Pasteur Mirado Zoé

Pasteur Mirado Zoé Ny Fahombiazako dia Jesosy miaraka amiko

Voafetra ihany ny fahazakàn'ny olona anao,Tsy voatery hoe ny olona no ratsy saina raha manao izanyFa mba manana ny adiny...
29/08/2026

Voafetra ihany ny fahazakàn'ny olona anao,

Tsy voatery hoe ny olona no ratsy saina raha manao izany
Fa mba manana ny adiny koa izy, tsy voatery hahavita izay handrasanao foana,

Fa aza manahy, fa eo Jesosy, tsy mamitaka Izy ,ary tsy miova amin'ny teniny🙏🏻

HIVAVAKA IANAO KA HIVAVAKAFa aza manantena na inona inona rehefa mbola tsy mifoha ny ara-panahyAtaovy izay ampiety ny fi...
28/08/2026

HIVAVAKA IANAO KA HIVAVAKA

Fa aza manantena na inona inona rehefa mbola tsy mifoha ny ara-panahy

Ataovy izay ampiety ny fiainana ara-panahy aloha e

⚠️ Tandremo ianao sao karazany olona voadona izay vao mifoha
⚠️ Tandremo sao miandry ady be vao hankatoa an'Andriamanitra

Tsy misy zavatra azo antenaina raha tsy efa milamina ny fiainana ara-panahy

🌟 Rehefa mazava ara-panahy ianao dia mora hitan'Andriamanitra

🌟 Rehefa mifoha ara-panahy ianao dia mora tazana

"Fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana,fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika."
Romana 13 : 11

Inona no tanjonao raha tezitra?Hanala ny fonao fotsiny ve sa?Hampianatra ilay olona mba hanitsiany zay tsy mety?Raha han...
27/08/2026

Inona no tanjonao raha tezitra?

Hanala ny fonao fotsiny ve sa?
Hampianatra ilay olona mba hanitsiany zay tsy mety?

Raha hanala ny fonao fotsiny mantsy dia mbola ho tezitra aminy ianao aorina satria tsy voarainy zay tokony atao

Fa ny tsara dia mampianatra azy,
Izany hoe : ianao no tezitra nefa mbola mahavita manangana ilay olona ianao : fahatezerana voafehy izay,

Safidy ny hoe ho tezitra

Fa mihainoa,dia mangataha fanazavana,
Fa aza mandray fanapaha-kevitra raha tsy efa mazava ilay antony 🤔

Azo atao anefa ny mampiseho hoe tezitra ianao mba hanitsiany izay tsy mety,

Kanefa aza avela handrava anao na ny fiainanao ilay fahatezerana,

Aza mandray "décision" ao anaty fahatezerana,fa mitonia aloha
"Fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra" .Jakoba 1 : 20

Izay zavatra rava anaty fahatezerana dia ianao ihany no hanarina azy avy eo mantsy, ny olona hitazam-potsiny . 😊

NY LASANAO ENY AM-BAVAN'NY OLONA , fa ny HOAVINAO EO AM-PELATANAN'ANDRIAMANITRA Mila miomana satria amin'ny fotoana mano...
26/08/2026

NY LASANAO ENY AM-BAVAN'NY OLONA , fa ny HOAVINAO EO AM-PELATANAN'ANDRIAMANITRA

Mila miomana satria amin'ny fotoana manomboka mety ny atao , dia ho atsikafon'ny olona ny lasa ratsinao rehetra na ny efa nibebahanao aza 😊

Ny fahamarinana sy ny famonjena anefa dia avy amin’Andriamanitra

Aza tia manazava loatra , aza tia manamarin-tena loatra , rehefa tsapanao fa ny famonjen'i Jesosy no hifikiranao

Rehefa Jehovah no manamarina dia tsy misy fitsarana na fanoherana avy amin’olombelona na fanahy ratsy afaka manaisotra izany.
Izy no miaro sy manome antoka ny olom‑boafidiny. 🙏

Ny tanjakao omaly tsy voatery ho tanjakao androany, ary ny tanjakao androany tsy ho tanjakao rahapitso, noho izany : AZA...
25/08/2026

Ny tanjakao omaly tsy voatery ho tanjakao androany, ary ny tanjakao androany tsy ho tanjakao rahapitso, noho izany : AZA MIREHAREHA NY AMIN'IZAY EFA VITA

Na tsara aza ianao voafetra ny herinao 😢

🪖 Ny miaramila an'ny Tompo
👉🏻 tsy mandà baiko
👉🏻 tsy miamboho adidy
👉🏻 Tsy be fialan-tsiny

Satana tsy mety afa-po mba ampiverin-dalana anao, manara-maso anao izy, na fietsem-po kely tsy voahevitra na inona na inona...

