FMBM - Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy

FMBM - Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy Madagasikara heniky ny fahalalana an'i Kristy amin'ny alalan'ny Soratra Masina

Ny FMBM dia sehatra fiaraha-miasan’ny Fiangonana, ny fikambanana ary ny kristianina eto Madagasikara mba hampiroboroboana ny fampielezana ny Soratra Masina. Niforona ny 21 jona 1965 izy ary nekena ho mpikambana mahefa tao amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-Tany (FMBET) tamin’ny taona 1972. Madagasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina no vina iorenan’ny FMBM ary mizara ho efatra lehibe ny antom-pisiany eto amin’ny firenena :
(1) Mandika ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona,
(2) Mamokatra ny Soratra Masina amin’ny endriny ilàn’ny olona azy,
(3) Mampiely ny Soratra Masina amin’ny vidiny takatry ny olona, ary
(4) Mampiofana sy manentana ny fandinihana sy ny fampiasana ny Soratra Masina. La Société Biblique de Madagascar est un espace de collaboration entre les églises, les associations chrétiennes à Madagascar pour le développement de l'évangélisation.

SAKAFO MAHAVELONAFinaritra e!😇✅“TENY MAMOA, TENY MAMOHA”Zoma 11 septambra 2026.📩Hafatra: “Satria fantatrareo ihany ny fa...
11/09/2026

SAKAFO MAHAVELONA
Finaritra e!😇
✅“TENY MAMOA, TENY MAMOHA”Zoma 11 septambra 2026.

📩Hafatra: “Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.” 2 Korintiana 8.1-15

👉Rehefa nanentana ny Korintiana mba hazoto hanome i Paoly dia nampitaha ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavana nananan’ny Makedoniana.☺️
▶️1. Manolo-tena: Tahaka an’i Jesoa nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana no nanoloran’ny Makedoniana ny tenany ho an’ny Tompo aloha vao nanome izy ireo (5).
▶️2. Mihoatra izay zaka: Tsy ny ambikambiny no natolotr’i Jesoa fa ny tenany sy ny ainy mihitsy. Ary tahaka izany koa ny fahafoizan’ny Makedoniana (3)
▶️3. Maimaim-poana: Ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia maimaim-poana ho an’olona tsy mendrika. Rehefa manome koa izany dia atao maimaim-poana fa tsy hiandrasana valiny akory.
▶️4. Am-pitiavana: Noho ny fitiavany antsika no nanolorany ny ainy ho antsika. Ny Makedoniana koa dia nanome am-pitiavana ireo olona masina ary fanompoana mihitsy izany (4).
▶️5. Ho famonjena ny hafa: Tsy hampanankarena ara-materialy no nataon’i Jesoa Kristy fa ny hanala antsika amin’ny fahantran’ny fahotana (7). Na dia mahantra sy nijaly koa aza ny Makedoniana dia tsy ny hahatonga azy hanankarena fa hamonjy ireo mpino any Jodia no antony nanomezany.

🙏Vavaka: Tompo a! Ampianaro manome amin’ny fahasoavana tahaka ny fahasoavana nomen’i Jesoa ahy aho ka hahay manome am-pitiavana sy maimaim-poana, amin’ny fanoloran-tena, mihoatra izay zaka mba ho famonjena ny hafa. Amena !

📖Taridalana hamakiana ny baiboly anaty herin-taona.
📌Ezek 39.1–40.27
📌Sal 55.1-24
📌Ohab 22.28-29
📌2 Kôr 8.1-15
📌Ben-Sir 18.15-18

10/09/2026

Fantatrao ve fa ny volana septambra dia iray volan’ny fandikanteny🥰?
Manana departemanta misahana izany izahay, izay antom-pisianay voalohany rahateo☺️! Iza no mahatadidy ilay antom-pisian'ny FMBM voalohany😇? Zarao ao amin'ny taria hoe...

👉Andeha arahintsika ny fijoroana ho vavolombelona ataon’Atoa 𝗥𝗮𝗱𝗼 𝗦𝗮𝗹𝗼𝗺𝗼𝗻 𝗥𝗮𝗷𝗮𝗼𝗻𝗮𝗿𝗶𝘀𝗼𝗻, Pastora, izay teknisiana misehatra amin'izany.

#2026

Andao indray hilalao eh😋🥰! Iza ary aho raha fantatrao☺️😇? Inona no lesona azonao tsoahana momba ny tantarako🥹📖?👉Alefaso ...
10/09/2026

Andao indray hilalao eh😋🥰! Iza ary aho raha fantatrao☺️😇? Inona no lesona azonao tsoahana momba ny tantarako🥹📖?
👉Alefaso ao anaty taria ary!

#2026

10/09/2026

📖"Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza,................" Ahoana hoy ny Soratra Masina?🥰
Lazao ao amin'ny fanehoan-kevitra anie e!

