Teny fampaherezana_vondrombavaka

Teny fampaherezana_vondrombavaka Mahery ny Rà any jesosy

TAHIO NY VADIKOTahio ny vadiko Andriamanitra mba hazoto sy haharitraamin'ny zavatra ataony sy ny asa izay atrehiny,mba h...
15/02/2024

TAHIO NY VADIKO

Tahio ny vadiko Andriamanitra
mba hazoto sy haharitra
amin'ny zavatra ataony sy ny asa izay atrehiny,
mba hahita fahombiazana amin'ny toerana alehany.

Tahio hitombo ny finoany,
ka Ianao no hotsaroany
na sendra ady sarotra na sendra fifaliana
na tojo ny tsy telina na tojo ny iriana.

Tahio ny vadiko Jesoa
mba hanana fiadanam-po,
mba hanana fanantenana amin'ny zavatra isasarana,
hatanjaka sy ho salama, tsy ilaozam-pahasambarana...

Amen🙏🙏

Zarao ❤️
28/10/2023

Zarao ❤️

VAVAKA HO AN'NY FANDRIAMPAHALEMANARy Andriamanitra Rain’ny Famindrampo ô,Noharianao ho iray fianakaviana aminao izahay,A...
28/10/2023

VAVAKA HO AN'NY FANDRIAMPAHALEMANA

Ry Andriamanitra Rain’ny Famindrampo ô,
Noharianao ho iray fianakaviana aminao izahay,
Ary tsimbininao hatrany hiadana sy ho finaritra.
Tsy nahay namaly fitia anefa izahay indrisy,
fa nanalavitra Anao ka latsaka an-katerena.

Very fanahy mbola velona ka zoim-pahoriana,
rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina,
mijaly sy misara-bazana ny fianakaviana,
revo ao anatin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro,
ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao
mamitaka sy mandainga ary mahavatra mandatsa-dra aza.

Mitodika aminao anefa izahay Ray ô, ka mifona ary avelao heloka.
Ahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny,
antokin’ny fandriampahalemana.
Amparo ny tananay hifandray amin’ny hafa hampanjaka ny fihavanana,
Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza,
Hazavao ny fiaraha-monina misy anay hahay handray Anao, fihavanana.
Rotsahy ny tso-dranonao ny fiainanay,
omeo ny Fanahinao hiady amin’ny ratsy.

Miaraka amin’i Masina Maria,
Renin’i Jesoa sady Reninay,
Mpanjakavavin’ny fiadanana izahay,
no mitalaho izany Aminao.

Amen

💫 VAVAKA ALOHAN'NY HATORY 💫Tompo ô, misaotra Anao izahay noho ny fitiavanao sy famindram-ponao taminay ka nahatratrarana...
14/10/2023

💫 VAVAKA ALOHAN'NY HATORY 💫

Tompo ô, misaotra Anao izahay noho ny fitiavanao sy famindram-ponao taminay ka nahatratraranay ity alina ity, apetrakay eo ampelan-tananao ny torimasonay mba hatratraranay ny maraina vaovao indray misaotra Tompo ô.

Amen 🙏❤

Nangady vato tany ilakaka i Diamondra zatovolahy tambanivohitra sahirana ara-pivelomana ary nahazo saphir lehibe tsara i...
29/08/2023

Nangady vato tany ilakaka i Diamondra zatovolahy tambanivohitra sahirana ara-pivelomana ary nahazo saphir lehibe tsara izay lafony 25 000 000 Ariary t@ izany vola be tokoa.
Nividy izay rehetra tiany izy: lamaody, bicyclette vtt 3, téléphone 5,... ary nanao izay nahafalifaly ny fony: nanana sakaiza 5, manidy bar rehefa misotra,...
Tao anatin'ny iray taona lany t@ rendrarendra ny volany manontolo, tsy mba nisy zavatra nivaingana nipetraka,..

Indray andro, fotoanan'ny "grande vacance" ilay zandriny izay hendry sy tia nivavaka ary noferiny niaraka taminy raha izy hiverina hangady vato any ilakaka indray, sahirantsainy raha nahafantatra fa tsy nisy fiangonana tany nefa hafaliana tsy omby tratra hahita tany, izy rahateo koa nahay nampandrevo fatratra fa "tsy maintsy manakarena isika letsy ry zandry" hoy Diamondra zokiny, resy lahatra nahita ny filibana t@ vola nataony.

