Vavaky Ny Mpandresy

Vavaky Ny Mpandresy " Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'Ilay tia antsika." Romana 8:37

🌿 π‡π€ππ€πŽ 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 π•π€πŽπ•π€πŽ πˆππƒπ‘π€π˜ 𝐍𝐘 π“πŽπŒππŽ 🌿Tsy mora ny lalana nodiavintsika tamin’ity taona 2025 ity.Nisy ny fahadisoam-pana...
30/12/2025

🌿 π‡π€ππ€πŽ 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 π•π€πŽπ•π€πŽ πˆππƒπ‘π€π˜ 𝐍𝐘 π“πŽπŒππŽ 🌿

Tsy mora ny lalana nodiavintsika tamin’ity taona 2025 ity.
Nisy ny fahadisoam-panantenana,
ny fikatsoana zavatra maro samihafa,
ny vavaka tsy voavaly,
ny ezaka be nefa vokatra kely.

Fa androany, te-hampahery anao sy hampahatsiahy anao amin'ny alalan'ny Tenin’Andriamanitra aho πŸ’¬

πŸ“– β€œIndro, Izaho manao zavatra vaovao; efa mipoitra izany, moa tsy fantatrareo va? Eny, hanao lalana any an-efitra Aho, sy ony any an-tany karankaina.”
β€” Isaia 43:19

πŸ‘‰ Izay nikatso rehetra dia ho vahana
πŸ‘‰ Izay rava rehetra dia ho haorina indray
πŸ‘‰ Izay very fanantenana dia ho havaozina
πŸ‘‰ Izay nitomany mangina dia ho hifaly indray

Ny Tompo tsy Andriamanitra mijanona amin’ny lasa,
fa Andriamanitra manao fanombohana vaovao πŸ™
Amin’ny 2026, Izy no hitarika anao amin’ny lalana vaovao,
na dia tsy hitanao aza ny fiandohany ankehitriny.

✨ Matokia Azy
✨ Aza kivy
✨ Tano ny finoanao

Fa izay nataon’ny Tompo teo aloha dia mbola ho vitany indray β€” ary mihoatra noho izany aza.

πŸ™Ity misy vavaka fohy, sitrako indrindra raha iarahantsika miombona:
β€œTompo Γ΄, atolotray Anao ny lasa, ny ratra sy ireo izay tsy nety rehetra tamin’ny 2025. Havaozy izahay, sokafy ny lalana vaovao, ary ento amin’ny fanatanterahana ny sitraponao izahay amin’ny taona 2026. Amena.”

Vavaky Ny Mpandresy

Address

Antananarivo

Telephone

+261349114425

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vavaky Ny Mpandresy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share