Afaka mandefa hafatra miafina aminay ianao na manatona ny Tobim-pamatsiana FMBM raha te hanjifa ireto Baiboly ho an'ny ankizy ireto.😊

SAKAFO MAHAVELONAFinaritra e! 😇✅“TENY MAMOA, TENY MAMOHA” Alakamisy 10 septambra 2026📩Hafatra: “Ny olombelona manao fami...
10/09/2026

SAKAFO MAHAVELONA
Finaritra e! 😇
✅“TENY MAMOA, TENY MAMOHA” Alakamisy 10 septambra 2026

📩Hafatra: “Ny olombelona manao famindram-po amin’ny namany,
fa Andriamanitra kosa, manao famindram-po mahazo ny nofo rehetra.
Mananatra Izy, manafay Izy, manoro Izy,
ary mamerina ho ao am-bala, toy ny mpiandry ondriny.” Ben-Sir 18.12 (DIEM)

👉Na dia tsy hita ao anatin’ny Baiboly mahazatra antsika aza ity boky ity dia azo vakiana tsara mihitsy. Ny andalana voatondro androany izao dia mifanaraka tsara amin’izay voalazan’ny Baiboly manontolo.

✅Amin’ny tapany voalohany izy dia miresaka ny fahalehibiazan’Ilay Mpahary sy ny fahakelezana sy mahatsinotsinona ny olombelona.
Fohy ny andro iainantsika, voafetra ny fahalalantsika ary malemy ny herintsika.
Kanefa dia tsy mijery izay mahatsinotsinona antsika izay Andriamanitra na mamaly antsika araka ny fahotantsika.☺️
👉Mananatra sy manafay Izy fa mampianatra sy mamela heloka ihany koa ary mamerina antsika amin’ny famindrampony.
Ao amin’i Jesoa Kristy no fara-tampon’izay famindrampo izay:☺️
Fony mbola mpanota isika dia nitia antsika Andriamanitra ary nanome antsika ny famonjeny.

✅Inona no ataon’ny olona vokatr’izay? Mametraka ny famindrapon’ny olona eo anatrehan’ny an’Andriamanitra ny andininy 12 eto.
Voafetra ny famindrampontsika fa ny an’Andriamanitra kosa dia mihitatra ho an’ny rehetra.☺️
Na izany ary dia nantsoin’i Jesoa isika hoe: “Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.” Lioka 6.36.

👉Tsy mamindra fo isika mba hamindran’Andriamanitra fo fa satria Andriamanitra no namindra fo tamintsika voalohany.
Mamela heloka, manangana izay lavo, mihaino ny mijaly ary manampy ny sahirana no valin’ny fahasoavana nomen’Andriamanitra antsika.

🙏Vavaka: Tompo a! Ampahatsiarovy ahy hatrany ny fahasoavanao ao amin’i Kristy hahaizako mamindra fo amin’ny hafa koa. Amena!

📖Taridalana hamakiana ny Baiboly anaty herin-taona.
📌Ezek 37.1–38.23
📌Sal 54.1-8
📌Ohab 22.26-27
📌2 Kôr 7.2-16
📌Ben-Sir 18.1-14

NY BAIBOLIKO, NY TANTARAKO✨👉Mitohy hatrany ny fandraisana ireo horonan-tsary avy amintsika. Araho hatrany ny pejy fa tsy...
09/09/2026

NY BAIBOLIKO, NY TANTARAKO✨

👉Mitohy hatrany ny fandraisana ireo horonan-tsary avy amintsika. Araho hatrany ny pejy fa tsy ho ela dia halefanay eto ho anareo izay efa nandefa izany🥰.

👉Alefaso aminay amin'ny WhatsApp amin’ny 034 22 263 84 ny horonan-tsarinao mizara ny tantaran'ny Baibolinao📲🎬!

👉Misy fanomezana maro miandry anao amin'ity lalao ity!
Hatramin’ny 16 Septambra no handraisanay ny horonan-tsary rehetra koa aza tara an🎁🎁!

SAKAFO MAHAVELONAFiadanana e!☺️✅“TENY MAMOHA, TENY MAMOA” Alarobia 9 septambra📩Hafatra: “Ny Fanahiko no hataoko ao anati...
09/09/2026

SAKAFO MAHAVELONA
Fiadanana e!☺️
✅“TENY MAMOHA, TENY MAMOA” Alarobia 9 septambra

📩Hafatra: “Ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo ka hahatonga anareo handeha araka ny lalànako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.” Ezekiela 36.27

👉Misy dingana telo ataon’Andriamanitra ambaran’ity andalana androany ity: Manadio ny vahoakany Izy, manolo ny fo vato ho fo nofo ary mametraka ny Fanahiny ao amin’ny vahoakany.

✅Ny fo vato dia ny fo mafy tsy mety mahavita tena mankato an’Andriamanitra.
Ny fo nofo kosa dia ilay fo velona, liana amin’ny tenin’Andriamanitra ary vonona hankatoa Azy. ☺️
Saingy tsy mbola ampy ny fiovam-po rehefa voavela heloka fa mbola manome ny Fanahiny koa Andriamanitra mba hahatanteraka ny fiainana vaovao ao anatin’ny vahoakany.

