava tsara izany ao amin’ny asa soratr’ireo mpivaofy teny ao amin’ny Choul'han ‘Aroukh - Ora’h ‘Haïm, chapitre 306, Halakha 5 et dans le Michna Broura, chapitre 306, passage 23.

Momba ny dikany lalindalina kokoa ny Sabata, vakio ireto manaraka ireto: Ao anatin’ny enina andro amin’ny herinandro ny olona dia miroboka amin’ny asany: manova ny manodidina azy izy, mampiasa ny vatana sy ny fanahy amin’ny fanatsarana ny fahasalamany ary tsy maintsy miasa “amin’ny hatsembohan ’ny handriny” koa izy mba hahazoana ny fivelomany ["miady ho amin'ny fisiana"].

Ireny/asany ireny matetika no mahatonga ny fampijaliana, ny fanahiana, ary ny tebiteby mihitsy aza. Mihoatra lavitra noho izany, izy ireo, amin’ny toe-javatra maro, no niandohan’ny elanelana nanasaraka ny olona tamin’ny Mpamorona azy.

Rav Munk nanoratra hoe: “Ny fandrahonan'ny hanoanana, na tena izy na mody, dia mahatonga antsika hanadino ny fitsipika rehetra ary manimba ny fanoloran-tena tsara indrindra.

Raha mbola tsy afaka amin’ny fanahiana ateraky ny tebiteby ny fivelomana ny olombelona, dia tsy misy toerana ho an’ny fanatanterahana feno ny lalàn’ny Lanitra.

Na izany aza, ny fanafahana amin'io fikorontanana io dia tsy azo atao afa-tsy noho ny fahatsiarovan-tena fa ny fiahiana ny fivelomana, voalohany indrindra ny ahiahintsika, dia tsy mijanona irery, ary tsy eo amin'ny toerana voalohany, eo an-tsorontsika.

Anjaran’ny olombelona, eo amin’io sehatra io, toy ny amin’ny maro hafa, ny manao ny adidiny,
sady manankina ny fahombiazana amin’ny fitalahoana lalandava ny Mpamorona.

Raha tsy misy izany fahatsiarovan-tena izany, ny olona mivily amin'ny fikatsahana harena ara-nofo dia tsy halala fetra amin'ny tolona ho an’ny fisiany. Hanosika azy foana izany ho amin’ny fitadiavana tombony vaovao, tsy miraharaha ny hafa, ary tsy handefitra amin’ izay zava-kendrena hafa na amin’ny zava- kendren’ny hafa eo akaikiny. ” (Fanehoan- kevitra momba ny Chémot 16/2) Afaka niteny anakampo mihitsy aza ny olona hoe: “ Ny tanjako sy ny herin’ny tanako no nahavoriako izao harena izao” (Dévarim 8/17).

Manazava ihany koa i Rav Munk: “Mandritra ny Sabata, ny Torah dia mitaky ny hanilihana ny olona ary hampitsahatra ny fitsabahany amin 'ireo manodidina azy. Izay hantsoiny hoe miala amin’ny raharaha ara-materialy

Ny hetsika rehetra izay anehoany ny fahaizany dia voarara.Tsy voatery hanao zavatra eo amin’izao tontolo izao intsony izy mba tsy hanehoany ny fahefany sy ny heriny. Araka izany, dia hampiharihary ny halehiben’ny Mpamorona amin’ny famirapiratany rehetra izy.

Hazavain’ny mpampianatra antsika fa tsy maintsy mamela ny zavaboary ny olombelona ka tsy manova izany na amin’inona na amin’ inona, raha tsy izany dia heverina ho manitsakitsaka ny fanjakan’ny Mpamorona izy.

Mandritra ny Sabata, mihavana amin’izao tontolo izao ny olona, tsy mampiasa ny heriny hanovana izany intsony izy.

Ny fialana amin’ny raharahany, ny asa-tena, ny asa-fanaony no fanamasinana ny anaran’ny
Mpahary; izany dia vavolombelona fa Izy no namorona izao tontolo izao tao anatin’ny enina andro ary Izy no mitondra azy. Izany koa ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia ny manambara fa mankato Azy sy manaiky ny sitrapony ny olombelona rehetra.

Mandritra ny Sabata, ireo finoana ireo dia ovaina ho zava-misy mazava kokoa sy azo tsapain-tanana ary ahita ny tenantsika ao anatin'ny fahadiovana tanteraka miaraka amin'ny Mpahary isika, mandray soa avy amin 'ny fomba fiasa "marina" sy "mangarahara".

