23/09/2025
Hahery izay miandry Ahy anaka!
Ny tena andrasako sy jereko aminao ao anatin'ny fiarahantsika miaina anaka dia ny fahatokisanao Ahy Rainao. Maro be ireo olona mitonona ho zanako, manao Amiko hoe Tompoko, Tompoko fa tsy manana fifamatoram-piainana Amiko akory, fa tena variana mikolokolo ny endrika ety ivelan'ny fiainany ihany mba hahafahan'ny olona manodidina hiteny azy hoe kristiana izy, tena fatiantoka nefa no vokatr'izany ary antony iray tsy maintsy hiresahako aminao anio. Eo amin'ny fiainanao anaka dia fantaro fa Izaho Jehovah Rainao dia mijery ny tena ao anatin'ny fonao, mpandinika ny voa, tsy misy afaka hiery Amiko na dia izay any anaty eritreritrao lalina ary, tena fantatro ianao, te hahita ilay finoana tahaka ny voantsinapy Aho, tiako sady tena fifaliako ilay ianao miaina ny fiadanako na dia ao anaty ranomasina tena misamboaravoara ary satria tena fantatrao fa tsy anao ny ady fa Ahy Rainao ilay tena tia anao. Ilay ianao misafidy ny hiandry Ahy ao anatin'ny adinao iny anie no hanandratako ny tanako hamonjy anao e, eo mantsy vao tena hitanao ny tsiron'ny fanananao Ahy ilay Ray tena mpiaro anao, momba anao, misakambina anao. Andramo ka izahao anaka fa Izaho Ilay Izy hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay no mbola miteny anao indray anio hoe miandrasa Ahy. Aoka izay ny tebiteby, ario ny tahotrao, fa efa reko ny vavakao, efa eto Aho haneho aminao ny heriko, ka elatra no hiakaranao tahaka ny voromahery, matokia Ahy anaka, ary tsarovy hatrany fa tena tiako ianao!
Isa 40:31; Mat 17:20