Famille Bénie

Famille Bénie Minoa an'i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. Asan'ny Apostoly 16:31

HO LOKO IRAY, HO FO IRAYNa avy aiza isika, na inona no lokon’ny hoditsika, na inona ny tenim-pirenenay, iray isika ao am...
05/09/2025

HO LOKO IRAY, HO FO IRAY

Na avy aiza isika, na inona no lokon’ny hoditsika, na inona ny tenim-pirenenay, iray isika ao amin’i Kristy.

- Efesiana 4:3-4 « mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana. 4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, »

Hafatra:
- Tsy ny fiaviana, fa ny fahavononana hiara-hanompo no maha-zava-dehibe.
- Tsy ny loko, fa ny fo mitovy tia an’i Jesosy no itambarantsika.
- Tsy ny fiteny, fa ny feon’ny fiderana iray mitambatra no iombonantsika.

Fampihatra:
- Andeha isika hiray fo, hiray tanjona.
- Ho tanora manangana fiangonana tsy misy elanelana, fa feno fitiavana.
- Ho vavolombelona velona amin’izao tontolo izao fa azo atao ny firaisana ao amin’ny fahasamihafana.

Ho loko iray, ho fo iray. Iray isika, ao amin’i Kristy!

Ry Tanora Modely Assemblée de Dieu - Madagascar,Manoratra anareo am-pitiavana izahay,Mifangaro ny fihetsehampo ato anati...
25/08/2025

Ry Tanora Modely Assemblée de Dieu - Madagascar,

Manoratra anareo am-pitiavana izahay,

Mifangaro ny fihetsehampo ato anatinay, fifaliana bé kanefa ihany koa alahelo sy fahatsiarovana bé ny fotoana mamy rehetra niarahantsika,

🚩Raha notendrena hitarika ny Tanora izahay tamin'ny taona 2021, dia nametraka vina sy tanjona ho tratrarina mazava ny Tompo,

1️⃣Vita tokoa ny Iraka nampanaovin'ny Tompo anay ny hanangana RAFITRA NASIONALY tamin'ireo Faritra rehetra eto Madagasikara,
Ny Faritra Alaotra sy Analanjirofo ary Ambatosoa no tsy tratra tao anatin'izay fem-potoana fohy nanananay,

2️⃣Tanteraka ny Lasy Nasionaly tamin'ireo toerana mbola tsy nisian'izany tao anatin'ny 55taona: Morondava, Toliara,...

3️⃣Tsy nihen-danja fa vao mainka namafisina ny fitoriana filazantsara, ny batisan'ny Fanahy Masina ary ireo Fampianarana Fampiorenana nandritr'izay fotoana niasana izay

4️⃣Mpampianatra avy amin'ny firenena samihafa no nifandimby nizara sy nampianatra ny Tanora (Frantsay, Romaniana, Amerikana)
Fisokafana tena nanatsara ny Fifandraisan'ny Fiangonana tamin'ny iraisam-pirenena izany

🚩Koa satria vita ny Iraka nampanaovin'ny Tompo anay,
Ary samy hifantoka bebe kokoa amin'ny Iraka Manokana hitondran'ny Tompo anay avy izahay dia manao veloma vetivety anareo,
🙏Tsy manalavitra anareo izahay akory fa mifanohana sy mifampitondra ambavaka ary hifampahery aminareo hatrany🙏

🙏 Mankasitraka ny pasteurs rehetra, ny Ray aman-dreny rehetra, ianareo Tanora nametraka fitokisana taminay,
Hitahy anareo hatrany anie ny Tompo Jesosy

❤️Tianay be ianareo, mivavaka izahay mba handroso hatrany ny Tanora Modely,
Pasteur Razanamaholy Amy
Pasteur Rado Rakotomalala
Zoky Antrasoa Tolojanahary Razafimahefa

🙏Hoan'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra Mandrakizay, Mandrakizay


AFON-DASY
14/08/2025

AFON-DASY



COLOR RUN 2 eme partie   📸 Toky Fanahy TF
14/08/2025

COLOR RUN
2 eme partie




📸 Toky Fanahy TF

🎊 CARNAVAL LEHIBE ( COLOR RUN) narahana fitoriana ny filazantsara no nentina namarana ny  LASY NASIONALY TANORA MODELY 2...
14/08/2025

🎊 CARNAVAL LEHIBE ( COLOR RUN) narahana fitoriana ny filazantsara no nentina namarana ny LASY NASIONALY TANORA MODELY 2025🎊

❤️VOASOLOTENA avokoa ny Tanora:
- SAMBAVA
- MORAMANGA
- BRICKAVILLE
- VATOMANDRY
- ANTSIRABE
- ANTANANARIVO
- AMBATONDRAZAKA
- TOAMASINA

❤️IMissionaire sy pasteur avy ao @ nosy La Reunion:
🇷🇪Grace & Brigitte Luciano
🇫🇷 Pasteur Daniel & Marie Jeanne Techer

❤️Ireo Pasteurs malagasy rehetra🇲🇬 nanatrika:
-Antananarivo
-Ambatondrazaka
-Toamasina

🙏Fisaorana manokana no atolotra:
✅Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Antenne CJST TAMATAVE
✅ Ny Tale mpitantana an’ny MIAMI TAMATAVE
✅Ny orinasa Okalou tamin'ny Loko nentina nanao CARNAVAL TAMATAVE HOAN'I KRISTY
✅ Ny DGR faritra Atsinanana Pasteur Gervais
✅Fikambanana Zanaka Pasteur Tamatave
✅Tanora Modely Faritra Atsinanana tarihin'i Pasteur Voafidy Randriamalala
✅Ireo Mpiaramiasa rehetra: Accueil, Mpanao décoration, Mpidera , Mpitendry, Teknisiana, Mpahandro sakafo, Mpaka sary, sy ireo mpikarakara rehetra ary ireo mpitondra am-bavaka

🙏Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra🙏

📸 Toky Fanahy TF




Andro faha 6Fotoana natokan’ny tanora niombonam-bavaka   📸 Toky Fanahy TF
11/08/2025

Andro faha 6
Fotoana natokan’ny tanora niombonam-bavaka





📸 Toky Fanahy TF

Address

ANTANANARIVO
Ivato
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Famille Bénie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Famille Bénie:

Share