FJKM Amboasarikely Fiadanana

FJKM Amboasarikely Fiadanana Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara
SPAA10 (Antananarivo Andrefana)
AMBOASARIKELY FIADANANA

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Sabotsy 13 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Salamo 72 : 18-1918 Isaorana anie Jehovah Andriam...
13/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Sabotsy 13 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Salamo 72 : 18-19

18 Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
19 Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Zoma 12 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– IsaΓ―a 42 : 1-91 Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako,...
12/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Zoma 12 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– IsaΓ―a 42 : 1-9

1 Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
2 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
3 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
4 Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalΓ ny.
5 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
6 Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
7 Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
8 Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.
9 Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Alakamisy  11 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Hebreo 3 : 1-61 Koa amin'izany, ry rahalahy ma...
11/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Alakamisy 11 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Hebreo 3 : 1-6

1 Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesoa.
2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra.
3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

10/06/2026

π…πˆπ€ππ“π’πŽπ€ππ€ πŸ“£

βœ¨π€π¬πšπ’π§πš 𝐒𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚π₯𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚- 𝐩𝐒𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚 -𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐀𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐒𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐒𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚, 𝐑𝐒𝐚𝐫𝐚- 𝐑𝐒𝐝𝐞𝐫𝐚 𝐚𝐧' π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ§π’π­π«πš 𝐧𝐲

πŸ“… π€π‹π€π‡π€πƒπ˜ πŸπŸ’ π‰πŽππ€
πŸ•€ 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 πŸ— 𝐨𝐫𝐚 𝐬𝐚𝐬𝐚𝐧𝐲

πŸ‘‰π‡π’π¬π² 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐞𝐫𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚

π€π¨π€πš π‡πˆπ…π€πŒππˆπ‹π€π™π€!

FDL tompon'anjara : Faritra Getsemane

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Alarobia 10  π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Zakaria 9 : 9-109 Mifalia indrindra, ry Ziona z...
10/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Alarobia 10 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Zakaria 9 : 9-10

9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Talata 09 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Matio 20 : 20-2320 Ary tamin'izany dia nanatona an...
09/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Talata 09 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Matio 20 : 20-23

20 Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
21 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
22 Fa Jesoa namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
23 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

π…πˆπ’π€πŽπ‘π€ππ€ > π‘π¨π¦πšπ§πš 𝟏𝟏 : πŸ‘πŸ‘πŸ€π‘€π‘–π‘ π‘Žπ‘œπ‘‘π‘Ÿπ‘Ž 𝑠𝑦 π‘šπ‘Žπ‘›π‘˜π‘Žπ‘ π‘–π‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘Ž π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ 𝑍𝐴𝑁𝐴𝐾𝐴 𝐴𝑀-𝑃𝐼𝐸𝐿𝐸𝑍𝐴𝑁𝐴 π‘Ÿπ‘’β„Žπ‘’π‘‘π‘Ÿπ‘Ž 𝑛𝑦 π‘€π‘π‘–π‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘–π‘›π‘Ž 𝑠𝑦 𝑛𝑦 π΅π‘–π‘Ÿπ‘Žπ‘œπ‘›'𝑛𝑦 𝐹𝑖...
08/06/2026

