FJKM Ambohimiadana Fanilo Ofisialy

FJKM Ambohimiadana Fanilo Ofisialy Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Antananarivo Atsimo
Fitandremana Ambohimiadana Fanilo

"Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo."— Asan'ny Apostoly 1 : 8Mirary Pentekosta feno ny ...
24/05/2026

"Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo."
— Asan'ny Apostoly 1 : 8

Mirary Pentekosta feno ny Fanahy Masina ho antsika rehetra ♥️

Fandraisan-tanana an'izy mivady ho Diakona mpiara-miasa eto amin'ny FJKM Ambohimiadana Fanilo Ofisialy.Mahefà be amin'ny...
03/05/2026

Fandraisan-tanana an'izy mivady ho Diakona mpiara-miasa eto amin'ny FJKM Ambohimiadana Fanilo Ofisialy.

Mahefà be amin'ny asan'ny Tompo 🙏

"Indro ny mpanompoko, izay nofidiko, ny malalako izay sitraky ny foko indrindra; apetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hito...
03/05/2026

"Indro ny mpanompoko, izay nofidiko, ny malalako izay sitraky ny foko indrindra; apetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa izy." Matio 12 : 18

Fanompoan-pivavahana ho fisaorana an' Andriamanitra noho ny jobily sy tsingerin-taona maha mpandray fanasan'ny Tompo ❤️

MPANDRESY NY TOMPO JESOAMPANDRESY ISIKA __________________________________Izao tontolo izao dia feno ady, fahoriana, fah...
12/04/2026

MPANDRESY NY TOMPO JESOA
MPANDRESY ISIKA
__________________________________

Izao tontolo izao dia feno ady, fahoriana, fahotana, fahakiviana... ka mahatsiaro resy amin'ny fiainana ny olombelona indraindray.

Ankehitriny anefa Ny Soratra Masina dia mampahatsiahy antsika indray fa MPANDRESY ISIKA, ary ny FINOANA, irery ihany, an'I Jesoa Zanak'Andriamanitra no antok'izany fandresena izany.💌

✅️ 1/ Ny Zanak'Andriamanitra no mpandresy
Jesoa Kristy no Zanak'Andriamanitra Velona
Isika koa dia zanany amin'ny finoana an'I Jesoa Kristy
✝️JAO 1,12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany
✝️ II Kor 5 : 17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo

💟=> Araka izany, mijoroa ry havana fa mpandresy isika manoloana ratsy sy herin'ny maizina rehetra eo amin'ny fiainanao; noho ny hery sy fiarovana avy amin'Andriamanitra.

✅️ 2/ Ny FINOANA no entitsika mandresy

✝️Romana 8:37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.

✝️Lioka 17:6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.

✝️Matio 14:28-33
[28] Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho. [29] Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. [30] Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! [31] Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? [32] Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. [33] Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.

💟=> Aza miantehatra @ hery, vola, harena, ...aza miherikerika ... fa Jesoa Kristy banjinina sy hitokiana manoloana ny toe javatra rehetra misy eo amin'ny fiainanao. Andriamanitra no hiady fa isika kosa hangina. Na inona olana, ady sarotra, fakam-panahy maro isankarazany, ny antoky ny famonjena ahy sy ianao dia ny FINOANA.

KELY FINOANA VE IANAO ??
✨️ Mivavaha ka aza mitsahatra, amin'ny fotoana rehetra, toerana rehetra...
✨️ Mamakia Soratra Masina, mihoatra noho ny fijerenao io findainao io, na malahelo na faly, na andro na alina...
✨️ Mihainoa toriteny, mianara Ny Tenin’Andriamanitra

KRISTIANA mijoroa, aza kivy, matokia an'Andriamanitra, aoreno ny finoanao, minoa an'I Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.

✅️3/ Ny Mino an'I Jesoa Kristy no tena mpandresy
Izy ilay nandresy ny fahafatesana, ny ota, ny devoly -> Jesoa Kristy Tompo no manome antsika Ilay Heriny handresentsika ny devoly sy ny asan'ny maizina rehetra
✝️1 Korintiana 15:17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;

Ataovy ivon'ny fiainanao manontolo Jesoa ry havana, na inona na inona zava mosy amin'ny fiainanao. Aza atao fahazarana fotsiny, na fombafomba ny mivavaka.
Ao amin'Ny Tompo ny fandresena marina ho an'ny mpino.
Raiso Izy, avelao hanjaka amin'ny fiainanao.

Fiadanana anie ho aminao.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany🙏🏻🙏🏻🙏🏻

08/04/2026
"Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany" — Ohabolana 3 : 27Asa sosialy  FJKM A...
05/04/2026

"Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany" — Ohabolana 3 : 27

Asa sosialy FJKM Ambohimiadana Fanilo
Fanomezana sakafo ireo sahirana manodidina ny fiangonana ❤️

Fa mpandresy isika satria mpandresy i Kristy. Fiadanana ho anao sy ny ankohonanao amin'izao P***a 2026 izao.
05/04/2026

Fa mpandresy isika satria mpandresy i Kristy. Fiadanana ho anao sy ny ankohonanao amin'izao P***a 2026 izao.

🍁🍁FETIN'NY TARANAKA SY NY FIANAKAVIANA 2024- Alahady 27 Oktobra 2024,Ny fanompoampivavahana dia anomboka @08 ora maraina...
23/10/2024

🍁🍁FETIN'NY TARANAKA SY NY FIANAKAVIANA 2024- Alahady 27 Oktobra 2024,Ny fanompoampivavahana dia anomboka @08 ora maraina: *Hisy ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo.*Hisy ny fiantsoana sy ny fanolorana certificat ho an'ny isan-taranaka sy ny fianakaviana.*Hisy ny fiaraha-misakafo,samia mitindra fitaovam-pihinana."Fa ianareo kosa dia taranaka viafidy,fanjakam-pisirona,firenena masina,olona nalain'ATRA ho an'ny tenany.I Petera 2:9🍁🍁

🍁🍁VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA - Ao @ FJKM AMBOHIMIADANA FANILO iarahana @ SAMPANA SEKOLY ALAHADY. Sabotsy zao,  09 Martsa ...
06/03/2024

🍁🍁VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA - Ao @ FJKM AMBOHIMIADANA FANILO iarahana @ SAMPANA SEKOLY ALAHADY. Sabotsy zao, 09 Martsa 2024 manomboka @09 ora maraina – 03 ora tolak’andro. "Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy."»EZRA 8:23🍁🍁«Mamaly vavaka Andriamanitra »🍁🍁

🍁🍁MARAIM-BAOVAO, aza adino ny fotoam-bavaka isaky ny Talata ary Alakamisy @06 ora maraina – 06 ora sy sasany. Hametrahan...
29/02/2024

🍁🍁MARAIM-BAOVAO, aza adino ny fotoam-bavaka isaky ny Talata ary Alakamisy @06 ora maraina – 06 ora sy sasany. Hametrahantsika ny fiainantsika eo ampelatanan'ny Tompo.🍁🍁

Mirary Pentekosta sambatra ho antsika rehetra.Ho feno soa sy fifaliana hatrany anie ny fiainantsika tsirairay avy.
05/06/2022

Mirary Pentekosta sambatra ho antsika rehetra.
Ho feno soa sy fifaliana hatrany anie ny fiainantsika tsirairay avy.

Address

Ambohimiadana Ampitatafika
Antananarivo
TANA102

Opening Hours

06:00 - 18:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ambohimiadana Fanilo Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share