Tonga tany ilakaka ary nadeha tao @ saha iray atao hoe akaboka, adiny 2 ora mandeha tongotra avy eo ilakaka no manandrefana manamorona ny limite ny Parc National Isalo, efa niha maro ny mpihady vato tonga tany, niha sarotra ary niha lalina vao mahita saphir tsara sy lehibe, nefa nohon'ny faniriana mafy te hanakarena tapoka dia nangady t@ hery rehetra manantena fatratra.

Nisy Rangahy mahantra mifanakaiky "carrière" taminy izay tonga andro vitsivitsy talohany niaraka t@ vadiny sy ny zanany lahy tokana no nahita lalam-bato ary matetika mahazo saphir lehibe sy tsara vidy avokoa, nividy fiara izy ary nitondra mpiasa maromaro taorian'izany, matetika izy dia tandrify lalambato hatrany ary mamoaka avokoa ny "carrière" ny rehetra, lasa mpanefoefo tampoka ilay rangahy ary nahazo anarapetaka hoe Rapanarivo,...
Diamondra sy ilay zandriny kosa nanakaiky ho lany vatsy, ny tanana feno kitro, ny vatana miha reraka tsy ampy sakafo,...

Indray maraina izay, rehefa mahavita vavaka fohy toy ny fanaony, nandeha nitady voankazo tao anaty saha ilay zandriny no nahatazana alavitra ilay Rangahy "Rapanarivo" mandohalika manoloana ny lavabato lehibe izay misy lavaka bibilava maromaro manodidina azy, misy zavatra tsy hita maso iresahany ary omeny bombon, vola madinika,... ary hosorany tantely ilay vato avy eo notapahiny ny lohan'ilay akoho lahy mena ary nateteny manodidina ny lavaka bibilava ny ran'ilay akoho, ny hazo manodidina misy fatotra lamba mena mampihorokoditra,... tampoka teo nivoaka tsikelikely ireto bibilava, fa ity no tena nampivarahontsana nisy zavatra fohy kely lava volo mainty mandrakotra ny tenany nitsirika avy tao anaty lavabato ary niteny taminy hoe:"Omeko anao avokoa ny zavatra rehetra fa tokana ihany no ilaiko aminao rehefa tonga ny fotoana"

Roa volana taty aoriana, sasak'alina ny andro no nikiakiaka mafy niantso vonjy ilay rangahy sahala @ olona very saina miteny irery hoe:"Tsy foiko ho anao ny zanako lahy tokana, mitalaho re tompoko o, ataoko izay rehetra tadiavinao akoatran'ny sombiniaiko kely ity", namerimberina izany izy kotaba tsy nisy hatoriana ambarampaharain'ny andro, ary feno kaikitra biby ny vatany manontolo,...

Ny maraina raha nandeha nisasa teny @ renirano toy ny fanaony ny vadiny sy ilay zanany lahy kely no latsaka tampoka tao anaty rano ary maty tsy tadrano izy mianaka.
Nivadika ny lohan'ilay rangahy raha nandeha nandevina azy mianaka, herin'andro taty aoriana raha niverina haka ny fananany izy no nihotsaka ny carrier ary maty tao ny sasany'tamin'ireo mpiasany, ny ampitson'iny dia nisy dahalo nanafika teo ary lasany avokoa ny fananan'ilay Rangahy rehetra, nanapakevitra ny hody antanindrazany izy nanao am-paosy ny saphir 2 lehibe nefaniny mifono lamba mena tsy lasan'ny dahalo, indrisy anefa fa nivadika ilay taxi-brousse
nitondra azy ary izy irery no naratra mafy sy tapaka ny tongony roa, kilemaina, lasa adala izy taty aoriana,...

