J V M Ministries

J V M   Ministries Lioka 1:37
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.

14/08/2022

Volan'ny FAOMBIAZANA

Fanalahidy:
- Mihaino tsara ny feon'ny Tompo, ny teniny
- Mankatò ny teniny
- Manaraka an'Andriamanitra...

EH! MANDRESY TSARA

17/07/2022

Jolay: volan'ny FANOSORANA

1 Samoela 16:13
Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny.

Ny fanosorana dia fanavahan'Andriamanitra olona iray mba hanandratana Azy, fanomezan'Andriamanitra ny herin'ny Fanahy Masina manavaka ilay olona hahavita zavatr mihoatra ny hafa...
Misy ny hosotra @ asa fanompoana (pasteur, evanjelistra, sns)
Misy ny hosotra manavaka @ fiainana (osotry ny fanambinana, fahitam.pitia sns)

ANDRIAMANITRA misafidy hanosotra olona iray rehefa hitany ny toepony...Davida dia olona araka ny fon'Andriamanitra.

Manasa anao hanatrika ny seminera Fanosorana volana ity. Mbola tsy tara isika @ alahady zao fotoampanosorana diloilo (fomba ara.baiboly) ialoavan'ny fanasana tongotra (endriky ny fanadiovana hananana fo mendrika handray ny hosotra) irahana @ PST LIVA RANJIVASON eto @ FIANGONANA JESOSY VAHAOLANA MAHAGAGA.

Alahady zao am 9h maraina eny Dunamis Betesda (lalana bypass, eo domaine mankany espace Yandy bybass, eo aloha kely misy arret plantes vertes na vononkazo dia eo ampita eo trano fitaratra mavomavo dia ao ny fiangonana).

TONGAVA SOA TOMPOKO. NY OSOTRA HANAVAKA SY HANOVA NY FIAINANAO.

TIA ANAO JESOSY

EH MANDRESY TSARA!

16/06/2022

SHALOM, Mandresy Tsara tompoko

VOLANA JIONA "MIAINA @ LANITRA MISOKATRA".

Ndao Hifaly sy Hifandray Lalina @ TOMPO fotsiny❤fa IZAO NO FOTOANA HO ANAO.

Courage e!

01/05/2022

MAI : Volan'ny FANDROSOANA SY FITOMBOANA

5 Alahady Seminera " MIAINA NY FAHATSARAN' ANDRIAMANITRA" (01, 08, 15, 23, 30 mai) anasana antsika tsy ankanavaka eto @ Fiangonana JESOSY VAHAOLANA MAHAGAGA izay tarihin'i Pst Liva RANJIVASON (isaky ny Alahady @ 9h)

Rehefa mandroso ny fanompoantsika sy ny ara.panahy (fitiavana sy fankatoavana an' Andriamanitra) dia mandroso, mitombo sy mivelatra koa ny fiainanao (fahasalamana, asa, ....).

Eh Mandresy tsara!!!

Toerana misy ny fiangonana: route Yandy By Pass avy any domaine, eo am arrêt bus voninkazo (plantes vertes) eo ampita no misy trano fitaratra mavomavo (DUNAMIS BETESDA) misy sarin'ny Pst mivady.

Tongava soa tompoko!!!

12/04/2022

Ezekiela 1:10
Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.

Toetra efatra nananan'i Jesosy:
- Olona : manam.pahendrena sy fahaizana (docteur)
- Liona: Mpanjaka (Apotre)
- Omby: Niasa mafy nanao ny asan'ny evanjelistra (ministére evanjeliste)
- Voromahery: matanjaka, manana ny maso fahitana mihoatra ny rehetra (ministère prohetique)

Fotoana izao hihetsehana izay nanendrena antsika. Mila miasa mafy sy mikely aina @ asa fitoriana mba hitaomana fanahy ao 'Andriamanitra...manara dia an'i Jesosy.

Eh! Mandresy tsara

03/04/2022

Avril: VOLAN'NY FITSANGANANA SY FAHAVELOMANA REHETRA

Manasa anao hanatrika ny seminera 4 alahadin'ny " FANANGANAM.PIAINANA MAHAGAGA MIARAKA @ JESOSY"
ny 03, 10, 17 sy 24 Avril 2022 manomboka @ 9H ety @ fiangonana JESOSY VAHAOLANA MAHAGAGA.

