12/04/2026
MPANDRESY NY TOMPO JESOA
MPANDRESY ISIKA
__________________________________
Izao tontolo izao dia feno ady, fahoriana, fahotana, fahakiviana... ka mahatsiaro resy amin'ny fiainana ny olombelona indraindray.
Ankehitriny anefa Ny Soratra Masina dia mampahatsiahy antsika indray fa MPANDRESY ISIKA, ary ny FINOANA, irery ihany, an'I Jesoa Zanak'Andriamanitra no antok'izany fandresena izany.💌
✅️ 1/ Ny Zanak'Andriamanitra no mpandresy
Jesoa Kristy no Zanak'Andriamanitra Velona
Isika koa dia zanany amin'ny finoana an'I Jesoa Kristy
✝️JAO 1,12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany
✝️ II Kor 5 : 17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo
💟=> Araka izany, mijoroa ry havana fa mpandresy isika manoloana ratsy sy herin'ny maizina rehetra eo amin'ny fiainanao; noho ny hery sy fiarovana avy amin'Andriamanitra.
✅️ 2/ Ny FINOANA no entitsika mandresy
✝️Romana 8:37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
✝️Lioka 17:6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
✝️Matio 14:28-33
[28] Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho. [29] Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. [30] Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! [31] Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? [32] Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. [33] Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.
💟=> Aza miantehatra @ hery, vola, harena, ...aza miherikerika ... fa Jesoa Kristy banjinina sy hitokiana manoloana ny toe javatra rehetra misy eo amin'ny fiainanao. Andriamanitra no hiady fa isika kosa hangina. Na inona olana, ady sarotra, fakam-panahy maro isankarazany, ny antoky ny famonjena ahy sy ianao dia ny FINOANA.
KELY FINOANA VE IANAO ??
✨️ Mivavaha ka aza mitsahatra, amin'ny fotoana rehetra, toerana rehetra...
✨️ Mamakia Soratra Masina, mihoatra noho ny fijerenao io findainao io, na malahelo na faly, na andro na alina...
✨️ Mihainoa toriteny, mianara Ny Tenin’Andriamanitra
KRISTIANA mijoroa, aza kivy, matokia an'Andriamanitra, aoreno ny finoanao, minoa an'I Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
✅️3/ Ny Mino an'I Jesoa Kristy no tena mpandresy
Izy ilay nandresy ny fahafatesana, ny ota, ny devoly -> Jesoa Kristy Tompo no manome antsika Ilay Heriny handresentsika ny devoly sy ny asan'ny maizina rehetra
✝️1 Korintiana 15:17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;
Ataovy ivon'ny fiainanao manontolo Jesoa ry havana, na inona na inona zava mosy amin'ny fiainanao. Aza atao fahazarana fotsiny, na fombafomba ny mivavaka.
Ao amin'Ny Tompo ny fandresena marina ho an'ny mpino.
Raiso Izy, avelao hanjaka amin'ny fiainanao.
Fiadanana anie ho aminao.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany🙏🏻🙏🏻🙏🏻