Mpino Kristiana

Mpino Kristiana Tenin'Andriamanitra ho fiainana sy fampaherezana anao Tenin'Andriamanitra ho fiainana ho anao isan'andro.

27/05/2026

Lasa filan-javatra sisa ny ankamaroan'fivavahana amzao πŸ˜₯πŸ˜₯, vola, fiara, tany... ny ara panahy tavela..

Iray ihany Andriamanitra, ilay nanome ny zanany ho sorona anavotana antsika amin'ny fahotana, Jesosy Kristy Tompo.Izany ...
22/04/2026

Iray ihany Andriamanitra, ilay nanome ny zanany ho sorona anavotana antsika amin'ny fahotana, Jesosy Kristy Tompo.

Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. JAONA 13 : 35.



Arao ny page, abonneo. Zarao amin'ny hafa ny hafatra.
Mpino Kristiana

Finaritra tompoko.Matetika re sy atao dokam-barotra amin'ny haino aman-jery, afisy isan-karazany ireto teny ireto. Deliv...
01/04/2026

Finaritra tompoko.

Matetika re sy atao dokam-barotra amin'ny haino aman-jery, afisy isan-karazany ireto teny ireto. Delivrance, fanapahana ozona, vavaka mahery vaika, fanasitranana, fanafahana sns..

Eny tokoa, tsara satria mbola maro ny olona mila an'ireo, voafatotra mila fanafahana, mila vavaka, mila herin'Andriamanitra miasa.

Fa ny zavatra tena mba andrasako manokana dia mba miova ireo zavatra efa fandre matetika ireo. Mba fotoam-bavaka ho an'olona efa AFAKA indray no atao doka e, mba tsy ilay olona manana olana foana no antsoina fa ireo olona efa nahita fiovΓ na, nahita fitahiana.

Ra matetika manko io dia lasa "fanalΓ na olana" fotsiny ilay fivavahana, dia tapitra eo. Zany oe, voavaha ny olako, afaka aho, dΓ©livrΓ© aho, zay zany tsy ilaiko intsony ilay fivavahana...

Ny tena marina manko dia enao afaka iny, manomboka eo no tena ady, manomboka eo ny fiambenana isan'andro satria ny devoly tsy faly aminao AFAKA, dia ataony izay fomba rehetra amerenana anao indray toy ny teo aloha..

Zay no ilazako oe, ilaina ny delivrance sns fa tena ilaina ny manisy fampianarana, toriteny ny amin'ny tokony atao aorian'io mba ijanonanao ao amin'i Jesosy.

Manaiky hoy aho oe manova zavatra ny vavaka, fa raha olana foana no mba ilanao sy anantonanao an'iJesosy dia mampalahelo ihany.

Arao ny pejy fa efa miverina ny fizarana tenin'Andriamanitra.

Tia anao Jesosy.

Mpino Kristiana

Arahabaina ianao nahatratra ny taona  2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣ πŸ’–πŸŽ‰πŸŽŠMirary anao ahita fahombiazana amin'ity taona vaovao ity, mba ho t...
31/12/2025

Arahabaina ianao nahatratra ny taona 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣ πŸ’–πŸŽ‰πŸŽŠ

Mirary anao ahita fahombiazana amin'ity taona vaovao ity, mba ho tanteraka avokoa ireo nofinofy sy fikasanao. Fa indrindra ho lavitry ny ratsy

J@esoa Kristy anatanteraka izany ho anao. Ny anjaranao dia ny mino Azy πŸ™.

Efa ato ny hafatra ho an'ny taona vaovao, manasa anao amaky izany https://www.facebook.com/100067851640281/posts/1194548036150240/?app=fbl

Mpino Kristiana Mpino Kristiana

Taipitra ny taona 2025, andray ny taona vaovao isika. πŸ’«Maro ny olona milaza oe, 2026 taonako amzay, mivoatra amzay ny fi...
31/12/2025

Taipitra ny taona 2025, andray ny taona vaovao isika. πŸ’«

Maro ny olona milaza oe, 2026 taonako amzay, mivoatra amzay ny fiainako amin'io taona ho avy io, tratrako amzay ny tanjoko sns. Fa maro ny olona nilaza an'zany tamin'ny faran'ny taona 2024, fa ny teo ihany no teo 2025.

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 ? tsotra : tsy ny taona vaovao no manova fiainana fa ianao no mila miova aloha. Raha ny toetra sy fahazarana nataonao tamin'ny taona lasa ihany no ataonao amin'ny taona vaovao dia ny eo ihany no eo. πŸ•

Dikan'zany, izay fahazarana tsara, tamin'iny taona iny tohizana, hatsaraina ary raha afaka atao. Ireo fanao tsy nety izay niteraka zavatra ratsy kosa ajanona.

Mila maka fotoana kely ianao andinihana oe inona no nety ? Inona no tsy nety ? inona ny fomba hafa afaka ataoko ahazoako vokatra tsara amin'ny taona ho avy. Inona amin'ny toetrako sy fahazarako no lasa sakana tsy nafahako nandroso sy nivoatra. ❓

Lafim-piainana maro no voakasik'io, na ara panahy, ara bola, arak'asa, ara pahasalamana sns.