👉Ny lahatsoratra androany dia mampianatra antsika fa ny fiovana kristiana dia tsy miankina velively amin-kery na amin’ny fahatanjahana.
Tsy hoe mibaikobaiko antsika hanao ny tsara fotsiny no ataon’Andriamanitra fa Izy mihitsy no miasa ao anatintsika. ☺Manadio antsika Izy, manavao ny faniriantsika ary manome antsika ny Fanahiny mba hananantsika hery handeha araka ny sitrapony.

✅Ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao anatintsika dia tsy manaisotra velively ny andraikitsika akory. Fa mahatonga antsika ho afaka mandray andraikitra!
“Ataoko ao anatinareo ny Fanahiko,” hoy Andriamanitra, fa nampiany tsara hoe “mba hahatonga anareo handeha araka ny lalànako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.”😇
Nantsoina hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina isika, hihaino ny teniny ary hisafidy isan’andro ny hankato Azy.

🙏Vavaka: Diovy amin’izay tsy sitrakao aho, Andriamanitra ô! Esory amiko ny fo mafy fa soloy fo velona manaiky hankatoa Anao. Fenoy ny Fanahinao aho ary tariho isan’androa mba haneho ny sitraponao sy ny voninahitrao ny fiainako. Amena!

📖Taridalana hamakiana ny Biaboly anaty herin-taona.
📌Ezek 35.1–36.38
📌Sal 53.1-7
📌Ohab 22.24-25
📌2 Kôr 6.14–7.1
📌Ben-Sir 17.25-32

📚 8 Septambra | Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fampianarana Mamaky Teny sy Manoratra anio.🥰Ny FMBM manokana dia misehat...
08/09/2026

📚 8 Septambra |
Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fampianarana Mamaky Teny sy Manoratra anio.

🥰Ny FMBM manokana dia misehatra mivantana amin'izany! Mampiofana mpampianatra amin'ny famakiana teny sy fanoratana ary fikajiana izahay amin’ny alalan’ny tetik’asa Sambatra ny Mahavaky Teny(SMT) . 🖊️📚
👉Efa renao ve ny momba izany? Raha toa ka mahaliana anao dia hizara misimisy kokoa momba ny tetikasa eto amin'ny pejy isika. Soraty hoe liana raha maniry ny hisehatra ianao!

08/09/2026

✅Fantatrao ve fa efa nosafidiana ho mpandresy ianao😍? ▶️Araho hatramin’ny farany ary ny horonan-tsary fa ao no ahitanao ny valiny💕. Zarao ihany koa mba ho hitan’ny hafa😘.

#2026

SAKAFO MAHAVELONA➡️“TENY MAMOHA, TENY MAMOA” Talata 8 septambra💌Hafatra: “Dia tonga maro ao aminao izy ka mipetraka eo a...
08/09/2026

SAKAFO MAHAVELONA
➡️“TENY MAMOHA, TENY MAMOA” Talata 8 septambra

💌Hafatra: “Dia tonga maro ao aminao izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa indro, teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia manaraka ny filan-karena..” Ezekiela 33.31

👉Tia mihaino an’i Ezekiela fatratra ireto vahoaka ireto. Miresaka momba ny toriteniny, mitangorona eo anoloany ary faly mihitsy mihaino azy, tahaka ny mijery fampisehoana ataon’ny mpanakanto mahay mihira sy mitendry.
😊Ety ivelany izany dia tahaka ny olona mitady an’Andriamanitra tokoa.
Fa ny fony kosa ny zavatr’izao tontolo izao no katsahiny fatratra ary mitoetra tsy miova ny fiainany.

➡️Mampitandrina antsika ny lahatsoratra anio dia ny amin’ny fampifangaroana ny fitiavana mihaino ny tenin’Andriamanitra sy ny fankatoavana ny teny.
Afaka ny tia mihaino toriteny isika, mahay tsianjery andininy maro ary miresaka Jesosy matetika kanefa mandà ny hiova eo amin’izay tadiavin’ny Teny ho ataontsika.😊
👉Tsy mpankafy no tadiavin’Andriamanitra fa mpianatra mankatò.
Tsy nomena antsika mba hampivanaka antsika fotsiny ny tenin’Andriamanitra na natao😊 hiadiana hevitra fa miantso antsika Izy anio hibebaka sy hanana fiainana voaova.

🙏Vavaka : Tompo ô, arovy amin’ny finoana miankina amin’ny teny tsara sy ny faniriana tsara fotsiny aho. Omeo fo mangetaheta, matoky ary mankatò aho. Mba tsy hahafinaritra ny sofiko fotsiny anie ny teninao fa hanova tanteraka ny safidiko sy ny fitondrantenako. Amena!

Address

12 Rue Rabehevitra Antaninarenina
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 13:30 - 04:00
Tuesday 09:00 - 04:00
Wednesday 09:00 - 16:00
Thursday 09:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00
Saturday 09:00 - 16:00
Sunday 09:00 - 12:00

Telephone

+261343736651

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FMBM - Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FMBM - Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy:

Shortcuts

Share