"Ny fampitsaharana ny asa mandritra ny Sabata dia mahatonga ny olona hahatsapa fa, raha malalaka izy mandritra ny herinandro hitrandraka ny harena voajanahary ho tombontsoany manokana, amin'ny fikarakarana ny fitaovana famokarana araka izay tiany, dia tsy izy no manjakazaka na ny tena tompony, rehefa tonga ny Chabbath, dia misaraka amin’ny heriny rehetra izy ary mametraka izany amim-panetren-tena eo an-tongotry ny Mpamorona. (Rav Munk sur Chémot 20/10). Miaraka amin'io andalana io ihany, Rav R. Eisenberg dia nanoratra hoe:

Ny fialana amin'ny asa famoronana rehetra, indrindra eo amin'ny tontolo maoderina izay manjaka ny tsy fandriam-pahalemana, dia mampiseho ny fahatokisana an'i Hachem sy ny fanekena Azy izayiankinan'ny fahombiazana ara-nofo. Ny hany fomba ahafantarana mazava tsara ny fahamboniana tsy lavina ny Mandrakizay noho ny zavaboary rehetra dia ny fampitsaharana ny asantsika andavanandro, ny fihemorana ary ny fahitana ny tanan’i Hashem miafina ao ambadiky ny rafitr’ity Famoronana ity (Survivre, pp. 134-135)

Chabbath hita amin'ny lafiny hafa

Nandritra ny herinandro, ny olona dia tsy manana fizakan-tena sasany, miraikitra amin'ny tontolo ara-materialy ary miankina tanteraka amin'ny manodidina azy, amin'ny fomba iray dia andevon'ny tontolo iainana misy azy izy.

Eny tokoa, ny filana “hanjaka” eo amin’izao tontolo izao tokoa no mahatonga azy io mba hahazoana ny mofony. Amin'ny Sabata, afaka amin'io fanandevozana io izy, afaka miaina mifanaraka amin'ny zavatra rehetra manodidina azy.

Mandritra io andro io dia ilaina ny tsy mihetsika sy miala sasatra. Raha mbola tsy manao ny asa voarara ny olona iray, dia azo antoka fa hanatanteraka ny Mitsva du Chabbath. Mpanjaka ilay olona. Ny Sabata no mpanjakavavy.

Ny fanamasinana ny Sabata noho izany dia ny fanasongadinana an’io lafin’ny maha-izy azy io, izay mampisaraka ny tenany amin’ny tontolo hafa rehetra ary mitodika mankany amin’ilay Mpahary izay manome antoka azy ireo ny fitahiana rehetra.

Eo ihany aho, Bé'ézrat Hachem, raha misy fanontaniana fanampiny. Hachem anie hiaro sy hitahy anao.

loharano: torah-box
sary fanehoana
abonnez-vous 👍

Halakha isan'andro: Lalàna mifandraika amin'ny Tsniout - ny SARON-DOHA 1- Araka ny voalazan'ny Torah dia tsy maintsy mis...
13/12/2024

Halakha isan'andro: Lalàna mifandraika amin'ny Tsniout - ny SARON-DOHA

1- Araka ny voalazan'ny Torah dia tsy maintsy misaron-doha ny vehivavy manambady ary tsy manan-joa hivoaka eny an-kalamanjana izy ka tsy misaron-doha.

Ity Halakha ity dia nalaina avy amin’ny andininy ao amin’ny Torah voasoratra momba ny lohahevitra Sotah, ilay vehivavy voarohirohy ho nijangajanga izay hitan’ny mpisoronabe tao amin'ny Beth- Hamikdach ny lohany. Andraikitry ny vehivavy jiosy tsirairay ny manaja io lalàna tsy azo ovaina io sy miantoka fa voasarona tsara ny volony.

Na dia tsy misaron-doha aza ny namany na ny reniny, dia tsy tokony hamela ny tenany ho voataonany izy ireo.

2- Ny vehivavy manambady dia tsy maintsy misaron-doha ety ivelany mba hampiavaka azy amin’ny tovovavy (tsy manam-bady). Izany dia hanakana koa ny lehilahy hafa tsy hijery azy afa-tsy ny vadiny ihany.

Noho ny fahamendrehan’ny fisaronan-doha, ny vehivavy dia hahazo fitahiana mikoriana ho an’ny tenany sy ny vadiny, eo amin’ny lafiny ara- panahy sy ara-materialy, ho an’ny zanany sy ny zafiny koa izy.

