Mosquée d'Antananarivo - 67 Ha Centre Ouest

Mosquée d'Antananarivo - 67 Ha Centre Ouest Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mosquée d'Antananarivo - 67 Ha Centre Ouest, Religious organisation, 67 HA CENTRE OUEST, Antananarivo.

SWALAT EID SY KHOUTA tao amin’ny mosquée 67ha ANTANANARIVO. EID MOUBARAK ATSIKA JIABY.
21/04/2023

SWALAT EID SY KHOUTA tao amin’ny mosquée 67ha ANTANANARIVO.

EID MOUBARAK ATSIKA JIABY.

EID EL-FITRI 2023 / 1444 H :Ry mpino hajaina!! Androany dia 29 RAMADAN. Araky ny fomba fampianaran’ny finoana ISLAM dia ...
20/04/2023

EID EL-FITRI 2023 / 1444 H :

Ry mpino hajaina!! Androany dia 29 RAMADAN. Araky ny fomba fampianaran’ny finoana ISLAM dia mijery volana ny mpino silamo rehetra maneran-tany androany hariva, ka :

1-Raha misy mahita volana eto Madagasikara na any ivelany, indrindra ny ao ARABIE SAOUDITE dia miroso amin’ny Eid isika rahampitso zoma 21 Avril 2023.

2-Raha tsy misy mahita kosa ny eto an-toerana sy ny manodidina ary ny any ivelany, dia mameno isa 30 RAMADAN isika rahampitso ary amin’ny Asabotsy 22 Avril no Eid Al-Fitri.

Noho izany : iangavina isika rehetra eto an-toerana , indridra ireo olona mipetraka any amin’ny faritra manakaiky ranomasina mba hiomana dieny izao hijery ny tsinambolana amin’ny hariva manomboka amin’ny 17h30 ka hatramin’ny 18h00.

Raha misy mahita dia aoka hifampilaza haingana mba hahenoan’ny olona ny vaovao, ary aoka ihany koa samy hifampihaino ny rehetra.

Zaraozarao hahazoan’ny hafa tombony.

09 RAMADAN – 31 MARS :Tatitra azo avy amin’i SAHLI IBN SAAD, niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :عن سهل بن سعد أنَّ ال...
31/03/2023

09 RAMADAN – 31 MARS :

Tatitra azo avy amin’i SAHLI IBN SAAD, niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

عن سهل بن سعد أنَّ النَّبي ﷺ قال: "إِنَّ لِلْجَنَّةِ بَابًا يُقَالُ لَهُ: الرَّيَّانُ. يُقَالُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ: أَيْنَ الصَّائِمُوْنَ؟ فَإِذَا دَخَلَ آخِرُهُمْ أُغْلِقَ ذَلِكَ الْبَابُ". رواه البخاري ومسلم

"Ao amin'ny Paradisa dia misy varavarana iray antsoina hoe : AR RAYAN. Hisy feo miantso mafy amin'ny andro farany manao hoe : "AIZA IREO MPIFEHY VAVA? Rehefa tafiditra ny olona farany amin'ireo mpifehy dia mihidy avy hatrany ilay varavarana".

REF : BOKY BOUKHARIOU SY MOUSLIM.

ALAROBIA 07 RAMADAN :Hadith notaterin'i ABDOULLAHI IBN OUMAR IBN AL KHATWAB (R.A), Niteny i Mpaminany manao hoe :عَنْ أَ...
29/03/2023

ALAROBIA 07 RAMADAN :

Hadith notaterin'i ABDOULLAHI IBN OUMAR IBN AL KHATWAB (R.A), Niteny i Mpaminany manao hoe :

عَنْ أَبِيْ عَبْدِ الرَّحْمَنِ عَبْدِ اللهِ بْنِ عُمَرَ بْنِ الْخَطَّابِ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: سَمِعْتُ رَسُوْلَ اللهِ ﷺ يَقُوْلُ: بُنِيَ الْإِسْلاَمُ عَلَى خَمْسٍ: "شَهَادَةِ أَنْ لاَ إِلَهَ إِلاَّ اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُوْلُ اللهِ وَإِقَامِ الصَّلاَةِ وَإِيْتَاءِ الزَّكَاةِ وَحَجُّ الْبَيْتِ وَصَوْمُ رَمَضَانَ". رواه البخاري ومسلم.

Nitsangana ny finoana Islam tamin'ny zavatra dimy :

1-Ny fijorona vavolombelona fa tsy misy tompo azo tompoina afa tsy i Allah irery ihany ary i Mouhammad (S.A.W) no Irany.

2-Ny fanagananao Swalat (in-5 isanandro).

3-Ny famoahana ilay fanadiovan-karena na ny Zakat.

4-Ny fanaovana fivahiniana masina any Makkat (Hadj).

5-Ny fifehezana amin'ny volana RAMADAN".

REF : BOKY BOUKHARI SY MOUSLIM.

