09/05/2026
Mijoroa ho vavolombelon’ny fitiavan’i Kristy 🙏
Afaka alefanao amin’ny hafatra miafina (MP) eto amin’ny pejy ny tantaranao :
- fihaonana tamin’i Jesosy,
- fahagagana, na
- zavatra novainy teo amin’ny fiainanao.
Na lava na fohy, zava-dehibe ny fijoroanao ho vavolombelona.
Afaka atao anonyme na tsia, araka izay safidinao, hajainay izany.
Hiezaka izahay hizara tsikelikely araka ny filaharana ireo tantara voaray.
Ary mandrapihavin'ny tantaranareo , dia hizara ihany koa ny tantaran’ny kristiana maneran-tany izahay.
🔥 Ny tantaranao mety ho fahazavana ho an’olona iray.
Aza afenina.
Zarao.