π…πˆπ’π€πŽπ‘π€ππ€

> π‘π¨π¦πšπ§πš 𝟏𝟏 : πŸ‘πŸ‘

πŸ€π‘€π‘–π‘ π‘Žπ‘œπ‘‘π‘Ÿπ‘Ž 𝑠𝑦 π‘šπ‘Žπ‘›π‘˜π‘Žπ‘ π‘–π‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘Ž π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ 𝑍𝐴𝑁𝐴𝐾𝐴 𝐴𝑀-𝑃𝐼𝐸𝐿𝐸𝑍𝐴𝑁𝐴 π‘Ÿπ‘’β„Žπ‘’π‘‘π‘Ÿπ‘Ž 𝑛𝑦 π‘€π‘π‘–π‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘–π‘›π‘Ž 𝑠𝑦 𝑛𝑦 π΅π‘–π‘Ÿπ‘Žπ‘œπ‘›'𝑛𝑦 πΉπ‘–π‘Žπ‘›π‘”π‘œπ‘›π‘Žπ‘›π‘Ž π‘Žπ‘Ÿπ‘¦ 𝑛𝑦 𝑅𝑒𝑛𝑦 πΉπ‘–π‘Žπ‘›π‘”π‘œπ‘›π‘Žπ‘›π‘Ž π΄π‘šπ‘π‘œπ‘Žπ‘ π‘Žπ‘Ÿπ‘–π‘˜π‘’π‘™π‘¦ πΉπ‘–π‘Žπ‘‘π‘Žπ‘›π‘Žπ‘›π‘Ž, π‘›π‘œβ„Žπ‘œ 𝑛𝑦 π‘“π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘’π‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘›'𝑛𝑦 π‘“π‘–π‘Žπ‘Ÿπ‘Žβ„Žπ‘Ž- π‘šπ‘–π‘£π‘Žπ‘£π‘Žπ‘˜π‘Ž π‘›π‘–π‘œπ‘šπ‘π‘œπ‘›π‘Žπ‘›π‘‘π‘ π‘–π‘˜π‘Ž 𝑛𝑦 π‘Žπ‘™π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘‘π‘¦ 07 𝐽𝑂𝑁𝐴 π‘™π‘Žπ‘ π‘Ž π‘‘π‘’π‘œ. π‘€π‘Žπ‘›π‘˜π‘Žπ‘šπ‘Žπ‘šπ‘¦ 𝑛𝑦 π‘“π‘–π‘œπ‘šπ‘π‘œπ‘›π‘Žπ‘›π‘Ž π‘–π‘ π‘–π‘˜π‘Ž β„Žπ‘œ π‘£π‘œπ‘›π‘–π‘›π‘Žβ„Žπ‘–π‘‘π‘Ÿ' π΄π‘›π‘‘π‘Ÿπ‘–π‘Žπ‘šπ‘Žπ‘›π‘–π‘‘π‘Ÿπ‘Ž. π΄π‘šπ‘–π‘›'𝑛𝑦 𝑓𝑒𝑑𝑖𝑛'𝑛𝑦 π‘‘π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘˜π‘Ž π‘–π‘›π‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘¦ 𝑛𝑦 π‘“π‘–β„Žπ‘Žπ‘œπ‘›π‘Žπ‘›π‘‘π‘ π‘–π‘˜π‘Ž π‘šπ‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘Ž.

π‘‡π‘Žβ„Žπ‘–π‘Žπ‘›' 𝑖 π½π‘’π‘ π‘œπ‘Ž πΎπ‘Ÿπ‘–π‘ π‘‘π‘¦ π‘‡π‘œπ‘šπ‘π‘œ π‘‘π‘Žβ„Žπ‘œπ‘™π‘œ π‘–π‘ π‘–π‘˜π‘Ž π‘Ÿπ‘’β„Žπ‘’π‘‘π‘Ÿπ‘ŽπŸ™

