ZFLM Finoana irery ihany, Soratra masina irery ihany, JESOSY IRERY IHANY

Ny teninao dia afaka hamaritra ny fiainanao. Andao hanana teny miabo sy feno fahatokiana an'Andriamanitra hatrany.
26/07/2022

Ny teninao dia afaka hamaritra ny fiainanao. Andao hanana teny miabo sy feno fahatokiana an'Andriamanitra hatrany.

Tompo ô ! arovy amin'ny herin'ny maizina ny tontolon'ny alinay.Ampidino ny anjelinao hiaro ny tanananay amin'ny mpangala...
25/07/2022

Tompo ô ! arovy amin'ny herin'ny maizina ny tontolon'ny alinay.
Ampidino ny anjelinao hiaro ny tanananay amin'ny mpangalatra, ny loza, ny aretina, ny asan'ny maizina. Tompo ô, mba ho torimaso mamy tsy misy mpanelingelina anie no omenao anay androany alina. Misaotra Tompo ô! Amin'ny anaran'ny Kristy Jesosy no anaovako izao vavaka izao. Amen !

NY FANAMBADIANA1-AZA MAHAY VAVA / AZA MIKITAKITA .Mila hajaina ny olon-tiana, mila miresaka am-pilaminana na inona na in...
23/07/2022

NY FANAMBADIANA

1-AZA MAHAY VAVA / AZA MIKITAKITA .
Mila hajaina ny olon-tiana, mila miresaka am-pilaminana na inona na inona olana.
(Ohabolana 15:01 ; Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana)

2-AZA HARATSIANA ANY IVELANY NY OLON-TIANAO.
Ny manaratsy vady dia mitovy amin'ny manaratsy tena.
(Efesiana 05:12 ; Fa izay ataony ao amin'ny miafina dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza)

3-TOHANO FOANA NY OLON-TIANAO AMIN'IZAY ATAONY.
(Deoteronomia 03:28 ; Mampahereza azy sy mampahatanjaha azy)

4-OMEO FITIAVANA SY TAMBITAMBY NY OLON-TIANAO.
(I Koritiana 07 : 32 ; Fa izay tsy manambady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly an'ny Tompo.Fa izay manambady kosa miahy an'izao fiainana izao mba hahafaly ny Vavy)

5-AZA AVELA HIDIRAN'NY RAY AMAN-DRENY SY NY OLONA HAFA NY TOKANTRANO
(Gen 02:24 ; Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny )

6-MIVAVAHA HO AN'NY ANKOHONANAO SY NY OLON-TIANAO
(I Tesaloniana 05:17 Mivavaha ka aza mitsahatra )

7-HAJAO NY OLOTIANAO / AZA MIJANGAJANGA
(Hebreo 13:4 ; AOKA hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana

8- MANAOVA TSARA TAREHY / KARAKARAO NY TENANAO
(Genesisy 06 :02 ; Dia hitan'ny Zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona ;ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy

Mizara fitiavana 🥰
Mirary tokatrano sambatra

FANTATRAO VE NY BAIBOLINAO ?A. NY FIZARAN’NY BAIBOLY :I. TESTAMENTA TALOHA : (TT)1). IREO BOKY PENTATIOKA NA BOKIN’NY LA...
02/02/2022

FANTATRAO VE NY BAIBOLINAO ?

A. NY FIZARAN’NY BAIBOLY :

I. TESTAMENTA TALOHA : (TT)

1). IREO BOKY PENTATIOKA NA BOKIN’NY LALANA ( 5 ) : – Genesisy (Fiandohana) – Eksodosy (Fahafahana) – Levitikosy (Fisoronana) – Nomery (Fanisana) – Deoteronomia (Famerenan-teny)

2). IREO BOKY TANTARA ( 12 ) : Josoa - Mpitsara - Rota – Samoela - II Samoela - I Mpanjaka - II Mpanjaka - I Tantara - II Tantara – Ezra – Nehemia - Estera

3). IREO BOKY TONONKIRA ( 6 ) : Joba – Salamo – Ohabolana – Mpitoriteny – Tononkiran’ ny Solomona – Fitomaniana

4). IREO MPAMINANY LEHIBE ( 4 ) : Isaia – Jeremia – Ezekiela – Daniela

5). IREO MPAMINANY KELY ( 12 ) : Hosea – Joela –Amosa –Obadia – Jona- Mika – Nahoma – Habakoka – Zefania – Hagay – Zakaria – Malakia