Taona tsara ho anao ny 2026 raha tohizanao izay tsara tamin'ny 2025 ary ovainao izay tsy nety. Anampy anao amin'izany ny fandraisanao an'i Jesosy sy fametrahanao ny fiainanao amin'n Andriamanitra. Mpanolotsaina tena tsara Izy.

Mirary soa ho antsika rehetra, misaotra namaky. β™₯️

Partageo fa mety ahasoa ny hafa, dia aza adino ny manisy j'aime ny page, abonneo fa mizara ny soa sy ny tsara hatrany izahay.

Mpino Kristiana

29/12/2025

Mention spΓ©ciale aux nouveaux super fans ! Nosiniaina Andrianjafimahaleonirina, Jejou Andriambololona . β™₯️

"π…πš 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐧𝐨 𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐒𝐨 ... π¦π›πš 𝐭𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐯𝐞𝐫𝐲 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐧𝐨 𝐀𝐳𝐲 *Lioka 2: 11 / Jaona 3 : 16.Ny fahaterah...
25/12/2025

"π…πš 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐨𝐧𝐣𝐲 𝐧𝐨 𝐭𝐞𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐒𝐨 ... π¦π›πš 𝐭𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐯𝐞𝐫𝐲 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐧𝐨 𝐀𝐳𝐲 *
Lioka 2: 11 / Jaona 3 : 16.

Ny fahaterahan'i Jesoa dia manambara famonjena, fahafahana ho antsika rehetra izay mino Azy. Famonjena sy fahafahana amin'ny lafim-piainana rehetra β™₯️. Ndeha ho raisitsika amin'ny fo madio sy fifaliana ilay mpamonjy.

Mirary Noely sambatra, feno fifaliana sy fiadanana ho anao sy ny ankohonanao.

Mpino Kristiana 2025.

Finaritra tompoko, inoana sy antenaina fa salama sy mandry fahalemana ianao mamaky io sy ny fianakavianao. Ho aminao ani...
28/09/2025

Finaritra tompoko, inoana sy antenaina fa salama sy mandry fahalemana ianao mamaky io sy ny fianakavianao. Ho aminao anie izany ❀️.

Anjara biriky entitsika amin'izao savorovoro izao ny vavaka. Mahay zavatra tsy takatrin'ny saina Andriamanitra.

πŸ™ Vavaka mba ho arovan'Andriamanitra ianao sy ny ankohonanao, ny fianakavianao,
πŸ™ Vavaka fangatahana famelΓ na ho anao ny ankohonana, fianakaviana sy ity firenentsika ity
πŸ™ Vavaka mba hisian'ny filaminana.
πŸ™ Vavaka ho an'ireo very fananana, namoy havana.

Isika malagasy rehetra no miaina ny zavatra takian'ireo mapitolona, ary mbola hiaina ny krizy aterak'izao savorovoro izao. Izany indrindra no anamafisana ny vavaka mba hisian'ny vaha olana, sy filaminana.

Mirary fiadanana ho antsika rehetra manoloana ny zava-misy. Ao amin'ny Tompo, misy fiadanana mandrakariva. Samia arovan'Andriamanitra.

𝐄𝐇, πŒπ€ππ€ππ€ πŒππˆπ€π‘πŽ πˆπ€ππ€πŽ, πŒπ€ππ€ππ€ πŒππˆπ€π‘πŽ πˆπ’πˆπŠπ€ πŠπ‘πˆπ’π“πˆπ€ππ€ ❀️.Tsy irery isika manoloana ny zava-misy maro samihafa ety an-ta...
06/03/2025

𝐄𝐇, πŒπ€ππ€ππ€ πŒππˆπ€π‘πŽ πˆπ€ππ€πŽ, πŒπ€ππ€ππ€ πŒππˆπ€π‘πŽ πˆπ’πˆπŠπ€ πŠπ‘πˆπ’π“πˆπ€ππ€ ❀️.

Tsy irery isika manoloana ny zava-misy maro samihafa ety an-tany.

Ankoatry ny vavaka maro izay ataonao dia mivavaha ihany koa rehefa andeha hivoaka ny trano, tsy maharo tena irery ianao ary tisy hisy olona afaka hiaro anao mihoatra noho ilay Andriamanitra Tsitoha. Ao anatin'izany dia aza adino ny manavao ny fanoloran-tenanao isan'andro, mibebaha.

Ka esory ny tahotra sy ny tebiteby ao aminao dia avelao ny finoana no ahazo vahana. Tadidio fa tahotra no mameno ny olona iray dia maty ny finoany. Efa nomen'i Jesosy Kristy rahateo ny fiadanany, raiso izany 🀲.

Efa voalaza ao amin'ny soratra masina fa miharatsy izao fiainana izao sy ny filΓ ny... Fotoana izao anamafisana ny fifandraisana amin'Andriamanitra.

Mirary fiarovan'Andriamanitra feno ho anao izay mamaky ity hafatra ity.

"π…πš 𝐈𝐳𝐲 efa nandidy 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐞π₯𝐒𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧𝐚𝐨 πŒπ›πš 𝐑𝐒𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐚π₯𝐞𝐑𝐚𝐧𝐚𝐨 πŸ›‘οΈ".

MATOKIA AZY.

Mpino Kristiana

08/01/2025

Mankasitraka ireo super fans vaovao, mbola hisy fanomezana omena ny super fan rehetra eto amin'ny pejy ! Nosiniaina Andrianjafimahaleonirina, Jejou Andriambololona

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpino Kristiana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share