25/04/2026
🔥 Isaia 54:17
"Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah."
🧎🏻♀️Ray any An-danitra ô, Ianao no Tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an- tany. Ianao mahita ny fitaovam-piadiana na dia mbola tsy noforonina aza, ary manakana ny fanafihana na dia mbola tsy tonga amiko aza.
🗣️ Androany, miantehitra amin'ny teninao ao amin'ny Isaia 54:17 aho: "Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana ahy dia tsy hahomby, ary ny lela rehetra izay mitsangana hanohitra ahy amin'ny fitsarana dia hohelohina."
Na misy aza ny fitaovam-piadiana, dia mandà ny heriny izay nokasaina hamely ahy aho. Mamay ny afo, fa mijoro mafy amin'ny finoana aho, satria tsy handevona ahy izany.
🛡️ Ianao, Tompo ô, no momba ahy. Ianao no miady ho ahy. Ianao no ampingako, fiarovana ahy ary fandreseko. Noho izany, miteny amim-pahasahiana aho ankehitriny, manohitra ny teti-dratsin'ny fahavalo rehetra.
🔥 Aoka ho levona ny fitaovam-piadiana rehetra noforonina hamelezana ahy sy ny ankohonako! Aoka hiala ny fanahy mpampahory rehetra! Aoka haharihary ny lainga rehetra ambara any amin'ny mangingina hiampangana ahy! Aoka ho foana ny ozona rehetra sy ny teti-dratsin'ny satana rehetra.
❤️ Manonona fiadanana ho ahy aho. Mnaonona ny hery hameno ny foko. Ray ô, tsy ho an'ny tenako ihany no anambarako izany, fa ho an'ny olona rehetra izay mino izany ka miaraka manonona vavaka amiko.
Hahafantatra anie izy ireo fa efa voaaro. Hahafantatra anie izy ireo fa voafidy. Handeha amin'ny fahamarinana ao Aminao anie izy ireo ary hahafnatatra fa arovan'ny faneken'ny Tompo.
💪🏻 Manambara amin'ny finoana izahay: tsy hisy ady handrava anay.
Mivavaka sy manambara izahay amin'ny anara-maherin'i Jesosy Kristy.
Amena 🙏🏻🙏🏻
Raha miara-mivavaka amiko ianao, dia soraty hoe: "tsy ambinina ny fitaovam-piadiana noforonina hamelezana ahy".