Misy zavatra tsy vitan'ny fisainana maha olombelona fa ny fijoronao hanaiky an'i Jesosy no handamin-javatra be dia be 🙏🏻

🚨AZA MORA TAIRIN'NY DEVOLY🚨Mila mifantoka raha te hahita ny fiasan'AndriamanitraRaha vao mikorotana ny toe-ponao dia miv...
24/08/2026

🚨AZA MORA TAIRIN'NY DEVOLY🚨

Mila mifantoka raha te hahita ny fiasan'Andriamanitra

Raha vao mikorotana ny toe-ponao dia mivily ny fihainoanao an'Andriamanitra

Rehefa misy ady: miatombena tsara

21/08/2026

Amin'ny fotoana ianao manapa-kevitra hivavaka, dia maintsy misy foana ny fanambaniana ,fanoherana, fanenjehana ataon'ny olona anao.....

Inona ary no tokony atao ? 👇🏻👇🏻👇🏻

⚠️ Raha ny nofo no mijery dia ohatrany hoe tsy misy tombony mihitsy inty malemy fanahy inty🤦🏻‍♀️Mialoha ny fanosoran'And...
21/08/2026

⚠️ Raha ny nofo no mijery dia ohatrany hoe tsy misy tombony mihitsy inty malemy fanahy inty🤦🏻‍♀️

Mialoha ny fanosoran'Andriamanitra anefa dia misy aloha ny fanosoram-potaka 🥃
Fa tsy maintsy mandresy @ voninahitra

Araka ny voasoratra :
" raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa." Romana 8 : 17

Oui , marina hoe Andriamanitra dia fitiavana,

Anefa:
🙏🏻 Arakarakiny handrosonao ara-panahy, dia mitombo ny fahasaropiaroNy aminao
🙏🏻 Arakarakiny hitombonao ara-panahy dia mitombo ny zavatra handrasaNy aminao

Maharitra manoloana ny fahalemen'ny hafa ny atao hoe fahalemem-panahy...

Dia ahoana, manaiky ve ianao sa tsia ?

Tadidio fa izay tsy mandroso dia naman'ny mihemotra

Aza avela simbaina @ alalan'ny "tsy faharetana " ny fitahiana

Manàna faharetana manoloana ny olona mihezaka miova eo anoloanao....
Fantaro koa na izany aza hoe iza no mbola mila hiaretana, iza no efa mila esorina ? 🫢
...ny fahafenon'ny Fanahy Masina anie hanampy anao ho amin'izany🙏🏻

"..mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana" Efesiana 4 :1 - 2

Misy tantara ratsy mifarana rehefa miova ho tsara ny toetranaoTadidio fa aleon'i Jesosy  manangana ny maty noho ny hoe m...
20/08/2026

Misy tantara ratsy mifarana rehefa miova ho tsara ny toetranao

Tadidio fa aleon'i Jesosy manangana ny maty noho ny hoe manova olona misafidy ny andeha amin'ny lalan-diso
Satria Izy tsy hanery , fa manome safidy anao foana

📖 "..fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana " Deoteronomia 30 : 19

➡️ Fa raha tena ny LANITRA NO TANJONA dia tsy manana safidy afatsy ny madio fo sy ny mamela heloka ary ny famasinan-tena isika ee

❌Tsy afaka hanana ho avy tsara vokatry ny safidy diso izany

❌ FANENENANA no ambadikiny safidy diso vokatry ny tsy fankatoavana

19/08/2026

Misy fotoana ve ianao manontany hoe mety anao ahoana ny ho avinao ?
Mety anao ahoana ny ampitsonao ?

Address

Mahamasina
Antananarivo

Telephone

+261347914665

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pasteur Mirado Zoé posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category