Fiangonana Batista Biblika Ivandry

Fiangonana Batista Biblika Ivandry Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fiangonana Batista Biblika Ivandry, Church, Ivandry, Antananarivo.

19/08/2025

Matio 22:23-33
ARARAOTY DIENY IZAO

📖Falaka
Te hamandrika @ Jesoa ny Sadoseo izay tsy mino ny fitsanganana @ maty. Teo @ Israely, raha misy lehilahy maty tsy niteraka dia manambady ny vadiny ny zandriny mba hamelo-maso ny anaran’ny maty.

Raha misy marina tokoa ary ny fitsanganana @ maty, ho vadin’iza @ izy (7) mirahalahy ilay vehivavy? Nanome vali-teny tsotra sy mazava I Jesoa Kristy:

➊ Tsy misy manambadimbady izany intsony:
Ho toy ny anjely ny olona any an-danitra. TSY HO LASA ANJELY akory ny, fa ho toy ny anjely. TSY MANAMBADY.
Ny fanambadiana marina tokoa mantsy dia:
• ✨ Natao hitohizan’ny taranaka. Koa rehefa lasa “Immortel” ny olona dia tsy mila miteraka intsony.
• ✨ Sarin’ny firaisan’I Kristy sy ny fiangonana. Koa rehefa tanteraka ilay tena izy (fampakaram-badin’ny zanak’ondry) dia tsy ilaina intsony ilay sary. Toy ireo “Aloky ny zavatra ho avy” rehetra ihany ny fanambadiana.
Rehefa maty dia vita hatreo ny contrat. Ilay vady mbola velona aza moa efa mahazo manambady olona hafa indray. (IKor.7:39)
Raha mbola misy fanambadiana any an-danitra dia tsy ho azo natao ny “remarriage” satria efa misy vady miandry anao any an-danitra any. 👼
Noho izany, ho anao manam-bady, araraoty dieny ety an-tany io vadinao io fa tsy misy “rattrapage” intsony any an-danitra. 💑

➋ A/tra dia A/try ny velona fa tsy an'ny maty:
Ny tenin’A/tra ao @ Pentatioka, izay inoan’ireto Sadoseo ireto ihany avy eo no entin’I Jesoa amaliany azy ireo sy anindriana fa tena misy ny fitsanganana @ maty: t@ A/tra niantso an’I Mosesy, no nilazany fa Izy dia A/try Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
Efa 200 taona teo ho eo anefa no nahafaty ireo Patriarka ireo. Tsy ho nilaza izany mihitsy A/tra raha toa ka tsy misy intsony ireo olona ireo. Izy dia A/try ny velona fa tsy A/try maty 🕊️
Mbola tsindrian’I Paoly ao @ IKorintiana 15 fa tena misy ny fitsanganana @ maty. Eny tokoa, raha tsy misy izany, inona moa no intérêt-ntsika hiaina @ fahatahorana an’A/Tra? 😟 tsy aleo d’efa samy manao izay tiany sy izay mampetipety ny fiainana eto an-tany!!! (Isa. 22:13/ IKor. 15:32).

Izao anefa. Jesoa Kristy mihitsy eto no milaza fa Tena misy ny fiainana ao aorianan’ny fahafatesana. Saino ny mandrakizainao fa mandalo ihany ny eto an-tany. Andao hiaina @ fahatahorana an’A/tra.🙏

09/07/2024

Fotoanan'ny tanora sy ny zatovo Alahady 07 Jolay @ 10:30

Ny zavatra ahitantsika fahafinaretana sy fahafaham-po no tena itodihan’ny fitiavantsika.
Inona no ambaran’ny fahafinaretantsika amintsika momba ny toetry ny fanahintsika? Inona (na iza) no tena tiantsika?
Andao hiaraka handinin-tena mba hahitana raha Andriamanitra no tena fitiavantsika voalohany 🙏🏽

15/02/2024

Jaona 9.35-41
TSY NY JAMBA NO JAMBA FA IZAY TSY MINO NY FANASITRANANA NY JAMBA NO JAMBA

☑Matetika ny olona niala tamin’ny maizana ho amin’ny fahazana dia enjehin’ny fiarahamonina misy azy : namana, ray aman-dreny, havana… Tsy mitovy intsony manko ilay fijery : efa mahiratra ankehitriny.

☑Fa raha nanilika sy nandroaka azy ny hafa, Jesosy tsy nandao azy. Raha amin’ny fijery maha olona; ny fanontaniana tokony napetraka i Kristy zao dia hoe : aiza ianao zany zao no atory ? Ahoana ny tohin’ny fiainana ? Aiza ndray ny lalana aleha ?

☑Na hitan’i Jesosy ary hoe noroahiny izy dia fantany izay zavatra ilainy sy mety, dia ny fahafantarany ny Zanak’Andriamanitra. Izay no vahaolana ambony noho ny vahaolana mety heritreretintsika.

☑Tonga amin’ny fahatanterahany amin’izay ny fahalalany an’i Jesosy, izay nivohatra tsikelikely tao anatin’ity tantara ity. Nanomboka tamin’ny finoan’ilay olona tsy fantany fa nino ihany izy noho ny teniny. Avy eo ny nahasahiany niteny tamin’ny fariseo fa mpaminany izy. Nitohy tamin’ny fanekeny fa avy amin’Atra izy. Ary farany, ny nambaran’i Jesosy izy tenany mihitsy fa izy no Zanak’Atra. “Tompoko, mino aho” : io ny tanjon’ny fanasitranana ity lehilahy ity.

