Maraim-baovao / Fiainam-baovao VIF

Maraim-baovao / Fiainam-baovao VIF Maraim-baovao: Lundi - samedi 6:30 - 7:15 / fiainam-baovao : Samedi 15:00

Tsapanao ve fa teo foana ho anao Jesosy ?
19/01/2026

Tsapanao ve fa teo foana ho anao Jesosy ?

đŸ‡Č🇬 19 Janoary 2026

Salamo 27 : 10
"Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy."

📚 Tao anaty ady mafy Davida no nanoratra izao Salamo izao. Mampiasa voambolana maro izy eo amin'ny and. 2, tahaka ny hoe : ratsy fanahy, fahavaloko, rafiko, manao andiany.
⚔ Izany dia hanamafisany ny haben'ny ady atrehiny.

😔 Amin'ny fotoana tahaka izany no tena ilĂ na sy anantenĂ na ireo ankohonana sy havana mba hifanohana sy hifamonjy. Indrindra moa fa ny ray izay heverina ho mahery sy matanjaka ary manana vaha-olana amin'ny zavatra rehetra đŸ’Ș. Ka rehefa tsy mahavaha ny olantsika izy ireny dia mivadika ho fahadisoam-panantenana ho antsika izany.

✹ Ny vaovao mahafaly dia eo amin'izay tsy vitan'ny olona dia tadidio fa manana Ray izay any an-danitra ianao 🙏 - dia Andriamanitra izany.
Izy Ilay mahefa ny zavatra rehetra ary manam-pahefana amin'ny nofo rehetra.
Tsy voafetran'ny elanelana sy fotoana rahateo Izy.

đŸ•Šïž Rehefa Jehovah no mandray anao dia tsarovy fa tsy voahilikilika ianao. Apetrany amin'ny toerana sahaza anao ianao dia ny toeran'ny zanak'Andriamanitra. Izany hoe voaaro amin'ny fahavalo rehetra na tahaka ny ahoana ny endriny sy ny habetsahany.

đŸ•Šïž Ho anao izay miatrika ady io ! Ny rainao na dia tia anao aza dia tsy afaka hametrahanao ny tokinao satria olombelona izy ka mety mandao sady voafetra ihany.
Fa ataovy kosa ho fitaovana hampanakaiky anao kokoa amin'i Jesosy izao adinao izao 🛐.
Andeha ka midira ao amin'ny fitsaharana efa nomanin'ny Rainao ho anao dia hahita fiadanana ianao.

📖 "Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony. Hotahiana izay olona matoky an’i Jehovah dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny" - Jeremia 17 : 5-6



-----

đŸ‡«đŸ‡· 19 janvier 2026

Psaume 27 : 10
« MĂȘme si mon pĂšre et ma mĂšre viennent Ă  m’abandonner, l'Éternel m’accueillera. »

📚 David a Ă©crit ce psaume au cƓur d’une grande Ă©preuve. Au verset 2, il emploie de nombreux termes tels que : mĂ©chant, ennemi, persĂ©cuteur, et une armĂ©e.

⚔ Cela souligne l’ampleur de l’épreuve qu’il traverse.

😔 Dans des moments comme celui-ci, on a plus que jamais besoin de la famille et des proches pour se soutenir et se rĂ©conforter mutuellement. C’est particuliĂšrement vrai pour les pĂšres, considĂ©rĂ©s comme forts et puissants, capables de rĂ©soudre tous les problĂšmes đŸ’Ș. Aussi, lorsqu’ils ne parviennent pas Ă  nous aider, nous sommes profondĂ©ment déçus.

✹ La bonne nouvelle, c’est que lĂ  oĂč l’homme atteint ses limites, souvenons-nous que nous avons un PĂšre cĂ©leste 🙏 – c’est Dieu.
Il est le Tout-Puissant et a autoritĂ© sur toute chair, et rien — ni le temps ni la distance — ne peut Le limiter.

đŸ•Šïž Lorsque JĂ©hovah vous accueille, souvenez-vous que vous ĂȘtes ni rejetĂ© ni oubliĂ©. Il vous donne une identitĂ© nouvelle : celle d’enfant de Dieu. C’est-Ă -dire, vous ĂȘtes sous Sa protection, quels que soient le nombre et la force des ennemis qui se prĂ©sentent.

đŸ•Šïž Ceci s’adresse Ă  vous qui ĂȘtes confrontĂ©s Ă  une Ă©preuve ! Votre PĂšre, mĂȘme s’il vous aime, ne peut pas ĂȘtre le fondement ultime de votre confiance, car il est humain, donc limitĂ© et susceptible de vous abandonner.