Loharano :Vaychla’h/torah-box
Sary fanehoana
abonnez-vous 👍

⁉️ESAÜ na EDOMA - Fintina ny Paracha ny Vayichla’h  Ya’akov teny an-dalana ho any Kena’an dia nandefa iraka mba hahita f...
13/12/2024

⁉️ESAÜ na EDOMA - Fintina ny Paracha ny Vayichla’h

Ya’akov teny an-dalana ho any Kena’an dia nandefa iraka mba hahita fitia eo amin’i Essav rahalahiny. Niverina ireo iraka ireo ka nilaza taminy fa ratsy fanahy taminy i Essao.

Natahotra i Ya’akov ka nozarainy roa ny tobiny. Niangavy an'i Hachem izy mba hamonjy azy amin'ny tanan'ny rahalahiny. .......... Nandefa iraka indray i Ya’akov, ary tamin’ity indray mande ity dia nampiarahany biby hatolotra ho fanomezana ho an’i Essav mba hampitony azy, mialohan’ny fihaonan’izy ireo. Ny alin’iny, dia nampitain’ Ya’akov ny reniranon’i Yabok ny vady aman-janany mba hiarovan’ azy ireo amin’i Essav.

Tavela irery teo amoron-drano izy, dia nisy anjely niady tamin’i Ya’akov nandritra ny alina, nefa tsy nahavita nahafehy azy. Hitany fa tsy naharesy azy izy, ka nokasihin’ilay anjely ny andilany dia nandringa izy. Nohazonin'i Ya’akov ilay anjely naniry hande mandra-pitso-dranony azy. Nambaran’ilay anjely tamin’i Ya’akov fa manomboka izao dia Isiraely no anarany.

Ho fahatsiarovana ny fahagagana ny fandresen 'i Ya’akov an'ilay anjely, ny Bné Israel dia voarara tsy hihinana nerf sciatique taorian'ny fanomezana ny Torah.

Niankohoka impito i Ya’akov, rehefa nihaona tamin’i Essav ho mariky ny fanajany azy. Taorian’ny fisisihan’i Ya’akov, dia nanaiky ny fanomezany ihany i Essav ny farany.

Nanasa an’i Ya’akov hiaraka aminy i Essav, saingy tsy nety ity farany, satria tsy tiany ho voasariky ny fitaoman-dratsin’ ny Essav sy ny olony ny fianakaviany. Niala tamin’i Ya’akov i Essav ary niverina tany Seïra, fa i Ya’akov kosa nanorim-ponenana tao Suokot nandritra ny 18 volana talohan’ny nifindrany tany amin’ny sisin ’ny tanànan’i Chekem.

Dina, zanakavavin’i Léa, nivoaka mba hijery ny fomba fiainan’ireo zazavavy tao Chekem, ary voaolan’i Chekem, zanaky ny governoran’ny tanàna. Raha vao nandre ny zava-nitranga i Ya’akov dia tezitra mafy....

Taloha kelin’ny nahatongavany tao Beth le’hem, dia maty i Ra’hel nandritra ny fahasarota-piterahan’i Benyamin zanany faharoa sady faralahy. Nalevina tao Beth le’hem i Ra’hel. Maty teo amin’ny faha-180 taonany i Yits’hak; nalevin’i Ya’akov sy Essav zanany izy.

Famaritana ny taranak'i Essav. Famintinana ny Haftarah’i Vayichla’h (‘Ovadia 1, 1-21)

Ao amin'ny Paracha antsika, dia voalaza fa tao anatin'ny fahasahiranana i Ya’akov, dia naka ny toetra manaiky an'i Essav zokiny izay niantso azy hoe "tompoko" ary nanolotra fanomezana mihitsy aza izy, mba hampitony ny fahatezerany. Io toe-tsaina manaiky lembenana io dia ho fitandremana mialoha ny hanjo ny taranany.

Eny tokoa, ny taranak’i Israely dia nampahorian ’ny taranak’i Essao mandritra ny ro arivo taona. Vao zara raha vahoaka hatramin ’ny nialany tany Ejipta dia:

i ‘Amalek, taranak’i Essav, no nanafika ny taranak’Israely. I Edoma koa dia mandà tsy hanitsahan' ny taranak’i Israely ny faritaniny, ka ho fahavalony mandrakizay izay nanafika azy teo amin’ny sisin-taniny atsimo.