HAFATRA : Ny fifehezana dia mamolavola ny mpino Islam mba hatahotra an’i Allah. Efa voalaza mazava tsara izany tanjona l...
27/03/2023

HAFATRA :

Ny fifehezana dia mamolavola ny mpino Islam mba hatahotra an’i Allah. Efa voalaza mazava tsara izany tanjona lehibe izany ao amin’ilay andininy masina mandidy atsika amin’ny fifehezana manao hoe :

قال تعالى: "يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُواْ كُتِبَ عَلَيْكُمُ الصِّيَامُ كَمَا كُتِبَ عَلَى الَّذِينَ مِن قَبْلِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ". البقرة: 183

«O Ianareo mpino! Voadidy aminareo ny fifehezana tahaky ny nandidiana an’izany tamin’ireo vahoaka nandalo teo alohanareo angamba hitoetra ao am-ponareo ny fatahorana an’i Allah”. SOURAT AL-BAQUARAT V: 183.

ZOMA 24 MARS – 02 RAMADAN 144H :Tatitra azo avy amin’i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :عن أبي...
24/03/2023

ZOMA 24 MARS – 02 RAMADAN 144H :

Tatitra azo avy amin’i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله ﷺ "الصَّلَوَاتُ الْخَمْسُ وَالْجُمْعَةُ إِلَى الْجُمْعَةِ وَرَمَضَانٌ إِلَى رَمَضَانٍ مُكَفِّرَاتٌ لِمَا بَيْنَهُنَّ إِذَا اجْتُنِبَتِ الْكَبَائِرُ" رواه مسلم.

"Ny Swalat dimy tanterahinao isanandro sy ny Swalatoul-Jouma ka hatramin'ny Zoma manaraka ary ny fifehezana amin’ny volana Ramadan ka hatramin'ny Ramadan manaraka, dia mamafa ireo fahotana rehetra vita eo anelanelany raha nanalavitra ireo fahotana lehibe".

REF : BOKY MOUSLIM.

FANAMARIHANA : Ny fahotana lehibe dia mitaky fibebahana, fa ny fahotana madinidinika kosa dia voafafan’ireo asa soa fanaontsika andavanandro.

23 MARS – 01 RAMADAN :Tatitra azo tamin’i Abou Houraira (R.A), niteny manao hoe : عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: لَمَّا ...
23/03/2023

23 MARS – 01 RAMADAN :

Tatitra azo tamin’i Abou Houraira (R.A), niteny manao hoe :

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: لَمَّا حَضَرَ رَمَضَانُ قَالَ رَسُوْلُ اللهِ ﷺ: "قَدْ جَاءَكُمْ رَمَضَانُ شَهْرٌ مُبَارَكٌ، افْتَرَضَ اللَّهُ عَلَيْكُمْ صِيَامَهُ، تُفْتَحُ فِيهِ أَبْوَابُ الْجَنَّةِ، وَتُغْلَقُ فِيهِ أَبْوَابُ الْجَحِيمِ…" رواه أحمد (7148، 9493)، وصححه شعيب الأرناؤوط.

Rehefa tonga ny volana Ramadan, dia miteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tonga eo anatrehanareo ny Ramadan, volana feno fahasoavana, Nodidian'i Allah aminareo ny fifehezana mandritra io volana io. Nisokafana avokoa ireo varavaran'ny Paradisa ary nakatona tanteraka ireo varavaran'ny Afobe ary nofatorana daholo ireo devoly…. ".

REF : BOKY AHMAD.

RAMADAN MOUBARAK ATSIKA JIABY.

ASSALAM ALAIKOUM.Nohon’ny fahatongavan’ny volana Ramadan, volan’ny fifehezana izay hanomboka rahampitso Alakamisy 23 Mar...
22/03/2023

ASSALAM ALAIKOUM.

Nohon’ny fahatongavan’ny volana Ramadan, volan’ny fifehezana izay hanomboka rahampitso Alakamisy 23 Mars 2023 izao, dia mahafaly anay ny manolotra atsika ireo Ora fitsarahan’ny fisakafoana amin’ny maraina (SOUHOUR) sy ny fiandohan’ny fisakafoana amin’ny hariva (IFTAR) :

1-Antananarivo : 1-SOUHOUR : 04h30 / 2-IFTAR : 18h01.

2-Antsirabe : 1-SOUHOUR : 04h28 / 2-IFTAR : 18h02.

3-Maevatanana : 1-SOUHOUR : 04h35 / 2-IFTAR : 18h03.

4-Mahanoro : 1-SOUHOUR : 04h34 / 2-IFTAR : 17h58.

5-Mampikony : 1-SOUHOUR : 04h40 / 2-IFTAR : 18h00.

6-Mananjary : 1-SOUHOUR : 04h35 / 2-IFTAR : 18h00.

7-Moramanga : 1-SOUHOUR : 04h37 / 2-IFTAR : 18h01.

8-Ambanja : 1-SOUHOUR : 04h38 / 2-IFTAR : 18h00.

9-Andapa : 1-SOUHOUR : 04h32 / 2-IFTAR : 17h55.

