05/03/2024
Talata 5 Martsa 2024
MANORINA NY FANEKENY NY TOMPO
Lio 1. 67-79
67. Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68. Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely;
Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69. Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika
Aminâny taranakâi Davida mpanompony Izy.
70. (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatraminâny fahagola),
71. Dia famonjena antsika aminâny fahavalontsika,
Sy aminâny tĂ nanâizay rehetra mankahala antsika;
72. Manefa famindrampo aminâny razantsika Izy
Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73. Dia ny fianianana izay nianianany taminâi Abrahama razantsika,
74. Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
Satria afaka aminâny fahavalontsika isika,
75. Aminâny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany aminâny andro rehetra hiainantsika.
76. Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminaninâny Avo Indrindra;
Fa hialoha eo anatrehanâny Tompo hianao hamboatra ny lĂ lany.
77. Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
Aminâny famelana ny helony,
78. Noho ny halehibenâny famindramponâAndriamanitsika, izay hiposahanâ ny mazava avy any aminâny avo ho antsika.
79. Hamirapiratra aminâizay mipetraka ao aminâny maizina sy ao aminâny aloky ny fahafatesana,
Hanitsy ny diantsika ho aminâny lĂ lam-piadanana. Amen