19/11/2025
Jakoba 5 : 7-20
7-ARY aminâizany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavinâny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa aminâny tany ka maharitra aminâizany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
8-Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavianâny Tompo.
9-Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina hianareo; indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloanâny varavarana.
10-Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny taminâny anaranâny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11-Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetanâi Joba, ary efa hitanareo ny faranâny nataonâ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
12-Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na aminâny lanitra, na aminâny tany, na aminâizay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho ,Enyâ, ary ny fandanareo ho ,Tsiaâ, fandrao hiharanâny fitsarana hianareo.
13-Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
14-Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholonâ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy aminâny anaranâny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;
15-ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
16-Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiĂ sanâny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
17-Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahanâny ranonorana; dia tsy nilatsaka taminâny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
18-Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19-Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala aminâny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, 20-aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala aminâny lĂ lanâny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.