23/06/2025
đïž
Aminâny finoana ny fitsangananâny maty no hampandrenesanay anareo fa ny havamalalanay
Pastora SAMBANY Petera Zacharie
Dia nodimandry taminâny 22 Jona 2025 rehefa nomenâAndriamanitra tombotsoa nivahiny nandritra ny 55 Taona teto an-tany.
Hoy :
Ny Vadiny : RASAMIMANANA Anjara Maminâny Aina
Ny Zanany:
- SAMBANY Minosoa Tantelinâny Aina
- SAMBANY Njaratiana Manoa
Ny iray tampo aminy:
- Pr RANALA Isaac sy Lalao Alexandrine ary ny zanaka aman-jafiny
- SAMBANY Cecile Aurélie sy ny zanaka aman-jafiny
- SAMBANY Samuel Bienvenu sy Tiana ary ny zanany
- SAMBANY Paulemont Roger sy ny zanany
- SAMBANY Enoch Olivier sy ny zanany
Ny iray tampo aminâny vadiny:
- RIVONIAINA Sabia sy Patricia ary ny zanany
- RAKOTOARINOSY Rivomalala sy Manitra ary ny zanany
- RAFALIMANANDRAIBE Fanomezantsoa Sylvain sy Andie ary ny zanany
Ny Fianakaviana manontolo
Ny Federasiona Madagasikara Afovoany
Ireo Distrika niasany rehetra
Ny Fokontany Andilanatoby
Ny Nofony dia hiala ao aminâny Foyer des jeunes ny Alarobia 25 Jona 2025 aminâny 07 Ora Maraina ary aorianâny fanompoam-pivavahana ho fampaherezana ny fianakaviana izay atao ao aminâny Fiangonana Advantista ANKOSIRANO dia aterina any Andilanatoby- Ambatondrazaka izay hiandrasany ny fiavianâny Tompo.
« Efa niady ny ady tsara aho, Nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho, hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homenâny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy aminâizay andro izay ; Ary tsy ho ahy ihany fa ho anâizay rehetra tiany fisehoany koa » 2 Tim 4 : 7,8