Toerana: by pass eo @ total akaiky domaine dia mandroso mankany espace YANDY BY PASS, afaka 150m misy arrét bus plantes vertes na voninkazo dia eo ampitan'io arrêt io no misy ny fiangonana, trano fitaratra mavomavo (Dunamis Betesda) misy ny sarin'ny Ray aman.dreny Pst LIVA RANJIVASON mivady.

Tsy miova Jesosy fa hainy atao ny manangana sy mamelona ny efa rava (taola.maina) eo @ fiainanao. Rehefa eo Jesosy mbola azo antenaina ny fitsanganan'ny fiaianao, ianao fotsiny no mila mandroso ara.panahy.
ISAIA 61:4
ISAIA 44:26
EZEK 36:36
JAONA 11:25

Tongava soa tompoko. Tia anao Jesosy!

02/04/2022

SHALOM, MANDRESY TSARA TOMPOKO, HALELOIA! VITA SOA NY TSO-DRANO❤ENY SY AMEN EO @ FIAINANTSIKA, ARY ISAORANA NY TOMPO @ ITY❤"VOLAN'NY FITSANGANA SY FAHAVELOMANA @ LAFINY RHTR"(Isa61: 4) THT ISIKA E! MATOKIA! FA HANAO ZVTR GOAVANA BE NY TOMPO@ ITY VOLANA APRILY ITY, FAHAGAGANA HO ANAO, TIA ANAO JESOSY.

16/03/2022

VOLAN'NY FIHETSEHAN'ANDRIAMANITRA SY FANDRAISANA PROMOTIONS

TENT FIAINANA zaraina amintsika

Eksodosy 14:14-15
Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.

Raha te.hahita an'Andriamanitra mihetsika eo @ fiaianana isika ka hahita ny asany mahagaga sy ny voninahiny (ranomasina misokatra: vahaolana, fanasitranana, fiovana, fitahiana, ...) dia ampianariny:
- hianatra hangina eo anatrehan'ny ady : raha mamaly ianao dia tsy miditra an.tsehatra intsony Andriamanitra
- tsy be taraina na mimonomonona fa mankasitraka na mafy azy ny atrehina, na tsy araka izay andrasana aza
- mandroso: tsy maintsy mandroso ianao @ lafiny rht na ara.panahy na eo @ fianana andavanandro : tsy nahita ranomasina nisokatra ny zanak Israely raha tsy nandroso, tsy nahazo hazanadrano be Petera raha tsy nandroso t@ lalina kokoa.

Aza matahotra mandroso fa raha ny Tompo ny momba anao dia hiaro anao Izy ary hahita vokatra ianao. Ny devoly miezaka misintona anao mba tsy handroso ( asiany fahavarianana, tsy mahavita mivavaka sy manompo sns...) fa mila manohitra sy misisika isika. Angataho ny FANAHY MASINA hahafahanao manovo hery entina mandroso.

Andramo ka zahao fa tsara Jehovah!

Eh! Mandresy tsara.

FIANGONANA JESOSY VAHAOLANA MAHAGAHA

06/03/2022

Mila tso-drano isika satria:
- fomban'Andriamanitra ny mitso-drano
- faminaniana hitranga izany
-fiarovana (couverture na protection spirituelle sy am seha.piainana rht)
- iraka avy any an-danitra (commission)
- proclamation celeste.

Ny fiainan'ny olona arahina tso-drano dia tokony hiavaka sy voaaro.

Eh! mandresy tsara!

06/03/2022

04 alahadin'ny TSO-DRANO taona 2022 eto @ fiangonana JESOSY VAHAOLANA MAHAGAHA izay tarihin'i Pst LIVA RANJIVASON ny 06,13,20 sy 27 mars 2022.

Manasa anao ho tonga fa sarobidy ny tso-drano izay zava-mahery sy masina (zavatra nataon'Andriamintra ary efa nisy hatrany am-piandohana) izay mitondra fiarovana ara.panahy sy eo @ seha.piainana rehetra, mitarika @ fandresena sy faombiazana.

Toerana: eny By Pass, raha eo @ domaine na total dia mandroso mankany Yandy By Pass, afaka 150m eo misy arrêt bus Plantes vertes na voninkazo dia eo ampitan'io misy trano fitaratra mavomavo be misy sarin'i Pst Mivady sy soratra hoe DUNAMIS BETESDA.

Eh mandresy tsara ...tongava soa tompoko!

Address

BY PASS
Antananarivo
101

Telephone

+261341632371

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when J V M Ministries posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to J V M Ministries:

Share