21/05/2026
** Hoan’ny Mpifidy :
- (2) Ministre Rezionaly OFS Voalohany sy Faharoa na Formateur.
- (1) Ministre Fraternité mijoro ara-dalàna I na II na Formateur.
- (1) Ministre Voalohany Biraon’ny Diosezy OFS
+ (2) Assistant National ofm sy ofm-cap.
** sy hoan' ireo OFS Observateurs / Mpijerijery afaka manatrika fa tsy mifidy.
Réf. : 004 /MN/ OFS – 026
Antony : FIANTSOANA FANATREHANA CHAPITRE NATIONAL ELECTIF 2026
Fiadanana sy Hafaliana !
Ho tanterahina any Mahajanga ny « Chapitre Nasionaly électif », izay hanavaozana ireo birao mandrafitra ny filankevitra nasionalin’ny OFS eto Madagasikara, noho izany dia miantso anao hanatrika izany izahay.
Toy izao ny andinindininy :
v Lohahevitra : “ Ny OFS dia mpitondra hafaliana lavorary, ka aoka amin’ny zavatra rehetra mitranga, mba hiezaka hitondra hafaliana sy fanantenana amin’ny olona rehetra”. (Fitsipi-piainana andininy 19)
v Fotoana : 18 juin 2026 hariva ny fahatongavana – 21 juin hariva ny fodiana na 22 juin
v Toerana : Mahajanga ao amin’ny CENTRE D’ACCUEIL PETIT SEMINAIRE SAINT PAUL – MAJUNGA BE
v Fandraisana anjara péréquation mitovy : saran-dalana 145 000 + vatsy 75 000 ariary = 220 000 Ariary isan’olona.
v Samy mitondra fitaovam-pihinana sy fidiovana ary izay zavatra na fanafody ilainy manokana ny tsirairay.
MARIHINA fa:
· Solontena 2 Isaky ny Birao rezionaly ary Ministre Birao Diosezy sy Fraternité 1 mijoro ara-dalana no antsoina hifidy.
· Tsy afaka manatrika ny fifidianana ireo izay tsy tonga eo am-panombohana ny chapitre.
· Raha tsy afaka ny mpanompo Voalohany sy Faharoa dia manendry mambra ao anaty birao izy ireo manatrika ny chapitre rehefa mitondra ny taratasy fanolorana avy amin’ny mpanompo voalohany.
· Izay efa niaina ny Velirano Mandrakizay nandritra ny 10 Taona ary tsy misy sampona ara-tsakramenta no afaka atolotra ho candidat ho Minisitra Nasionaly araka ny Sata and. 69.
· Ny birao am-perin’asa dia candidat avy hatrany amin’ny fifidianana, afa-tsy ireo nahavita mandat tamin’ny andraikitra iray ka nahavita andraikitra in-droa.
· Manolotra candidat ho mpifaninana ho fidina ao anatin’ny biraon’ny Filan-kevitra Nasionaly iray avy (1) fara-faha-keliny ny isaky ny Faritra sy ny Diosezy ary ny Fraternité.
· Ireo mpifaninana (candidat) tsy afaka manatrika ny chapitre electif nasionaly (tsy manan-jo hifidy) dia sokajiana ho mpijerijery (observateur).
· Ireo tsy nahazo fanasana hanatrika ny chapitre nefa tonga dia sokajiana ho mpijerijery (observateurs) ary manao fandraisana anjara toy izao : Vatsy 100 000 Ariary amin’ny fanatrehana ny chapitre national Electif ary miantoka ny saran-dalany mandroso sy miverina.
· Ireo nahazo fiantsoana manokana izay sokajiana ho mpijerijery (observateurs) dia mandray anjara : 80 000 Ariary amin’ny fanatrehana ny chapitre national Electif ary miantoka ny saran-dalany mandroso sy miverina.
· Ny taratasy fandrotsahana ho fidiana miaraka amin’ny Curriculum Vitae pastoraly dia alefa aty amin’ny Foibe Nasionaly na alefa amin’ny mailaka OFS : [email protected] alohan’ny Zoma 12 Jiona 2026 amin’ny 12 ora atoandro.
· Aoka hilaza mialoha raha toa ka ho tonga mialohan’ny 18 Jiona ny mpizaika, ary anjaran’izay tonga alohan’ny le 18 jiona hariva no miantoka sy manefa ny saran-toerana hatoriany sy ny sakafony amin’izay.
Dia mirary soa ho antsika rehetra hahavita be eo amin’ny sahan’ny Tompo, homban’ny Vavak’i Masina Maria Virjiny, Md François sy Mb Claire avy any Assise, Md Louis sy Mb Elisabeth avy any Hongrie ary ny Olontsambatra Lucien Botovasoa.
Fianarantsoa, faha-19 May 2026
Ny Minisitra Nasionaly ofs,
RAFARALAHY Hermann