✅Ianao ko ve mba “jamba” ?
Fanetretena io no toetra iray mitondra antsika ho amin’ny fanasitranana. Raha mbola tsy manaiky ianao fa jamba ara-panahy dia tsy misy famelan-keloka azo homena anao. Tsy ny jamba no jamba fa izay tsy mino fa Kristy no Zanak’Atra no jamba.

17/01/2024

MANAMBADY OLONA FANTATRA TSY MANENINA !

Ny tena FIAINAN'NY olona iray dia any AMBADIKY NY SCÈNE foana Rakoto a. Ny tena fahatsarany tsy eo amin'ny bika aman'endriny akory fa miafina any AM-PARAHATONY any. Koa fantaro izay ho tiavina fa izay mitia olona fantatra tsy manenina ! Dia mahaiza mitia !

Koa ndeha hianatra mitia, mahay mamantatra izay ho tiavina, mahay mitia ny ankohonany !

Ho avy ny Saint Valentin, inty misy FAMPIANARANA ahafahana miatrika izany ! Iarahan'ny Gasy MMB + FAKA Réflexion Évangélique mifandrimbona hanome anao ny tsara. Promotion iray tany an-tsekoly, mpiray efitra fiasana fahiny ihany koa, indray no hifarimbona @ ity indray mitoraka ity.

10 février 2024 tontolon'ny andro ! Misorata anarana mialoha raha azo atao fandrao tsy hahazo seza 😊.

Misy sakafo maivana amidy raha tsy mahaomana sakafo mialoha ianao.

Tena anentanako antsika ry reto a!!!! tena tsara ity.
17/01/2024

Tena anentanako antsika ry reto a!!!! tena tsara ity.

MANAMBADY OLONA FANTATRA TSY MANENINA !

Ny tena FIAINAN'NY olona iray dia any AMBADIKY NY SCÈNE foana Rakoto a. Ny tena fahatsarany tsy eo amin'ny bika aman'endriny akory fa miafina any AM-PARAHATONY any. Koa fantaro izay ho tiavina fa izay mitia olona fantatra tsy manenina ! Dia mahaiza mitia !

Koa ndeha hianatra mitia, mahay mamantatra izay ho tiavina, mahay mitia ny ankohonany !

Ho avy ny Saint Valentin, inty misy FAMPIANARANA ahafahana miatrika izany ! Iarahan'ny Gasy MMB + FAKA Réflexion Évangélique mifandrimbona hanome anao ny tsara. Promotion iray tany an-tsekoly, mpiray efitra fiasana fahiny ihany koa, indray no hifarimbona @ ity indray mitoraka ity.

10 février 2024 tontolon'ny andro ! Misorata anarana mialoha raha azo atao fandrao tsy hahazo seza 😊.

Misy sakafo maivana amidy raha tsy mahaomana sakafo mialoha ianao.

11/01/2024

❗️𝗭𝗔𝗥𝗜𝗗𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗔𝗟𝗢 : Eny amin'ny 𝐙𝐀𝐑𝐈𝐃𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐋𝐎 no hotanterahina ny hetsika fitoriana Filazantsara an-kira 𝗛𝗜𝗥𝗔𝗬 : "𝗛𝗶laza ny 𝗛𝗮tsaran'ny 𝗥𝗮𝘆 izahay" ~ 𝟭 𝗣𝗲𝘁𝗲𝗿𝗮 𝟮: 𝟵🔥

Aza adino ary ny fotoanantsika, entano ny tapaka sy namana amin'ny:
👉 𝗦𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟮𝟬 𝗷𝗮𝗻𝗼𝗮𝗿𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟰
👉 𝟭 𝗼𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝘀𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗹𝗮𝗸𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼
👉 𝐙𝐚𝐫𝐢𝐝𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐋𝐎 ✨


02/07/2023

INONA NO ANTON'NY PEJY MANAKO ISANANDRO (2)
Ny pejy manako isan'andro dia sehatra iray iombonantsika, natao indrindra:

✅ Hiarahana mamaky baiboly: Na mpikambana na tsia ao @ fikambanan'ny mpiara mamaky ny baiboly ianao, dia afaka manaraka ny vakiteny atao isan'andro @ alalan'ny publication'ny pejy izay mivoaka isan'andro @ 6h maraina.

✅ Hifampizarana: Namaky mana (ilay tenin'A/tra voalahatra) ve ianao ka misy fahamarinana nanaitra anao tianao ho zaraina? afaka ataonao eo @ "commentaire" izany. Tsarovy fa mety hampandroso ny hafa ny fizarana ataonao.

✅ Fametrahana sy famaliana fanontaniana:
➡ Mety misy fanontaniana (mahakasika ilay teny novakiana) manitikitika ve? aza misalasala mametraka izany eo @ commentaire.
➡Manana havaly ireo namana nametraka fanontaniana? omeo ny hevitrao fa mety hahasoa ny hafa izany.

❎❎🚫 Tandremo anefa fa tsy natao hifamaliana ity pejy ity fa kosa ifampizarana sy ifanehoan-kevitra.

Koa manasa anao ary izahay handray anjara ho fifampandrosoantsika. 🥰🥰🥰

Address

Ivandry
Antananarivo

Telephone

+261345115440

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Batista Biblika Ivandry posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category