Ny fandravana ny Beth-Hamikdach dia nataon’i Roma, taranak’i Edoma.[ Téhilim 137:7]

Nanomboka tamin’izay, dia latsaka tao amin ’ny “haizina”maharitra sy fahorian’ny sesitany isika, teo anivon’ireo firenena taranak'i Essao,

mandra-pahazavan’ny andro, izany hoe hipoitra ny fahazavan’ny fanavotana farany ho an’ny taranak’i Israely. Amin'izany andro izany dia hisy pitik'afo hitsimoka avy amin'i Yossef handevona ny mpanapaka rehetra an'i Edoma. [Ovadia 1:18]

Ny faminanian’i Ovadia, izay CONVERTI avy tamin’i EDOMA, dia miteny ho an’ireo firenena [hafa] irery ihany. Hoy ny Guemara (Sanhedrin 39b): mitatitra izao manaraka izao“I Ovadia izay na dia niara-nipetraka tamin’i A’hav sy Izévèl ratsy fanahy aza, dia tsy voataonan’ny fanao ratsin’ izy ireo . Noho izany, dia izy no hampanefa azy (ny taranak’i) Essao ny fitondratena-ratsy fanaony, na dia nobeazina tao amin’ny ankohonan’ny Tsadikim roa , dia Its’hak sy Rivka aza.”

Adaptation du Mikra Méfourach (Editions ‘Oz Véhadar) ©️torah-box

sary fanehoana
abonnez-vous 👍

⁉️HEBREO ve sa YSRAELITA sa JIOSY.Ny niavian’ny teny hoe jiosy sy Jiosy 🔸Ny Bokin’ny Genesisy, ilay boky voalohany ao am...
13/12/2024

⁉️HEBREO ve sa YSRAELITA sa JIOSY.
Ny niavian’ny teny hoe jiosy sy Jiosy

🔸Ny Bokin’ny Genesisy, ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly, dia manolotra ny firazanan’ ny patriarka hebreo: Abrahama, Isaka, ary Jakoba izay hany nahazo ny anarana hoe Isiraely ary ny taranany no manome ny fiangonan’ny Isiraelita ; Ny fahefatra amin’ny zanak’Israely dia manana anarana hoe YEHOUDA (heb: יהודה[joda], manakaiky ny Genesisy 29:35 amin’ny teny hoe LEHODOT , “fisaorana” na “fankasitrahana”).

🔸Antsoin'ny baiboly hebreo hoe יהודי (YEHOUDI)Jiosy ny ISRAELITA REHETRA tao amin'ny fokony na izay nonina tao amin'ny tany nisy ny vahoakany avy eo koa izay anisany ao amin’ny fanjakany.

🔸dia nanjary lasa tonga ho fanononana azy Ilay teny tao amin'ny Bokin'i Estera (taonjato faha-4 talohan'i fanisana T.I), Manondro ny Firenena hivelan'ilay foko (ny joda), satria i MORDEKAY, izay avy amin’ny fokon’i BENJAMINA, dia voalaza fa " lehilahy YEHOUDI" (Estera 2: 5-6), ary voalaza ao fa “maro tamin’ny mponina tompotany amin’ilay firenena no ‘LASA JIOSY’ (mityahadim) noho ny tahotra ny YEHOUDIM ‘nahazo azy ireo ” ( Estera 8:17 ).

Ny sesi-tany voalohany sy ny fisehon’ny jiosy, sesitany tany Babylona sy ny Jiosy am- pielezana. Ny fanjakan’i Samaria notafihina sy noravan’i Assyriana tamin’ny 722 T.I., izay nanao azy ho lasa isan'ny faritaniny.

Ny fanjakan’i Joda dia naharitra mandra-
pandravan’ny Babyloniana azy tamin’ny 586 T.I . ary lasa sesitany tany Babylona ny ampahany tamin’ny mponina tao aminy (tsy hisalasalana indrindra ireo Elita).

“Ny fiainana ny Taonjato Fahenina T.I.
Nampiova tanteraka ny amin’ny tantaran’ny Jiosy .Raha ny marina, dia afaka milaza isika fa izany no tena fiandohany, satria nahitana fiovana fototra :

🔸ny fihafaran’ny andron’ny HEBREO sy ny HEBRAISIMA🍂, ary ny nahaterahan’ny andron ’ny JIOSY sy ny JUDAÏSME ” .

Ny lahatra ho an’ny Isiraelita tany atsimo, indrindra fa ireo olona ambony (Elite) natao sesitany tany Mezopotamia dia nanjary niavaka tanteraka tamin’ny Isiraelita tany Avaratra.

🔸Ny vahoaka nonina tany Babylone dia (toa) nisaraka tanteraka tamin’ny polytheisme (fanompoana Elokym maro). Noho izany ny Baiboly dia tena mampitsahatra tanteraka ny fiampangana azy tsy tapaka momba an’io foto- kevitra io. Ny endrika fototra ny monothéisme jiosy dia tafapetraka nohon'ny fotoan-tsarotra nateraky ny sesitany.

