Fandalinana sy Fifampizarana ny Finoana katolika

Fandalinana sy Fifampizarana ny Finoana katolika “Rehefa i Kristy no toriana dia mahafaly ahy izany...” Filipiana 1, 18. 🥰✝🛐🙏🏻. “ Ho famonjena ny fanahy” Droit Canon N. 1752.

FIVAVAHANA HARIVA ❤🙏🏻Andriamanitra Ray be fitiavana ô, Misaotra anao izahay Zanakao  tamin'ny fitantananao sy ny fiarova...
03/08/2026

FIVAVAHANA HARIVA ❤🙏🏻

Andriamanitra Ray be fitiavana ô,
Misaotra anao izahay Zanakao tamin'ny fitantananao sy ny fiarovanao anay.
Midera anao izahay nohon'ny haben'ny voninahitrao.
Mifona izahay tamin'ireo fahotana izay vitanay taminao, mahatsapa tena fa diso izahay fa tsy mety izay natao, koa indreto mibaboka mangataka famelan-keloka avy any aminao. Ampireheto ato anatinay ny herin'ny Fanahinao Masina hiaro anay ka mba tsy hovoafandrikin'ny demony izahay sy tsy ho azon'ny fakam-panahy amin'izay rehetra ataonay.
Jesoa Tompo ô manjaká ato anatinay fa ianao no herinay, tantano izahay ary hazavao ny sainay mba hanjaka ato anatinay ny fahamarinana sy ny fitiavana. Amen🙏❤️

Ry Fo masin'i Jesoa ô ,matoky Anao izahay !🙏🏻

Ny Papa Leo XIV dia nihaona tamin'ny alatsinainy maraina teo tamin'ilay prefeta vaovao ao amin'ny Dikastera ho an'ny Ser...
03/08/2026

Ny Papa Leo XIV dia nihaona tamin'ny alatsinainy maraina teo tamin'ilay prefeta vaovao ao amin'ny Dikastera ho an'ny Serasera, Ramatoakely Maria Montserrat Alvarado. Voatendry tamin'ny 2 jona tamin'ity taona ity i Alvarado, ary hanomboka hiasa amin'ny fomba ofisialy amin'ny 1 novambra izao.

03/08/2026

Ny Tanora miofana ao amin’ny Maseran’ny FMA.

03 Aogositra 2002- 03 Aogositra 2026Feno 24 taona katroka ny nanamasinana pretra an’i Monseigneur Jean Nicolas RAKOTOJAO...
03/08/2026

03 Aogositra 2002- 03 Aogositra 2026
Feno 24 taona katroka ny nanamasinana pretra an’i Monseigneur Jean Nicolas RAKOTOJAONA.
Miarahaba sy Mirary soa anao agnay.

03/08/2026

Indro zaraina amintsika ny hira Fanevan'ny JMJ any Séoul Corée du Sud amin'ny 2027, izay nivoaka androany. Ahitàna tonony tenim-pirenena vitsivitsy mifangarao, Version pop .

Source : World Youth Day .

Ndao hifampitondra am-bavaka eeee❤🙏🏻 'Ndao hifampitrotro am-bavaka ee❤🙏🏻🙏🏻. Koa raha manana vavaka manokana tiana hampit...
03/08/2026

Ndao hifampitondra am-bavaka eeee❤🙏🏻 'Ndao hifampitrotro am-bavaka ee❤🙏🏻🙏🏻. Koa raha manana vavaka manokana tiana hampitondraina ianao dia hiangaviana hanoratra mivantana amin’ny Pejinay satria manana solo tena any ny ekipanay mandritra ny 10-15 Aogositra 2026.

Roa ny toe-panahy ilaina ho fanajana ny famindrapon'Andriamanitra:NY FAHATOKISANA🙏🏻NY FAMINDRAMPO🙏🏻Ny Fahatokisana , io ...
03/08/2026

Roa ny toe-panahy ilaina ho fanajana ny famindrapon'Andriamanitra:

NY FAHATOKISANA🙏🏻
NY FAMINDRAMPO🙏🏻

Ny Fahatokisana , io no antso avy amin'i Jesoa Kristy Tompontsika ary fototra iorenan'ny fanajana ny famindrampon' Andriamanitra , mitaraina amin'alahelo i Jesoa ary tena vao maika mampijaly ahy bebe kokoa ny tsy fisian'izany fitokisana izany ao amin'ny fanahy tia vavaka , ary mahafinaritra ahy indrindra dia ireo fanahy mitodika amin'ny famindrampoko , tsy afaka manasazy ny mpanota nahavita heloka be vava aho raha mitalaho ny famindrampoko izy "Ry Jesoa ô , matoky anao aho"💔🙏🏻