Roso aloka sy lany vatsy izy mirahalahy nandeha nody taorian'izany miaraka @ akanjo mena ny vovoka, nahia, tanampolo, tsy nahazo na inona na inona; torovana sy reraka miampy dia tongotra 2 ora teny andalana, "NISAOTRA AN'ANDRIAMANITRA FA MBOLA VELON'AINA" raha nandalo teo @ toerana nivadihan'ilay taxi-brousse no nahita zavatra mifono lamba mena ilay zandriny, saphir roa lehibe ny tao anatiny...

Na io ianao izay mamaky io koa, MISAORA AN'ANDRIAMANITRA MANDRAKARIVA @ ZAVATRA REHETRA fa ho hitanao ny Voninahiny Lehibe sy Mahagaga hirotsaka @ fiainanao.
Raha nikatona nandritra ny fotoana ela ny lanitra Anjara masoandronao, raha tsy namokatra intsony ny fiainanao, Mivavaka sy mino ary manantena manombok'izao, fa ny lanitra dia hisokatra ho anao mba handrotsaka fitahiana be dia be.
Amin'ny fomba tsy takatry ny sainao no hatongavan'ilay fitahina goavana indrindra ho avy eo amin'ny ankohonanao, fijoroana vavolombelona lehibe sy fahagagana maro handondona eo ambaravaranao! Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.

Raha Mino ianao fa mamay vavaka Andriamanitra dia soraty hoe:"MISAOTRA AN'ANDRIAMANITRA @ ZAVATRA REHETRA" ary Zarao misy anao ato @ facebook ity hafatra ity mba ho fitahiana ho an'ny hafa koa ianao!

Aza hadino ny manao J'aime ny page tsika💕💝💟🎁, mba hahazoana rojom-bavaka sy hafatra fampaherezana ary zava-mahasoa maro hatrany, tsindrio ny lien eo ambany. Hotahina anie isika rehetra...❤️

VAVAKA 🙏🙏Jesosy a, maro ny namana, sakaiza, fianakaviana tsy salama amin'izao fotoana izao 😔 Vangio izy ireo mba hahazo ...
22/08/2023

VAVAKA 🙏🙏

Jesosy a, maro ny namana, sakaiza, fianakaviana tsy salama amin'izao fotoana izao 😔 Vangio izy ireo mba hahazo fanasitranana avy Aminao 🙏
Aoka anie ny tananao mihintsy no hikitika azy, ny masonao no hijery azy, ary ny ranao no hikoriana ao aminy ka ho sitrana izy Jesosy a.
AMEN 🙏🙏

Misy amintsika efa tsy mahavavaka intsony... Mety ela niandrasana fitahiana, ela niandrasana valim-bavaka.Ry Namako, miv...
27/07/2023

Misy amintsika efa tsy mahavavaka intsony... Mety ela niandrasana fitahiana, ela niandrasana valim-bavaka.
Ry Namako, miverenà amin'ny fiainam-bavakao taloha, ary hampitomboy mihitsy aza izany, satria efa akaiky ny fitahiana.

Ity hafatra ity dia natao ho anao izay efa reraky ny mivavaka:
Ny zava-drehetra dia mila fiomanana,
Raha hiatrika examen ianao, mila miana-desona...
Raha hiatrika match ianao, mila manao entraînement...

Izay efa niomana ho amin'ny fandraisana fitahiana sy valim-bavaka ihany no handray azy fa tsy ny rehetra.
Ahoana ary ny fomba hiomanana ho amin'izany? Tsotra ny valiny, mila mivavaka ianao...
Mivavaha na dia reraka aza ianao...
Mivavaha na dia efa betsaka aza ny vavaka nataonao...
Mivavaha na dia tsy betsaka aza ny zavatra sahaninao...

Mivavahà, mivavahà, mivavahà, ary aoka tsy ho reraka amin'izany ianao.

Tsy misy zavatra gratuit izany, fa ny zava-drehetra misy sarany avokoa. Ny sarany tsy maintsy alohanao handraisanao fitahiana dia ny vavaka.

Mivavaha mandrakariva ka aza mitsahatra( 1 Tesaloniana 5:17)
Mahereza mitady Azy ao anaty Vavaka!!!

