FJKM Ankadimbahoaka

FJKM Ankadimbahoaka Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara - Fitandremana Ankadimbahoaka - SPAA11

24/08/2026

anio Alatsinainy 24 Aogositra 2026
2, 1 - 4 « MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO »
Hira : Sambatra ny mahitsy lalana

[HD] https://youtu.be/VleNFH-8-B8

Vakiteny:
1 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: 2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy. 3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, 4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

23/08/2026

(Tohiny)

23/08/2026

Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny faha-160 taonan'ny fiangonana anio alahady 23 Aogositra 2026

23/08/2026

Finaritra. Mbola harahintsika mivantana eto ny fotoam-pivavahana fidirana faha-2 rehefa avy eo @ 10 ora sy sasany. Samia tahian’i Jesoa

23/08/2026

Fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra anio alahady 23 Aogositra 2026

22/08/2026

🙏 ANTSO HO AN’NY ZANAK’ANKADIMBAHOAKA SY IREO MPIANAKAVIN’NY FINOANA, MPIARA-MIVAVAKA 🙏
Miarahaba antsika amin’ny anaran’I Jesoa Kristy
Ho aminareo anie ny fiadanana 🕊️

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

📢 Manoratra sady miantso antsika rehetra zanak’Ankadimbahoaka sy ny mpanakavin’ny finoana mba hiditra, hisoratra anarana ao amin’ny Facebook - FJKM ANKADIMBAHOAKA, izay misy ny mofonaina isanandro, sy ny filazam-baovaon’ny Fiangonana.

📺 Raha ny fikasana dia alefa mivantana ao ny fanompoam-pivavahana rahampitso alahady 23 Aogositra 2026, fidirana indroa, amin’ny 7 ora maraina sy amin’ny 10 ora sy sasany aty Madagasikara.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

🔄 Fotoana hamerenana ny tavoahangy isan-telo volana, amin’ny rodorodom-panatsarana, hetsika hahazoana vola ho fanavaozana ny tafon-tranom-piangonana, izay tsangambaton’ny faha 160 taona ny Fiangonana.

📖 “Ary mahereza ianareo vahoaka rehetra hoy Jehovah, ka miasà, fa Izaho no momba anareo; fa ianareo no voninahitray sy fifalianay” (Hag. 2/4d - ITes.2/20)

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

🤝 Tolo-tanana hanentanana antsika ihany koa hamitana izany tafo vaovao izany.
Efa mandeha ny asa; Ezahantsika zanaky ny Fiangonana, mpianakavin’ny finoana ihany koa ny valin-tafo (plafond) sy ny varavaran-kely miampy ny fitaratra, ary ny loko ho fanadiovana farany.

🙏 Miantso antsika rehetra handray anjara, ka hifandray amin’ny Mpitandrina
📱 WhatsApp : 034 63 365 32
📘 FB : Joseph Andriamparany RATSIMANDRESY

22/08/2026

anio Sabotsy 22 Aogositra 2026
17 - 23 « MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO »
Hira : Aminao Jehovah ô

[HD] https://youtu.be/1rhmAvY7lLg

Vakiteny:
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.

21/08/2026

anio Zoma 21 Aogositra 2026
25, 14 - 30 « MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO »
Hira : Mihirà fihiram-baovao

[HD] https://youtu.be/3JUon76GrDM

Vakiteny:
14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: 15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. 16 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. 17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. 18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony. 19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany. 20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. 21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao. 22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. 23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao. 24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao; 25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. 26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; 27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. 28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. 29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. 30 Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

20/08/2026

anio Alakamisy 20 Aogositra 2026
17, 20 - 25 « MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO »
Hira : Iza no ahy any an-danitra

[HD] https://youtu.be/6Eyq0akjZ1c

19/08/2026

anio Alarobia 19 Aogositra 2026
101, 1 - 8 « MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO »
Hira : Sambatra ny olona izay tsy mandeha

[HD] https://youtu.be/nmG9kc62NdY

Vakiteny:
1 Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho. 3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany. 4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka izay ratsy aho, 5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po; 6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy. 7 Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga. 8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.

Address

III J 47 Bis, Soanierana
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ankadimbahoaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share