II. TESTAMENTA VAOVAO : (TV)

1). NY FILAZANTSARA ( 4 ) : Matio – Marka – Lioka – Jaona

2). BOKY TANTARA ( 1 ) : NY ASAN’NY APOSTOLY

3). NY EPISTILY ( 21 ) : Romana – I Korintiana – II Korintiana – Galatiana – Efesiana – Filipiana – Kolosiana – I Tesaloniana – II Tesaloniana - I Timoty – II Timoty – Titosy – Filemona - Hebreo
- Jakoba - I Petera – II Petera - I Jaona – II Jaona – III Jaona – Joda

4). BOKY FAMINANIANA ( 1 ) : APOKALYPSY

B. NY MPANORATRA NY BAIBOLY :

I. TESTAMENTA TALOHA : (TT)

1). MOSESY ( 5 ) : Genesisy– Eksodosy – Levitikosy – Nomery – Deoteronomia
2). JOSOA ( 1 ) : Josoa
3).SAMOELA ( 2 ) : Mpitsara - Rota 4). SAMOELA – GADA – NATANA ( 1 ) : I Samoela
5). GADA – NATANA ( 1 ) : II Samoela
6). JEREMIA ( 2 ) : I Mpanjaka - II Mpanjaka
7). EZRA ( 3 ) : I Tantara - II Tantara - Ezra
8 ). NEHEMIA ( 1 ) : Nehemia
9). MORDEKAY ( 1 ) : Estera 10).MOSESY ( 1 ) : Joba 11). DAVIDA SY OLONA MAROMARO ( 1 ) : Salamo
12).SOLOMONA – AGORA – LEMOELA ( 1 ) : Ohabolana
13). SOLOMONA ( 2 ) : Mpitoriteny – Tonokiran’i Solomona
14). ISAIA ( 1 ) : Isaia
15). JEREMIA ( 2 ) : Jeremia – Fitomania
16). EZEKIELA ( 1 ) : Ezekiela
17). DANIELA ( 1 ) : Daniela
18). HOSEA ( 1 ) : Hosea
19). JOELA ( 1 ) : Joela
20). AMOSA ( 1 ) : Amosa
21). OBADIA ( 1 ) : Obadia
22). JONA ( 1 ) : Jona
23). MIKA ( 1 ) : Mika
24). NAHOMA ( 1 ) : Nahoma
25). HABAKOKA ( 1 ) : Habakoka
26). ZEFANIA ( 1 ) : Zefania
27). HAGAY ( 1 ) : Hagay
28). ZAKARIA ( 1 ) : Zakaria
27). MALAKIA ( 1 ) : Malakia

II. TESTAMENTA VAOVAO : (TV)
1). MATIO ( 1 ) : Matio
2). MARKA ( 1 ) : Marka
3). LIOKA ( 2 ) : Lioka – Asan’ny Apostoly
4). JAONA ( 1 ) : Jaona
5). PAOLY ( 13 ) : Romana – I Korintiana – II Korintiana – Galatiana – Efesiana – Filipiana – Kolosiana
– I Tesaloniana – II Tesaloniana - I Timoty – II Timoty – Titosy – Filemona
6). TSY FANTATRA ( 1 ) : Hebreo
7). JAKOBA ( 1 ) : Jakoba
8 ). PETERA ( 2 ) : I Petera – II Petera
9). JAONA ( 4 ) : I Jaona – II Jaona – III Jaona – Apokalypsy
10). JODA ( 1 ) : Joda

D. SALANISA AO @ BAIBOLY :

- Isan’ny BOKY ao @ Baiboly : 66 (Livres) : ( 3 x 9 TT + 27 TV )
- Isan’ny TOKO : 1.189 (Chapitres)
- Isan’ny ANDININY : 31.101 (Versets)
- Isan’ny FAMPANATENANA ao Baiboly : 1.260 (Promesses)
- Isan’ny DIDY : 6.468 (Commandements)
- Isan’ny FAMINANIANA nolazaina : mihoatran’ny 8.000 (Prophéties annoncées)
- Isan’ny FAMINANIANA tanteraka : 3.268 andininy (Prophéties accomplies)
- Isan’ny FAMINANIANA tsy mbola tanteraka : 3.140 andininy (Prophéties non accomplies)
- Isan’ny FANOTANIANA : 3.294 (Nombre de questions)
- Anarana farany lava indrindra : Mahera-Salala-Hasi-Baza ( Isaia 8 : 1) (Nom le plus long)
- Andininy farany lava : Estera 8 : 9 (Plus long verset)
- Andininy farany fohy : Jaona 11 : 35 (2 teny : Jesosy nitomany) – (Verset le plus court)
- Boky ao ampovoany : Mika – Nahoma (Livres du milieu)
- Toko ao ampovoany : Salamo 117 (Chapitre du milieu)
- Toko farany fohy (@ isan’ny teny) : Salamo 117 (Chapitre le plus court)
- Boky farany lava : Salamo (150 Toko) – (Plus long livre)
- Boky farany fohy (@ isan’ny teny) : III Jaona (Livre le plus court)
- Toko farany lava : Salamo 119 (176 andininy) – (Plus long chapitre)
- Isan’ny teny « Andriamanitra » ao @ Baiboly : 3.358 (Nombre de fois où le mot "Dieu" apparaît)
- Isan’ny teny « Tompo» ao @ Baiboly : 7.736 (Nombre de fois où le mot "Seigneur" apparaît)

