Setela Teolojia ho an'ny Laika

Setela Teolojia ho an'ny Laika Fianarana Teolojia: Mianatra, Mitombo, Mizara

"Inty aho, iraho aho." (Isaia 6:8)🎉 30 TAONA NANAOVANA NY ASA FANOMPOANA! 🙌Ny Mpitandrina ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo miv...
02/07/2026

"Inty aho, iraho aho." (Isaia 6:8)
🎉 30 TAONA NANAOVANA NY ASA FANOMPOANA! 🙌
Ny Mpitandrina ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo mivady, Tale
TPM Ambatonakanga

✨ Ny Komity fankalazana faha 30 taona dia manasa antsika hanatrika ny fotoana lehibe hanehoana fankasitrahana an'Andriamanitra noho ny fahasoavany sy ny fitarihany nandritra izay taona maro izay.

📅 Alakamisy 23 Jolay 2026
🕤 Amin'ny 9:30 maraina
📍 FJKM Amparibe Famonjena

Andao hiara-hankalaza an'Andriamanitra noho izany fotoan-dehibe izany amin'ny alalan'ny:
🙏 Fiombonana @ fiaraha-mivavaka
📖 Fanehoana ny maha iray antsika ao @ Jesoa.
❤️ Fanohanana amin'ny fitiavana.

"Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo." (1 Korintiana 15:58)






Salama daholo e. Izay vonona hanao komity Foibe dia manatona an'i Mme Aina amin'ny taratasy fanolorana na maka any @ fit...
13/03/2026

Salama daholo e. Izay vonona hanao komity Foibe dia manatona an'i Mme Aina amin'ny taratasy fanolorana na maka any @ fitandremana misy azy tsirairay. Ny anarana aloha no omena @ alatsinainy 15 martsa 2026 fara fahatarany aterina ao .

🌪️ FANENTANANA FANAMPIANA – TAMATAVE 🤝Noho ny fandalovan’ny cyclone Genazi, dia maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika...
18/02/2026

🌪️ FANENTANANA FANAMPIANA – TAMATAVE 🤝
Noho ny fandalovan’ny cyclone Genazi, dia maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao Toamasina no miatrika fahavoazana sy fahasahiranana indrindra koa ny fahasimban'ny trano fiangonana sy sekoly FJKM.

Ankehitriny no fotoana hanehoantsika SETELA fitiavana sy firaisankina amin'izy ireo araka ny Soratra Masina hoe:
📖 “Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.” (Galatiana 6:2)

👉Koa Mila: VOLA
🥖 Sakafo
💧 Rano fisotro
👕 Fitafiana
🛏️ Lamba sy kojakoja ilaina andavanandro
💊 Fanafody fototra

Na kely aza ny fanomezana omenao dia manan-danja lehibe ho an’ireo tra-boina.
📍 Raisina eto: TPM Ambatonakanga 2eme Etage (Mme Ny Aina)
📞Mvola : 03496 704 94 (Lovaniaina - raison: Tamatave)
🤲 Andao hiara-hitsangana ho an’i Tamatave!
Andao hifanentana! Zarazarao ity hafatra ity .

☎️FIFANDRAISANA NA FILAN-KEVITRA : + 261 3401 040 57

08/02/2026

Mes publications ont obtenu plus de 500 réactions la semaine dernière. Merci à tout le monde pour votre soutien ! 🎉

Mention spéciale à mes nouveaux fans montants ! Hanitra Rakoto
16/01/2026

Mention spéciale à mes nouveaux fans montants ! Hanitra Rakoto

⛪HERINANDRON'NY FIANAKAVIANA 09-14 FEBROARY 2026! Efa mivoaka ny perikopa,sy ny 📖 boky Fampianarana sy Toriteny vokarin'...
16/01/2026

⛪HERINANDRON'NY FIANAKAVIANA 09-14 FEBROARY 2026!
Efa mivoaka ny perikopa,sy ny 📖 boky Fampianarana sy Toriteny vokarin'ny Komitin'ny Fiainam-pianakaviana FJKM izay misy ny teny fanoloran'ny Filohan'ny FJKM dia Azonao jifaina mandritra ny fihaonambe eny @ Coliseum ny 18 Janoary 2026 @ vidiny tsy miova 5000Ariary.