🔸Tsy nahaleo tena intsony ny Jiosy raha tsy tamin’ny fanjakan’ny Hachmonaïm [makabim], tokony ho tamin’ny 140 T.I. Tsy nonina irery tany jodia intsony izy ireo, fa niparitaka tsikelikely manerana an’i Moyen-Orient nanomboka avy tany Babylonia👣...

loharano ; fr.m.wikipedia.org
sary fanohoana.
abonnez-vous 👍

Famintinana ny Haftara ny Vayichla’h (‘Ovadia 1, 1-21)Ao amin'ny Paracha antsika, dia voalaza fa rehefa tojo fasahiranan...
13/12/2024

Famintinana ny Haftara ny Vayichla’h (‘Ovadia 1, 1-21)

Ao amin'ny Paracha antsika, dia voalaza fa rehefa tojo fasahiranana i Ya’acov, dia nandray ny toetry ny olona manaiky an'i Essaw zoky lahiny izay nataony hoe “tompoko” ary notolorany fanomezana mihitsy aza io mba hampitony ny hatezerany . Izany toe-tsaina manaiky (soumission) izany dia ho famantarana sahady ny hanjo ny taranany.

Eny tokoa, ny Bné Israël dia hampijalijalian’ny taranak’i Essaw mandritra ny anarivony taona. Zara raha tonga vahoaka hatramin’ny nialany an’i Ejipta ny Bné Israël, dia notafihan’ i ‘Amalek, taranak’i Essaw. Ary Edoma koa tsy nanaiky ny handalovan’ny Bné Israël teo amin' ny faritaniny ,ka tonga ho fahavalony mandrakizay izay hanafika azy teo amin'ny sisin-taniny atsimo.

Ny fandravana ny Beth Hamikdach dia nataon’i Rome taranak’i Edoma. (•salamo 137:7)

Nanomboka tamin’izay isika, dia nilentika tao amin’ny “haizin-dalin’ny” sesitany naharitra sy nampahory, teo anivon’ireo firenena taranak’i Essaw, mandra-pahazavan’ny andro, izany hoe hiposaka ny fahazavan’ny fanavotana farany ho an’ny Bné Israël . izany andro izany dia hisy pitik'afo avy amin'i Yossef handevona ny lehibe rehetra amin'i Edom.

Ny faminanian’i Ovadia, izay CONVERTI avy tamin’ny Edom, dia miteny ho an’io firenena io irery ihany. Ny Guémara (Sanhédrin 39b) mitatitra izao manaraka izao : “ Ovadia, izay niara-nipetraka tamin’ny ratsy fanahy roa dia i A’hav sy Izévèl , izay tsy nahazo ny fitaoman- dratsy an’izy ireo. Noho izany, dia izy no hampanefa (ny taranak’i) Essaw ny ratsy fanaony, kanefa dia nobeazina tao antranon’ny Tsadikim roa, dia i Its’hak sy Rivka.”

Adaptation du Mikra Méfourach (Editions ‘Oz Véhadar) - Moshé 'Haïm SEBBAH©️torah-box

sary fanehoana
abonnez-vous 👍

13/12/2024
Halakha 2 ho an’ny Chabbath :Ny sabata,VOARARA ny mamonjy ny tora- pasika, satria ny Érouv (natao ahafahana mitondra zav...
12/12/2024

Halakha 2 ho an’ny Chabbath :
Ny sabata,VOARARA ny mamonjy ny tora- pasika, satria ny Érouv (natao ahafahana mitondra zavatra eny amin’ny sehatry ny vahoaka) dia tsy mahenika izany faritra izany, noho izany dia voarara ny mitondra famahona na koa “mitondra” ny rano mitete avy eo amin’ny vatana (Choul’han Aroukh, 36,7).

Ny lehilahy diaTSY mahazo mankeny amin’ny tora-pasika na ny dobo filomanosana hifangaroana (mixte), na dia ny amin’ny andavanandro aza, mahatonga azy hahita vehivavy mitafy amin’ny fomba tsy maotina izany, IZAY VOARARA.

Etsy ankilany, Tsy mahazo miseho ho miboridana eo himason’ny lehilahy ny vehivavy, satria izany no “mametraka vato manafintohina manoloana ny jamba” mandrisika ny lehilahy hanota.

loharano: Torah-box
sary fanehoana
abonnez-vous 👍

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mishkan Méïr משכן מאיר posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Mishkan Méïr משכן מאיר:

Share