E. SALANISA AO @ TESTAMENTA TALOHA :

- Isan’ny Boky (Nombre de livres) : 39
- Isan’ny Toko (Chapitres) : 929
- Isan’ny Andininy (Versets) : 23.114
- Ny Boky eo ampovoany (Livre du milieu) : Ohabolana
- Ny Toko eo ampovoany (Chapitre du milieu) : Joba 20
- Ny Andininy eo ampovoany (Versets du milieu) : II Tantara 20 : 17 - 18
- Ny Boky kely indrindra (Plus petit livre) : Obadia
- Ny Andininy fohy indrindra (Verset le plus court) : Joba 3 : 2
- Ny Andininy farany lava (Plus long verset) : Estera 8 : 9
- Ny Toko farany lava (Plus long chapitre) : Salamo 119

F. SALANISA AO @ TESTAMENTA VAOVAO :

- Isan’ny Boky (Nombre de livres) : 27
- Isan’ny Toko (Chapitres) : 260
- Isan’ny Andininy (Versets) : 7.957
- Isan’ny Teny (Mots) : 180.552
- Isan’ny Litera (Lettres) : 838.380
- Ny Boky eo ampovoany (Livre du milieu) : II Tesaloniana
- Ny Toko eo ampovoany (Chapitres du milieu) : Romana 8, 9
- Ny Andininy ao ampovoany (Verset du milieu) : Asan’ny Apostoly 27 : 17
- Ny Boky fohy indrindra (Plus petit livre) : III Jaona
- Ny Andininy farany lava (Plus long verset) : Apocalypsa 20 : 4
- Ny Toko lava indrindra (Plus long chapitre) : Lioka 1

G. SALANISA @ ANKAPOBEANY :

- Isan’ny Mpanoratra ny Baiboly (Nombre d'auteurs différents) : 40
- Isan’ny fiteny nandikana ny Baiboly (Nombre de langues dans lesquelles la Bible a été traduite): mihoatra ny 1.200
- Nosoratana nandritry ny (Écrit sur une période de) : 1.600 taona
- Nosoratana (Écrit sur 40 générations) : 40 taranaka
- Nosoratana @ fiteny 3 (Écrit en trois langues) : Hebreo – Grika - Araméen
- Nosoratana t@ kontinanta 3 (Écrit sur trois continents) : Eropa, Asia et Afrika
- Nosoratana t@ toerana samihafa (Écrit dans différents lieux) : tany an’efitra, fiefenana, lapa, fonja, ampielezana, tao antrano…
- Nosoratan’ny olona samy hafa asa (Écrit par des hommes de toutes professions) : mpanjaka, tantsaha, dokotera, mpanjono, mpamory hetra, manampahaizana, sns…
- Nosoratana nandritry ny vanim-potoana samihafa (Écrit à différentes époques) : ady, nandry fahizay, fahantrana, fananambe, fahafahana, fanandevozana...
- Nosoratana t@ fotoana samihafa (Écrit dans des atmosphères différentes) : hafaliana, alahelo
- Nosoratana momba ny lohateny samihafa karazany (Rédigé en accord harmonieux sur un large éventail de sujets et de doctrines).