Utilisez plutĂŽt cette Ă©preuve comme un moyen de vous rapprocher de JĂ©sus 🛐.

Venez et entrez dans le repos que votre PÚre vous a préparé et vous trouverez la paix.

📖 « Voici ce que dit l'Éternel: Maudit soit l'homme qui fait confiance Ă  ce qui est humain, qui prend des crĂ©atures pour appui et qui dĂ©tourne son cƓur de l'Éternel ! BĂ©ni soit l'homme qui fait confiance Ă  l'Éternel et qui place son espĂ©rance en lui! "– JĂ©rĂ©mie 17:5-6



Mme Maminirina Rakotomalala

12/01/2026

đŸ‡Č🇬‎12 Janoary 2026
‎
‎Lioka 24 : 24
‎"Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy ; nefa Izy tsy hitany."
‎
‎📚 Nitory ny vehivavy fa velona Jesosy, nefa mbola tsy noraisin'ny sasany tamin'ny finoana izany.
‎👉 Ny vaovao dia efa tonga fa ny fo mbola mihidy.
‎
‎📚 Foana ny fasana, marina ny filazan'ny vehivavy. Kanefa mbola tsy nahita an'i Jesosy izy.
‎ 👉 mitady hanamarina ny zava-misy vao hino izay voalaza.
‎
‎‎🔔🔔🔔 Ary ianao ve mankatĂČ izay ambaran'ny mpitory teny?
‎
‎📱 Manomboka anio ary :
‎ đŸ”„ Aza miandry fahitana vao mino,
‎ đŸ”„ Aza miandry porofo vao mankatĂČ,
‎ đŸ”„ Minoa dieny izao, fa ny finoana no mitondra fahitana.
‎
â€ŽâžĄïž Ny Tenin'Andriamanitra no fototry ny finoana fa tsy ny zava-misy hita.
‎📖 Romana 10 : 17
‎"Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny, ary ny toriteny kosa dia avy amin'ny tenin'i Kristy."
‎
â€ŽâžĄïž Ny fitahiana dia ho an'izay mino ny teny ambara fa tsy miandry fanamarinana.
‎📖 Lioka 1 : 45
‎"Ary sambatra hianao izay nino ; fa hefaina izay nampilazain'ny Tompo taminao."
‎Amena.

# Fanavaozana

------

đŸ‡«đŸ‡·12 janvier 2026

Luc 24 : 24
« Quelques-uns des nÎtres sont allés au tombeau et ils ont trouvé les choses comme les femmes l'avaient dit, mais lui, ils ne l'ont pas vu. »

📚 Les femmes ont tĂ©moignĂ© que JĂ©sus est vivant, mais certains n’y croyaient pas encore.
👉 La nouvelle Ă©tait dĂ©jĂ  annoncĂ©e, mais les cƓurs restaient endurcis.

📚 Le tombeau est vide, le tĂ©moignage des femmes est vrai. Cependant, JĂ©sus ne leur est pas encore apparu.

👉 Ils attendent encore des signes avant de croire pleinement.

🔔🔔🔔 Et vous, comment rĂ©agissez-vous face Ă  la Parole annoncĂ©e ?

📱 Dùs aujourd'hui :
đŸ”„ N'attendez pas une vision pour croire,
đŸ”„ N'attendez pas de preuves pour obĂ©ir,
đŸ”„ Marchez par la foi, car la foi prĂ©cĂšde la rĂ©vĂ©lation.

âžĄïž La Parole de Dieu est le fondement de la foi, et non les faits visibles.

📖 Romains 10 : 17

« Ainsi la foi vient de ce qu'on entend et ce qu'on entend vient de la parole de Dieu. »

âžĄïž Les bĂ©nĂ©dictions sont pour ceux qui croient Ă  la parole prononcĂ©e, sans attendre la justification.

📖 Luc 1 : 45
« Heureuse celle qui a cru, parce que ce qui lui a été dit de la part du Seigneur s'accomplira.»
Amen.

̀res

Mme Randrianantenaina Hanitra

29/12/2025

Tsara ny famindrampony

23/12/2025

Tsara ny manompo ny Tompo 💝🙏

19/12/2025

Toro-hevitra mahasoa anao anio


18/12/2025

Iaino ny Tsodrano đŸ™đŸŒ

17/12/2025

Anio ity


15/12/2025
10/12/2025

â†Ș MIHIRA ARAKA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA
"Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo."
Ezekiela 32:16

Teny ho anao anio 🙏💕
08/12/2025

Teny ho anao anio 🙏💕

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maraim-baovao / Fiainam-baovao VIF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share