Ray ô!! Sakano aho tsy andeha amin'ny  zavatra  Tsy nomaninao ho ahy 😍 Amen
26/07/2023

Ray ô!!
Sakano aho tsy andeha amin'ny zavatra Tsy nomaninao ho ahy 😍 Amen

NY vady avy amin'i Jéhovah dia Hendry sady Mataotra an'Andrimanitra ❤❤
25/07/2023

NY vady avy amin'i Jéhovah dia Hendry sady Mataotra an'Andrimanitra ❤❤

🔥Matetika adinontsika Andriamanitra rehefa milamina ny fiainantsika...Tadidio anefa hoe ,hatraiza ny hafanam-ponao nitad...
23/06/2022

🔥Matetika adinontsika Andriamanitra rehefa milamina ny fiainantsika...

Tadidio anefa hoe ,hatraiza ny hafanam-ponao nitady sy nikatsaka azy fony ianao niatrika fanamby...
📖Fitomaniana 3:19-20-21
«Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy. Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy. Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.»
Tao anatin'ny ady izay nolalovanao ,izy no nampandresy anao ,tao anatin'ny Olana izay nolalovanao izy no nanome anao ny Vahaolana ...
Aoka tsy ho adinonao izany...
Tsarovy ireo izay nataony ho anao Manantena.
Aoka tsy hiala aminy ny fanantenanao na ao anatin'ny mafy na ao anatin'ny mora...

Tsy tokony hiovaova ny fanantenanao an'Andriamanitra...

Ray ô!Tiako loatra ny fitondranao ahyNa dia tsy azoko aza indraindray 😇😇
22/05/2022

Ray ô!
Tiako loatra ny fitondranao ahy
Na dia tsy azoko aza indraindray 😇😇

Bjr misy vavaka ampitaiko aminao Vakio hatramin'ny farany fa ahita soa ianao : « Amin’ny anaran’ny Ray, Ilay Andriamanit...
21/05/2022

Bjr misy vavaka ampitaiko aminao Vakio hatramin'ny farany fa ahita soa ianao : « Amin’ny anaran’ny Ray, Ilay Andriamanitra , be indrafo sy be fiantrana, mangataka Aminao aho, ny hitahianao mandrakariva ahy sy ny ankohonako. Fantatrao ny halehibean’ny fianakaviana mihoatra ny ray, ny reny, ny rahavavy ,ny rahalahy, ny vady, fa ireo rehetra izay mino sy manantena Anao. Ray masina indrindra ô! mangataka izao vavaka izao aho ho fitahiana , tsy ho an’izay nandefa izao hafatra izao ho ahy ihany, fa ho an’izay handefasako ity vavaka ity koa. Fantatro ny herin’ny rojom-bavaka izay ”mahery noho ny zavatra rehetra “hoan’izay mino sy manantena Anao.Misaotra Anao sahady aho Ray ô! Noho ny fitahianao. RAY ô! hafao amin’ny trosany sy izay vesatr’izany ireo olona izay mamaky izao vavaka izao. Omeo ahy ny fahendrena avy aminao ahafahako mitantana izay rehetra nomenao ahy,tsapako tokoa ny fahatsaranao sy ny herinao Ray ô! Indrindra raha manaja Anao sy mandeha araka ny sitraponao izahay, dia hanana finoana na dia kely tahaka ny voatsinampy aza, dia hampamokaranao sy handrotsahanao fitahiana sesehena. Misaotra anao aho Ray, tamin’ny fitahiana vao natolotrao, sy ny fahasovana izay mbola homenao ahy , izay fantatro fa tsy hisy fahataperana mandrakizay. Amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy Tompo. Amen » Mandraisa iray minitra, ary alefaso ho an’izay mifanerasera aminao izao vavaka izao, fa afaka ora vitsy dia nitarika olona maro hivavaka amin’Andriamanitra ianao sy hivavaka ho an’ny hafa. Makà fotoana hipetrahana ary banjino sy ankafizo ny firotsahan’ny fitahiana avy amin’Andriamanitra ho anao.Ilay tsara sy tsara anarana indrindra.Raha tia an’Andriamanitra ianao , tsy menatra Azy, ampitao izao hafatra izao ,ary hisy vavaka an’arivony hipololotra……. Hitahy anao anie ny Tompo. AMEN

Address

Ambtobe
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Teny fampaherezana_vondrombavaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Teny fampaherezana_vondrombavaka:

Share

Category