βœ¨πΉπ‘Ž π‘–π‘ π‘Žπ‘œπ‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘Ž π‘“π‘’π‘›π‘œ 𝑠𝑦 π‘Žπ‘›π‘˜π‘Žπ‘ π‘–π‘‘π‘Ÿπ‘Žβ„Žπ‘Žπ‘›π‘Ž π‘˜π‘œπ‘Ž π‘–π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ π·π‘œπ‘Ÿπ‘˜π‘Žπ‘ π‘¦ π‘Ÿπ‘Žβ„Žπ‘Žπ‘£π‘Žπ‘£π‘¦ π‘‘π‘œπ‘›π‘”π‘Ž 𝑛𝑦 π‘“π‘œπ‘™π‘Žπ‘˜'π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘œ β„Žπ‘Žπ‘Ÿπ‘–π‘£π‘Ž β„Žπ‘œ π‘“π‘–π‘Ÿπ‘Žπ‘–π‘ π‘Žπ‘›π‘˜π‘–π‘›π‘Ž 𝑠𝑦 π‘“π‘–π‘“π‘Žπ‘›π‘˜π‘Žπ‘‘π‘–π‘Žπ‘£π‘Žπ‘›π‘Ž π‘Žπ‘œ π‘Žπ‘šπ‘–π‘›'𝑛𝑦 π‘‡π‘œπ‘šπ‘π‘œ π‘‘π‘Žπ‘šπ‘–π‘›'𝑛𝑦 πΏπ΄π‘‰π΄π‘π‘‡π‘Œ 𝐴𝑁-𝐾𝐼𝑅𝐴. π½π‘’π‘ π‘œπ‘Ž πΉπ‘œπ‘‘π‘œπ‘‘π‘Ÿπ‘¦ 𝑛𝑦 π‘†π‘Žπ‘šπ‘π‘Žπ‘›π‘Ž π‘Žπ‘›π‘–π‘’ β„Žπ‘Žπ‘šπ‘π‘Žπ‘šπ‘œπ‘˜π‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘Ž 𝑏𝑒́ 𝑛𝑦 π‘Žπ‘ π‘Žπ‘›π‘‘π‘ π‘–π‘˜π‘Ž.

βœ¨π΄π‘œ π‘–π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘’π‘œ π·π‘œπ‘Ÿπ‘˜π‘Žπ‘ π‘¦ :
- Anosizato Andrefana FMF
- Analamahitsy
- Antanimena Atsinanana Fifaliana
- Andavamamba Kristy Velona
- METM Ambatobe
- Amboasarikely Fiadanana
- STK
- ANTEMA FIADANANA
- FIMPIZ
- DORKASY
- ny Fiangonana rehetra.

π‡πšπ¦πšπ₯𝐲 𝐟𝐒𝐭𝐒𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐒𝐞 π‰πžπ¬π¨πš πŸ™

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ 𝐀π₯𝐚𝐭𝐬𝐒𝐧𝐚𝐒𝐧𝐲 08 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Genesisy 1 : 1-51 Tamin'ny voalohany Andriama...
08/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ 𝐀π₯𝐚𝐭𝐬𝐒𝐧𝐚𝐒𝐧𝐲 08 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Genesisy 1 : 1-5

1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Alahady 07 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Salamo 22 : 22-3122 Hitory ny anaranao amin'ny ra...
07/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Alahady 07 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Salamo 22 : 22-31

22 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hiderΓ ko Anao.
23 Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderΓ  Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
25 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
27 Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
30 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.
31 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Sabotsy 06 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ” β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨” πŸ“– Hagay 2 : 20-2320 Ary tonga fanindroany tamin'i H...
06/06/2026

βœπ‘΄π’π’‡π’π’π’‚π’Šπ’π’‚ Sabotsy 06 π‰π¨π§πš πŸπŸŽπŸπŸ”
β€œπ‘΄πšπ§πšπ©πšπ€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…πšπ‘πžπŸπšπ§π² 𝐧𝐲 𝐓𝐨𝐦𝐩𝐨”
πŸ“– Hagay 2 : 20-23

20 Ary tonga fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
21 Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
22 dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
23 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

π‘Ήπ’‚π’š π‘΄π’‚π’”π’Šπ’π’‚ 𝒐̂! π‘΄π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’‚π’π’‚π’š π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’‡π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚ 𝒇𝒂 π’π’š π‘»π’†π’π’Šπ’π’‚π’ 𝒏𝒐 π‘­π’‚π’‰π’‚π’Žπ’‚π’“π’Šπ’π’‚π’π’‚. π‘¨π’Žπ’†π’πŸ™

Address

Amboasarikely
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Amboasarikely Fiadanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share