H. NY BOKY 10 LAVA INDRINDRA AO @ BAIBOLY :

1)- SALAMO : Toko : 150 – Andininy : 2 461
2)- JEREMIA : Toko : 52 – Andininy : 1.364
3)- EZEKIELA : Toko : 48 – Andininy : 1.273
4)- GENESISY : Toko : 50 – Andininy : 1.533
5)- ISAIA : Toko : 66 – Andininy : 1.292
6)- NOMERY : Toko : 36 – Andininy : 1.288
7)- EKSODOSY : Toko : 40 – Andininy : 1.213
8 )- DEOTORONOMIA : Toko : 34 – Andininy : 959
9)- II TANTARA :Toko : 36 – Andininy : 822
10)- LIOKA : Toko : 24 – Andininy : 1.151

I. NY BOKY 10 FOHY INDRINDRA AO @ BAIBOLY :
1)- III JAONA : Toko : 1 – Andininy : 14
2)- II JAONA: Toko : 1 – Andininy : 13
3)- FILEMONA : Toko : 1– Andininy : 25
4)- JODA : Toko : 1 – Andininy : 25
5)- OBADIA : Toko : 1 – Andininy : 21
6)- TITOSY: Toko : 3 – Andininy : 46
7)- II TESALONIANA : Toko : 3 – Andininy : 47
8)- HAGAY : Toko : 2 – Andininy : 38
9)- NAHOMA :Toko : 3 – Andininy : 47
10)- JONA : Toko : 4 – Andininy : 48

Manana drafitra manokana tsy takatry ny sain-tsika olombelona Andriamanitra, tiany hitondràna ny fiainantsika. Eny an-da...
01/02/2022

Manana drafitra manokana tsy takatry ny sain-tsika olombelona Andriamanitra, tiany hitondràna ny fiainantsika. Eny an-dalam-pamakivakiana izany,mifikira Aminy, aoreno ny finoana. Manàna fahatokiana fa tsy nateraka ho resy ianao. Mpandresy ianao, satria mpandresy Ilay inoanao sy efa nifidy anao ka nametaka anao tety anivon'ny tontolo. Matokia!!!

Tompo ô ! Misaotra noho ny fitahianao ka na dia nifandimby Téo  aza ny mamy sy mangidy, ny fahasahiranana maro sy ny are...
01/02/2022

Tompo ô ! Misaotra noho ny fitahianao ka na dia nifandimby Téo aza ny mamy sy mangidy, ny fahasahiranana maro sy ny aretina ,dia mbola navelanao nisitraka manontolo iny volana janoary iny izahay. Tsinontsinona tokoa izahay ry Tompo manoloana ny fahatsaranao, nefa tsy nafoinao fa nohamarininao teo mandrakariva ny teninao, mankasitraka indrindra Jesosy. Mbola manantena Anao hatrany izahay Tompo ô ! Raha mety Ianao Jeso, mialohava lalana ny ampitsonay mba hamotika sy handrava ny asan'ny satana tsy hikasika anay, raha mety Ianao Jeso, tehirizo sy tantano ho eo ambany fahasoavanao ireny sombiniaiko saraka lavitra ahy ireny. Raha mety Ianao Jeso, mbola angatahiko sy hitalahoako Aminao mba hamindranao fo miatrika tsy fahasalamana rehetra ka hanendrenao ny loharanon'aretiny hiongotra hatramin'ny fakany ka tsy hanankery, tsy hanam-pahefana amin'izy ireny tsirairay avy izany. Tompo ô ! Hamafiso o***a ny finoanay fa tsy fahafatesana no antom-pisian'ireny fa hanehoanao ny voninahitrao Ilay Tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Raha mety Ianao Jeso, mitoera ho Rain'ny fampiononana feno amin'izay rehetra nidonam-pahoriana, mba ho balsama hanasitrana ny fery navelan'ny ratram-po tamin'ny ngidin'ny famoiza-malala. Tompo ô ! Fantatro fa hainao ny zavatra rehetra koa apetrako eo an-tananao ny ady tsy maintsy mbola hatrehinay. Mankasitra indrindra Jesosy a! Amen🙏🙏🙏

IRETO MISY TORO HEVITRA HO ANTSIKA KRISTIANINA MPANDEHA AM-PIANGONANA1⏭️ Hialao io fahatarana matetika io fa efa fihetsi...
31/01/2022

IRETO MISY TORO HEVITRA HO ANTSIKA KRISTIANINA MPANDEHA AM-PIANGONANA

1⏭️ Hialao io fahatarana matetika io fa efa fihetsika manambara fa mihena ny fifandraisanao @ Andriamanitra.

2 ⏭️ Mandà ny toerana homen'ny mpandamina any ampiagonana ireny fa midika ho fiavonavonana io. Hajanony io!!!