10-Antalaha : 1-SOUHOUR : 04h30 / 2-IFTAR : 17h53.

11-Antsiranana : 1-SOUHOUR : 04h35 / 2-IFTAR : 17h56.

12-Antsohihy : 1-SOUHOUR : 04h39 / 2-IFTAR : 18h02.

13-Beslampy : 1-SOUHOUR : 04h52 / 2-IFTAR : 18h16.

14-Fianarantsoa : 1-SOUHOUR : 04h40 / 2-IFTAR : 18h05.

15-Maintirano : 1-SOUHOUR : 04h54 / 2-IFTAR : 18h17.

16-Mahajanga : 1-SOUHOUR : 04h45 / 2-IFTAR : 18h06.

17-Manakara : 1-SOUHOUR : 04h36 / 2-IFTAR : 18h01.

18-Maroantsetra : 1-SOUHOUR : 04h32 / 2-IFTAR : 17h55.

19-Morondava : 1-SOUHOUR : 04h52 / 2-IFTAR : 18h16.

20-Nosy Be : 1-SOUHOUR : 04h38 / 2-IFTAR : 18h01.

21-Sakaraha : 1-SOUHOUR : 04h49 / 2-IFTAR : 18h15.

22-Toamasina : 1-SOUHOUR : 04h32 / 2-IFTAR : 17h56.

23-Toliara : 1-SOUHOUR : 04h43 / 2-IFTAR : 18h16.

24-Sainte Marie : 1-SOUHOUR : 04h31 / 2-IFTAR : 17h54.

25-Soalala : 1-SOUHOUR : 04h50 / 2-IFTAR : 18h10.

26-Taolagnaro : 1-SOUHOUR : 04h38 / 2-IFTAR : 18h05.

RAMADAN MOUBARAKA ATSIKA JIABY.

ALAKAMISY 23 MARS - 01 RAMADAN :Androany dia faha-30 ny volana CHAABAN ary rahampitso Alakamisy 23 Mars no hanomboka ami...
22/03/2023

ALAKAMISY 23 MARS - 01 RAMADAN :

Androany dia faha-30 ny volana CHAABAN ary rahampitso Alakamisy 23 Mars no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fifehezana RAMADAN 2023 Inchallah.

Hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي ﷺ قال: "مَنْ صَامَ رَمَضَانَ إِيْمَانًا وَاحْتِسَابًا غُفِرَ لَهُ مَا تَقَدَّمَ مِنْ ذَنْبِهِ" متفق عليه

“Izay nifehy amin’ny volana Ramadan mino sy manantena valisoa avy amin’i Allah, dia ho voavela daholo ireo heloka vitany teo aloha».

REF : BOKY BOUKHARIOU SY MOUSLIM.

HAFATRA : Apetrao dieny izao ny fikasanao hifehy mandritry ny Volana Ramadan 2023 iray manontolo.

VAOVAO FARANY : Tsy nisy nahita ny volana na teto Madagasikara na tany ivelany, indrindra tao Arabie Saoudite. Noho izan...
21/03/2023

VAOVAO FARANY :

Tsy nisy nahita ny volana na teto Madagasikara na tany ivelany, indrindra tao Arabie Saoudite.

Noho izany : Rahampitso Alarobia 22 Mars dia mameno 30 Chaaban isika rehetra.

Ary amin'ny Alakamisy 23 Mars izao no hanomboka ny volana Ramadan.

Mangataka amin'i Allah mba samy hahatratra ny volana Ramadan isika rehetra ary samy salama vatana sy fanahy ka hahavita hatramin'ny farany ireo adidy masina.

RAMADAN MOUBARAK ATSIKA JIABY.

Assalam Alaikoum.Efa 01 andro sisa dia higadona eo amintsika ny volana manan-kaja RAMADAN. Aza adinoina datin'ny faha 23...
21/03/2023

Assalam Alaikoum.

Efa 01 andro sisa dia higadona eo amintsika ny volana manan-kaja RAMADAN.

Aza adinoina datin'ny faha 23 Mars satria io no fiandohan'ny Ramadan 2023 Inchallah.

Samy ho salama avokoa isika rehetra Inchallah.

اللهم بلغنا رمضان ونحن في أحسن حال.

Assalam Alaikoum.Efa 02 andro sisa dia higadona eo amintsika ny volana manan-kaja RAMADAN. Aza adinoina datin'ny faha 23...
20/03/2023

Assalam Alaikoum.

Efa 02 andro sisa dia higadona eo amintsika ny volana manan-kaja RAMADAN.

Aza adinoina datin'ny faha 23 Mars satria io no fiandohan'ny Ramadan 2023 Inchallah.

Samy ho salama avokoa isika rehetra Inchallah.

اللهم بلغنا رمضان ونحن في أحسن حال.

Address

67 HA CENTRE OUEST
Antananarivo
101

Telephone

+261325735042

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mosquée d'Antananarivo - 67 Ha Centre Ouest posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Mosquée d'Antananarivo - 67 Ha Centre Ouest:

Share