Ny Famindrampo , Omeko fomba telo ianao hanehoana ny famindrampo amin'ny hafa:
🌿 NY ASA
🌿 NY TENY
🌿NY VAVAKA
Fanirian'i Jesoa ny hanehoan'ireo mpivavaka amin'ny famindrampo amin'ny manodidina azy ireo isan'andro , na amin'ny asa soa , na amin'ny teny soa , sy amin'ny vavaka noho ny fitiavany azy.❤🙏🏻

JESOA Ô ,AMPIANARO IZAHAY HAHAY HAMINDRA FO . 🙏🏻

hita tao amin'ny vavaky ny Famindrampon'Andriamanitra.🙏🏻🙏🏻

Faly miarahaba anareo Pretra 10 mirahalahy ! 🎊🎉🎉Homba anareo hatrany anie iJesoa  Kristy .🙏🏻🙏🏻©RADIO TSIRY Fianara
03/08/2026

Faly miarahaba anareo Pretra 10 mirahalahy ! 🎊🎉🎉
Homba anareo hatrany anie iJesoa Kristy .🙏🏻🙏🏻
©RADIO TSIRY Fianara

 '  ❤🙏🏻🙏🏻VAVAKA FANGATAHANA MIARAKA AMIN'I MASINDAHY JACQUES BERTHIEU. 🙏🏻Ry Andriamanitra tompon'ny tanim-boaloboka, fia...
03/08/2026

' ❤🙏🏻

🙏🏻VAVAKA FANGATAHANA MIARAKA AMIN'I MASINDAHY JACQUES BERTHIEU. 🙏🏻

Ry Andriamanitra tompon'ny tanim-boaloboka, fianakaviana tsotra no nifidiananao an'i Jacques Berthieu, Ka ny Fanabeazana Kristianina nitaizana azy no nanomananao azy ho Pretra sy Relijiozy Zezoita.

Dia nirahinao izy ho misionera eto Madagasikara :
- nitory ny Vaovao Mahafaly sy nampianatra Katesizy;
- nankahery ny marary sy ny ory;
- nanentana ny olona tamin'ny fambolena...

Fa ny tena nimasoany dia ny hamonjy sy hampivoatra ny olon-drehetra sy ny maha-olona manontolo. Ary nahavariana ny fitiava-namana nasehony, ka nanaovany ny fihetsiky ny Samaritanina tsara fanahy...

Koa misaotra Anao ry Ray, noho ny Finoana nivelomany :
- izay mandrisika anay ho tia sy hanaja ny Fo Masin'i Jesoa;
- hanamasina ny tokantrano amin'ny sakramentan'ny mariazy;
- hitandro ny fahadiovana;
- hampanjaka ny rariny...

Koa hiezaka izahay, hanao tahaka azy :
- hanohitra ny asan'i Satana;
- hitolona tsy hataho-dratra, na hamoizana aina aza izany.

Noho ny vavak'i Masindahy Jacques Berthieu sy i Masina Maria, dia mangataka Aminao izahay mba...

(lazaina izay tiana angatahina manokana)

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen!

MASINDAHY JACQUES BERTHIEU,
MIVAVAHA HO ANAY 🙏

  ❤🙏🏻Hisaorana anie ny Trinité Masina, tsy azo sarahina, ankehitriny sy mandrakizay.Andriamanitra ô, mitsaoka anao aho a...
03/08/2026

❤🙏🏻

Hisaorana anie ny Trinité Masina, tsy azo sarahina, ankehitriny sy mandrakizay.

Andriamanitra ô, mitsaoka anao aho ary tia anao amin'ny foko manontolo.
Misaotra anao aho tamin'ny naharianao ahy, taminny nanaovanao ahy ho kristianina, ary taminny niaraovanao ahy nandritra ny alina. Atolotro anao izay rehetra hataoko anio; aoka izy ireo ho araka ny sitra-ponao masina sy hanome voninahitra anao. Arovy amin'ny fahotana sy aminny ratsy rehetra aho. Ny fahasoavanao anie homba anay lalandava .
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ,
Tahaka ny taloha sy ankehitriny ary mandrakizay ! 🙏🏻

Ry Fo masin'i Jesoa o ,matoky Anao izahay !🙏🏻

Address

Lot VP 30B/Ambohimiandra
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fandalinana sy Fifampizarana ny Finoana katolika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share