Fjkm Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana

Fjkm Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fjkm Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana, Religious organisation, Antananarivo.

10/04/2022

Miarahaba antsika Kristiana Zanak'i Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana tratry ny Alahady Sampandrofia. Manasa antsika hanaraka ny herinandro Masina isaky ny hariva @ 6ora15h.

03/04/2022

Faly miarahaba antsika Kristiana Zanak'i Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana. Mitohy indray isika amin'ny asa fananganantsika ny trano Fiangonana vaovao. Ezaka dhall indray ny ezaka ataontsika, mba hahazoantsika manomboka izany a@ fiandohan'ny volàna May 2022. Misy valopy ezaka dhall. Hanatratrarantsika vola 50 000 000ariary. Samia mahereza

03/04/2022

Misaotra ny Tompo indray isika fa afaka hanohy ny fananganana ny trano Fiangonana vaovao. Hiroso amin'ny fanaovana ny dingana voalohany isika. Izay vinavinaina ho 50 000 000ar

08/02/2022

Ry havana malala rehetra, tonga ny volana Marsa 2022. Misokatra n'y Vokatry ny Faritany ka n'y F1 sy ny F2 eto amin'ny Fiangonantsika.
Koa miantso sy manasa ny Fiangonana manontolo hifanotrona @ zany.

04/01/2022

Faly miarahaba antsika mpianakavin'ny finoana vita soa ny Krismasy 2021 sy nahatratra ity taona vaovao 2022 ity. Hoy Jesoa amintsika "matokia fa Izaho ihany aza matahotra" Mat.14:27. Ho lavitry ny rofy sy ny antambo anie isika eto ampamakivakina ity taona ity.
Mampahatsiahy antsika taranaka sy fianakaviana, ny zanaka am-pielezana manerana izao tontolo izao ny Alahady 09 Janoary 2022, hisy fidirana in-3: @ 5ora sy sasany maraina, @ 8ora sy sasany maraina, ary@ 10 ora maraina. Arabaina amin'izany ny afaka fanadinana ara-panjakana, ireo nahavita fianarana tao@ Ségala, n'a Setela, ireo tafiditra eny@ toerampanomanana Mpitandrina. Ho an'ny zanaka am-pielezana must fiara hiainga eo amin'ny BOA soarano@ 8ora sy sasany maraina. Dia samy ho Tahin'ny Tompo daholo

07/12/2020

vita soamantsara tamin'ny Alahady 06 Desambra 2020 lasa teo ny Alahady nitrotrona am-bavaka sy nanohanan'ny Fiangonana ny Mpitandrina RAOTOTIANA Délia Balthazar mianakavy tamin'ity taona 2020 ity. Na dia tao aza ny zava-tsarotra nolalovan'ny Firenena syindrindra ny Fiangonana dia misaotra ny Biraon'ny Fiangonana ireo Birao sy ny Sampana sy Sampanasa, ny Fianakaviana sy ny Kristiana isam-batan'olona, indrindra ny zanaka am-pielezana izahay mianakavy noho ny fitrotrona am-bavaka sy ny fanohanana anay. Fantatray fa tsy hoe tamin'izao Alahady manokana izao ihany noo manao izany ny Fiangonana fa isaky ny mahatsiaro mihitsy. Koa hoy izahay mianakavy hoe: Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo sy hanonitra avo folo, zato, eny arivo tsy manampahatamperana ny vola amin-karena sy ny fitiavana ary ny herim-po nasehonareo taminay. Samy ho tratry ny Krismasy ny taom-baovao 2021, hifankahita soa indray amin'ny Alahady 10 Janoary 2021 Alahadin'ny Taranaka.

mitohy ny ezaka ataontsika hamitana ny fondation jereo amin'ny sary
05/12/2020

mitohy ny ezaka ataontsika hamitana ny fondation jereo amin'ny sary

24/10/2020

miarahaba antsika rehetra mahatatra ity Alahady farany amin'ny volana Oktobra ity. Ny Tompo anie hanome izay rehetra tokony ho anareo.

17/10/2020

Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy tanteraka ny Ezaka Famitana ny Fondation ny Fiangonana vaovao saika ho natao tamin'ny P***a 2020 lasa teo. Mazava ny Baikon'ny Tompo: "LAZAO AMIN'NY ZANA'ISRAELY MBA HANDROSO".
Koa mandroso hatrany isika amin'izany ezaka izany izany.
Mampiomana antsika amin'ny volana Novambra 2020. Ho lazaina amintsika ihany ny mety ho endriky ny Ezaka.

27/09/2020

manomboka mianatra ny Katkomena ny Alahady 04 Oktobra 2020, amin'ny 1 ora tolakandro. Antsoina ny Katekomena teo aloha sy manasa ireo vaovao.

11/08/2020

Misaotra ny Tompo fa afaka hisokatra indray ny Fiangonana. Koa manasa ny mpianakavin'ny finoana manomboka amin'ny Alahady ho avy izao. Hajaintsika fatratra ny fepetra rehetra ara-pahasalamana. Mifampilaza ary aza mahafoy ny fiarahantsika miangona. Samy omen'ny Tompo fahasalamana daholo.

14/01/2020

Isaorntsika ny Tompo fa vita indray ny mur de soutenement dingana voalohany. Hanomboka hanohy ny fondation indray isika. Ento am bavaka sy mandraisa anjara hahavitantsika izany. Samy ho tahin'ny Tompo daholo e.

Address

Antananarivo

Telephone

+261327152059

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fjkm Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share