💡 Ao @ FFP Foibe FJKM rihana faha 5, Librairie Antso ary ao @ acceuil RDC Foibe FJKM kosa ny andavanandro.

✅ Ho an'ireo Fitandremana na Synodamparitany ivelan'Antananarivo dia afaka manao commande mitambatra ka🚖🚖 aterinay maimaimpoana eny @ Taxi brousse. Afaka aloa Mvola ☎️ 03417 260 01 (Lova) na Airtel money 03305 011 00 (Ranaivo Lova) ka ampiarahinay aminy ny Rosia.
---------- +++++++++++--------
Perikopa herinandron'ny fianakaviana
⛪FIANAKAVIANA MIAINA SY MIORINA AMIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA
➡️Alatsinainy 9 Febroary 2026
"Fanorenana ny ankohonana: Asan'Andriamanitra"
Gen 2.18-25, Mar 10 1-12, Efe 5 22-33
➡️Talata 10 Febroary 2026
"Ankohonana ampiombonin'ny Soratra Masina"
Gen 45.1-11, Lio 2.39-53, IITim 1.1-5
➡️Alarobia 11 Febroary 2026
"Tanora manorina ny ho aviny amin'ny Soratra Masina"
Mpitt 11.9 -12,8 Jao 15.1-8, ITim 4.11-16
➡️Alakamisy 12 Febroary 2026
"Soratra Masina mitaiza ny ankohonana sy mampianatra mitaiza"
Sal 119.97-104, Lio 15.11-32, Kol 3.16-4,1
➡️Zoma 13 Febroary 2026
"Ny asan'Andriamanitra sy ny asa fiveloman'ny ankohonana"
Gen 2.1-15, Mat 6.25-34, IITes 3.6-18
➡️Sabotsy 14 Febroary 2026
"Mpivady mifampizara fitiavana"
TonSol 1.1-4, Jao 15.9-16, IKor 7.1-5

📢Fanazavana na hanao commande:
☎️ 03417 260 01 / 0330501100 (WhatsApp)

📣 SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA (SE.TE.LA) FJKM 📖 FIDIRANA 2026 “Mba tsy ho zaza intsony isika, ka hahilangilana sy a...
05/01/2026

📣 SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA (SE.TE.LA) FJKM 📖 FIDIRANA 2026

“Mba tsy ho zaza intsony isika, ka hahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra.”
Efesiana 4:14

👉 Mpandray ve ianao?
👉 Vita confirmation?
👉 Manana ny marim-pahaizana Baccalauréat?
👉 Tanora sa olon-dehibe? Tompon’andraikitra anivon’ny Fiangonana na sampana?
👉 Vonona hitombo sy hivelatra amin’ny maha-kristiana?
👉 Maniry handalina ny Soratra Masina na miomana amin’ny fifaninanana ho Mpitandrina?

✨ Ho anao ity!
Ny SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA (SE.TE.LA) – FJKM dia manolotra fampianarana fototra momba ny Teolojia, ahitana ireto taranja manaraka ireto:

📚 DOGMATIKA – Fampianaram-pinoana
📖 BIBLIKA – Fianarana Soratra Masina
🛠️ PRATIKA – Toriteny sy fitantanana ny fiainam-piangonana
⛪ TANTARA – Tantaran’ny Fiangonana Kristiana sy fivavahana hafa
🌍 REM – Fitoriana ny Filazantsara
➕ ary fiofanana maro hafa toy ny Tafika Masina,HEBREO SY GRIKA

📝 Fisoratana anarana:
🕖 Isan’andro 7ora – 11ora, afa-tsy ny Zoma
📆 Mandritra ny volana Janoary 2026

📅 Andro hianarana isafidianana: Sabotsy na Alatsinainy
📍 Toerana: TOERAM-PANOMANANA MPITANDRINA AMBATONAKANGA
👥 Fihaonana voalohany: Sabotsy 31 Janoary 2026 amin’ny 8ora

📞 Fifandraisana:
034 01 365 98 – 033 12 026 98

✨ Tongava, misorata anarana, ary mitomboa amin’ny finoana sy fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra!
👉 Mirosoa lanina amin’ny fahalalàna ny Tenin’Andriamanitra.

Address

Faculté De Théologie Ambatanokanga
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Setela Teolojia ho an'ny Laika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share