03/06/2022
Fiadanana. Mirary antsika rehetra samy hahatratra ny Pentekosta @ alahady, 5 jona izao. Pentekosta izay hankalazantsika an' Andriamanitra noho ny nilatsahan' ny Fanahy Masina sy tsingerin- taona nahaterahan' ny finoana kristiana. Hoy ny voalazan' ny Soratra Masina ao @ ( Asa.4 / 31 ): " Ary rehefa nivavaka izy,... dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin' Andriamanitra t@ fahasahiana ". Tongava miara mivavaka. Aza avela handalo fotsiny eo @ fiainanao ny Pentekosta. Fid- l @ 6 ora 30mn ; fid- 'll : 9.30mn. Ento ny ankohonana handray ny Fanahy Masina. Rehefa tsy manana ny Fanahy Masina isika dia tsarovy fa fanahy ratsy, fanahin- devoly, no ho ao anatinao na ho ao anatin' ny zanakao. Sarotra ny fiainana ankehitriny, be ny fahavalo, tsy mandry ny tany ( kidnapping, halatra, sns...) . Mila apetraka ao @ Andriamanitra ny fiainana, Izy no mpiaro, Izy no mampahery sy mitahy. Koa aza varimbariana na mangatak' andro. Ny tolakandro dia hisy ny ANTSA PENTEKOSTA hotontosain' ny TMT eto @ fiangonana anasana antsika rehetra.
Ampahatsiahivina ireo hisora- panambadiana sy mariazy faobe ho tonga hiofana ny sabotsy, 4 jona @ 2ora 30mn ao am- piangonana.
Mampahery sy mivavaka ho antsika mpianakavin ' ny finoana rehetra. Tahian ' ny Tompo daholo. Pasteur