3 ⏭️ Mivoaka mandray antso an-tariby io ialao fa midika hoe tsy mifantoka @ Andriamanitra ianao, vonoy na ataovy "mode silence" ny finday vao miditra ny fiangonana.

4⏭️ Ny fihinana zavatra sy fatoriana mandritra ny toriteny ireny ialao. Hajao sy omeo voninahitra ny Mpahary anao.

5 ⏭️. Ny olona mitsangana ianao mipetraka nefa tsy misy aretina mba tsy afahanao mitsangana. Midika ireny fa kamo ianao no sady tsy manana aim-panahy. Hajanony io!

6 ⏭️ Ny fijerena lera matetika. Ireny dia midika fa tsy manintona sy tsy misy dikany aminao ny zavatra hatao ka maika te hiala ianao.

7⏭️ Manao "jeu" sy manao "connexion" mandritra ny fivavahana alahady ireny avelao fa tsy mety.

8⏭️ Mivoaka mialoha ny firavana ireny nefa tsy misy antony tsy azo hanoarana nefa ny vavaka mbola tsy rava.

9 ⏭️ Ireny mivory2 ivelan'ny fiangonana ireny mba hifosa olona na hanao "debat" na resaka tsy mahasoa nefa ny fivavahana mbola mandeha tsara ampiangonana.

RY HAVANA MALALA AO @ TOMPO, AOKA HO HITA @ HATAOTSIKA ETY IVELANY NY FITIAVANTSIKA AN'ANDRIAMANITRA.

TAHIN'I TOMPO ISIKA REHETRA, AOKA HANDEHA ARAKA NY FANAHY ISIKA, FA NOMENA FANAHY MAHERY ISIKA HANOHERANTSIKA NY FILAN'NY NOFONTSIKA

🎁 MAHAIZA MISAOTRA SY MANKASITRAKA AN' ANDRIAMANITRA MANDRAKARIVA 🎁🎀🧸 Maro ny fomba ahafahantsika misaotra an' Andriaman...
07/03/2021

🎁 MAHAIZA MISAOTRA SY MANKASITRAKA AN' ANDRIAMANITRA MANDRAKARIVA 🎁🎀

🧸 Maro ny fomba ahafahantsika misaotra an' Andriamanitra ary tokony ho fomba fiainana izany satria izany no sitrapon' Andriamanitra.
( I Tesaloniana 5:18 )

🦋 Anisan'izany ny fisaorana am-bava ka afaka miteny isika manao hoe:

🙋🏻Isaorako Ianao Andriamanitra:

🙏🏻 fa mitahiry ahy mandraka ankehitriny
🙏🏻 fa nanome ny Zanakao Lahy tokana mba handovako ny fiainana mandrakizay
🙏🏻 fa mamela ny heloko
🙏🏻 fa mamindra fo amiko isanandro
🙏🏻 fa manafaka ahy,
🙏🏻 fa mamaha ny olako
🙏🏻 fa manadio ahy, manamarina ahy, manamasina ahy
🙏🏻 fa manome ahy fanahy mahery
🙏🏻 fa miaro ahy amin'ny loza rehetra
🙏🏻 fa mihaino sy mamaly ny vavako
🙏🏻 fa mitahy ahy isanandro
🙏🏻 fa mampahery ahy, mampatanjaka ahy, mampitraka ahy
🙏🏻 fa mampatanjaka ny finoako
🙏🏻 fa manasitrana ahy sy miaro ahy amin'ny areti-mandoza
🙏🏻 fa tontosa ny adidy sy andraikitro
🙏🏻 fa vita soamantsara ny tontolo andro sns....

🧸 Tsy ireo zava-tsoa ihany anefa no isaorana an' Andriamanitra fa na ireo tranga tsy nampoizina mety miseho eo amin'ny fiainana aza, toy ny:

☘ fahoriana,
☘ fisedrana,
☘ fanenjehan'ny fahavalo
☘ fankahalan'ny olona.....

➡➡ satria rehefa misaotra sy manome voninahitra an' Andriamanitra ianao dia voaharo tsy hanota ny vavanao ka tsy himonomonona na hanome tsiny an' Andriamanitra ❤❤❤

Manana 1mintra ve ianao anoratana hoe:"Tahio aho Tompo ô🙏🏼"
21/02/2021

Manana 1mintra ve ianao anoratana hoe:"Tahio aho Tompo ô🙏🏼"

Samy mba manohy ny ainao 🙏 ❤❤❤
21/02/2021

Samy mba manohy ny ainao 🙏 ❤❤❤

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ZFLM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share