19/08/2021
NIOVA BE 1ère partie
👇👇Fiadanana o. Lava be fa vakio ihany aloha e !
😮😮 "Ary izy iny lasa mivavaka be an !
_ Angamba voadona tany ho any e ?
- Possible. Dia voasasa atidoha sy endoctriné tany dia lasa niova be... Tsy aleo ve ilay teo ihany, mba atao modéré ilay fivavahana e...
Dia izany tokoa ny manodidina rehefa mahita olona miova.
Tsy mety mandeha manao pique-nique intsony izy rehefa alahady, 🎶 📽 miova ny hira sy films jereny, miova tanteraka ny fihetsehampony manoloana olana na manoloana fifaliana. Na laniny any ampiangonana aza ny andro tsy fiasana na tsy fianarana dia tsy mampaninona azy akory. 💒
Ireo olona mitsikera azy dia malahelo azy fa hoe " tsisy fiainana mihitsy, aiza dia hiangona foana ve ?", na sorena fa hoe "efa manary fianakaviana fa tsy miaraka mikorana intsony rehefa week-end", na maneso dia hoe " hatrizay niaraka nihirahira taminay ihany koa izao hira fiderana ihany".
Dia hoy ary izy :
Eny, tena niova aho, niova tanteraka ny fijeriko ny fiainana satria aho nifanena tamin'Ilay tena tia ahy ka nambabo ahy ❤️❤️ Ilay mahay miresaka amiko, mikasika ny foko, mankahery ahy, mampifaly ahy. Ilay tia ahy loatra tsy misy fepetra, ka na ny ainy aza nafoiny mba ho avotra aho ✝ ary efa saika very aho fa navotany.
Tsy mbola nahita fitiavana toy izany aho. Jesosy no anarany.
Dia izany indrindra no tsy hahafoizako ny tranony fa te ho any foana aho, ny hankamamiako izay teneniny, ka dia mamaky ny taratasiny foana aho. Izany no antony hihainoako sy hivetsoako ny fiderana azy foana.
Ka azafady raha tsy hamonjy pique-nique na bal intsony. Tsy foiko loatra ny fotoana hiarahako amin'ilay malalako. Tsy noterena aho na nametrahana zioga, fa ny fitiavako azy no manesika ahy satria Izy tia ahy taloha 💖
Eny lasa mivavaka be aho 🙏mivavaka bebe kokoa hatrany 🛐 ho an'ireo izay mitsikera, hoatra ahy taloha e, mba hifanena amin'ilay Fitiavana koa ireo dia hiaina an'izany fiadanana ato anatiko izany.
Raha anisany ianao dia maniria an'izany Fitiavana izany, dia fantaro fa niova ho tsara aho. Raiso ho antso ho anao ny fiovako.
Raha tsy anisany ianao dia andao hifampivavaka mba samy hotehirizin'ny Tompo Jesosy 😊