Hivavaka ho anao

Hivavaka ho anao Ity pejy ity dia natao hizarana antom-bavaka ho an'ny tsirairay avy, ho an'ny ankohonana, ho an'ny f

10/03/2025

Mivavaha, ka aza mitsahatra
I Tes 5:17

Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olonaKolosiana 3:23 MRVTomp...
27/11/2021

Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona
Kolosiana 3:23 MRV

Tompo o, ampianaro aho mba hahay hijery anao, ho anton'ny fiainako sy izay rehetra ataoko na inona na inona izany. Amen

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy hay sitranina; iza moa no mahafantatra ny am...
23/10/2021

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy hay sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho TOMPO no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.
Jeremia 17:9‭-‬10

Mivavaka ho anao aho mba tsy ho voafitaky ny fonao ianao, fa mba hihaino ka hahatakatra ny marina dia izay lazain'Andriamanitra araka ny teniny mandrakariva.

Mirary tontolo andro feno fahalalàna ny sitrapon'Andriamanitra ho anao

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy hay sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho TOMPO no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona

20/10/2021

Asa 17: 23-28 "Koa izay ivavahanareo kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy izay eo aminy rehetra; Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona toy ny hoe mila zavatra Izy, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra ary efa notendreny ny fotoanandro sy ny faritry ny fonenany mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika."

Mivavaka ho anao aho ny mba hitomboanao hatrany amin'ny fahalalàna an'Andriamanitra tokana ilay ivavahantsika, ilay ivelomantsika sy ihetsehantsika ary anton'ny fiainantsika.

Mirary tontolo andro mitombo fahalalàna an'Andriamanitra ho anao

Jeremia 9: 22-23 "Izao no lazain’NY TOMPO: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehare...
19/10/2021

Jeremia 9: 22-23 "Izao no lazain’NY TOMPO: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, aoka ny manankarena tsy hirehareha amin’ny hareny. Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO.

Mivavaka aho mba hanaovanao ho zava-dehibe mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fahalalàna an'Andriamanitra.

Mirary tontolo andro mitombo fahalalàna an'Andriamanitra ho anao

Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatr...
18/10/2021

Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.Jaona 15:16

Mivavaka aho mba ho anisan'ilay nofidin'Andriamanitra ianao, handeha sy hamoa, ho voninahinY irery ihany, hitondra vokatra tsara ho an'ny filazantsaran'i Kristy.

Mirary herinandro vaovao feno vokatra ho an'ny Tompo ho anao.

Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na ino

Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay ni...
13/10/2021

Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
Jaona 17:3

Mivavaka aho ny mba hitomboanao amin'ny fahalalàna an'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, ilay anton'ny fiainanao.

Mirary tontolo andro mahafinaritra miaraka amin'ny Tompo ho anao

Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy* izay nirahinao.

fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: ...
12/10/2021

fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
Asan’ny Apostoly 17:28

Mivavaka aho mba ho tsapanao fa Jesosy Kristy irery ihany no antony ahavelomana.

Mirary tontolo andro feno vavaka ho anao

fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.

07/10/2021

Romana 10: 1 "Ry rahalahy, ny fanirian’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireny dia ny mba hahavoavonjy azy."

Mangataka amin'Andriamanitra aho mba hahavonjy ny fanahinao. Tsarovy toy izany ihany koa ny olona akaiky anao rehetra, ary mivavaha ho azy mba ho voavonjy ihany koa izy ireo

06/10/2021

Lioka 18: 1 "Ary nilaza fanoharana tamin’izy ireo Jesosy, ny amin’ny tokony hivavahany mandrakariva ka tsy ho reraka"

Mivavaha mba homen'Andriamanitra fahazotoana, faharetana ary fahaizana mivavaka Aminy ianao

Mirary tontolo andro feno vavaka ho anao

Address

Imerimanjaka Ambohijanaka
Antananarivo
102

Telephone

+261340801670

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hivavaka ho anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share