03/09/2026
🍂Fanahiana😩? Amin'ny maha olombelona antsika dia misy tokoa izany ! Fa izao ! Mitoera tsara ho zanaka fa Andriamanitra tsy mba manadino ny zanany izany🥰🍂
Am-pitiavana indray no hizarana amintsika ny fampianarana:
🎤Pst Ndrantomahenina RZ
🎙️Fandaharana "Antsam-piderana"
🗓️Isan'andro
🕔05 ora maraina
📻Radio VIVA
®️09 ora alina
🔗https://drive.google.com/file/d/1EXzwkm21qFGQ9XPlzPezNWYv2B3x2Q3b/view?usp=sharing
🔶🔶Matio 6 :25- 34🔶🔶
🌷🌹 Ao anatin'ny hazakazaka tsy maintsy hisy fotoana misy fanahiana any anatin'ny Kristianina, tsy diso, tsy fahotana izany fa Jesosy milaza hoe atodio amin'Andriamanitra ny fijerinao fa mihoatra lavitra noho ny voahary rehetra no namoronany ahy sy hianao
🌷🌹Tandremo fa ny fanahiana sy ny fanomezan-danja ny tahotra dia tsy mahavaha olana. Ny entina maharesy izao tontolo izao dia ny finoana an'i Jesosy sy ny fiankinana Aminy.
🌷🌹Tia hikasika ny fontsika ny Tompo fa tsy olon'olom-poana isika raha noforoniny, tsy diso Izy namorona antsika, tiany ho tsapatsika ny lanjan'ny namoronany antsika ary rehefa Izy no namorona dia hiadidiany hatramin'ny farany. Andriamanitra tsy miala andraikitra izany, hakaro ny finoana , banjino Jesosy fa Izy no vaha-olana
🌷🌹 Ny atao hoe jentilisa dia ireo tsy mba manankim-piainana amin'Andriamanitra fa miankina amin'ny tenany ihany. Ireo mpiazakazaka amin'ny zavatry ny tany 👉 ny fanontaniana dia izao hoe : isika mpanara-dia an'ny Tompo, inona no tena katsahintsika fatratra ? 🤔 Sao sanatria mitovy fomba fiainana amin'ny jentilisa ihany☝️
🌷🌹 Ny fivavahana tsy fitadiavana fampaherezana fotsiny ihany, fa ilaina ny mino an'i Jesosy mba ho ahatongavantsika ho zanaka sy ahazoantsika Ray mpiahy antsika isan'andro 👉 ny fepetra dia hoe "tena zanaka". Tsy Mila katsahina ny fitahiana, mitoera tsara ao amin'ny Tompo fa ny ampitso rehetra dia azo antoka rehefa marina ny fanoloran-tena.
❣️Am-pitiavana❣️