FIZAPI Jesosy Mamonjy

FIZAPI Jesosy Mamonjy FIraisankinan'ny ZAnaka mPItandrina
Fiangonana JESOSY MAMONJY

✝️ FAMPANDRENESANA
27/05/2026

✝️ FAMPANDRENESANA

Nodimandry ny talata 26mai 2026..tamin.11ora alina ny evanjelistra RAHARINIVO celestine..vadin.i Pst FLORENT..mitandrina ny Fiangonana Jesosy mamonjy..iavoloha...Mirary Fampiononana feno sy miombona alahelo amin.ny ankohonany izahay Ondry tandremany....

✝️ FAMPANDRENESANA sy FILAZANA MANJO ✝️Ampandrenesina isika Mpiray fanantenana fa Nodimandry ny Raiamandreny Mpitandrina...
18/05/2026

✝️ FAMPANDRENESANA sy
FILAZANA MANJO ✝️

Ampandrenesina isika Mpiray fanantenana fa Nodimandry ny Raiamandreny Mpitandrina, Pasteur RAVALISON Gregoire, izay mitandrina ny Fiangonana JESOSY MAMONJY Ambatondrazaka

🟣 Hiakatra eto Antananarivo ny razana amin'ny Alakamisy izao, ka mivantana eo amin'ny Chapelle Foibe Ankorondrano.
🟣 Ny SAbotsy 23 Mai 2026 amin'ny 11h no entina ao amin'ny FIangonana JESOSY MAMONJY Foibe ANkorondrano mialoha ny hametrahana azy eny amin'ny fasam-piangonana Soamanandray Ivato

Ny Firaisan-kinan'ny Zanaky ny Mpitandrina dia mirary fiononana feno ho an'ny vadiny, ny zanany rehetra sy ny fianakaviana manontolo.


✝️ FILAZANA MANJOAmin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesana antsika Mpiray fan...
18/05/2026

✝️ FILAZANA MANJO

Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesana antsika Mpiray fanantenana fa nantsoin'i Ray hody any Aminy teo amin'ny faha 10 taonany i

RAZAFINDRASOA Fiderana Sarobidy,
ny Sabotsy 16 Mey 2026, Zanak'i Pasteur RANDRIANANTENAINA Frederic Gaston Sy RANDRIAMALALA Sarah Irène (Mpitandrina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Andrainjato Fianarantsoa).

⚫ Ny razana dia ao amin'ny Fiangonana JESOSY MAMONJY 67ha, ka ny Talata antoandro no hanaovana fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra mialoha ny ametrahana azy eny amin'ny fasam-piangonana Ivato.

Ny firaisankinan'ny Zanaky ny Mpitandrina dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana manontolo.

17/05/2026

FITORIANA FILAZANTSARA
PENTECÔTE 2026

miaraka amin'ny Fiangonana
JESOSY MAMONJY SOAVINANDRIANA

☑️ 22 - 23 - 24 MAY
☑️ KIANJA ambanin'ny filao

🔴 Batisan'ny fibebahana
🔴 Fanoloran-jaza
🔴 Hira fiderana miaraka amin'ny Alabastara



17/05/2026

🔥 FITORIANA FILAZANTSARA LEHIBE 🔥

Fotoana iray tsy tokony ahadiso anjara anao sy ny ankohonanao! 🙌

📅 21 • 22 • 23 Mey 2026
🕒 Amin’ny 3 ora tolakandro
📍 Tanimenabe akaikin’ny Fokontany Ankorondrano Andrefana

✨ Hira fiderana
✨ Toriteny velona
✨ Fijoroana vavolombelona
✨ Vavaka ho an’ny marary, manana olana, mila fanafahana sy fitahiana

📖 “Fa tsy ny tenanay no torinay, fa JESOSY KRISTY TOMPO” — II Korintianina 4:5a

➡️ Tongava maro, ento ny havana sy namana fa misy zavatra lehibe hataon’Andriamanitra! 🙏

12/05/2026

Vavaka hatrany, firariantsoa be no atolontsika an'i Zoky Asaph's Mahane mba ho salama, ahafahany manohy ny asa mbamin'ny adidy aman'andraikitra sahaniny.

26/04/2026

Ry tanora Jesosy Mamonjy, Angataho ny Fanahy Masina hitarika anao sy ny ho avinao.
(Pst Nemezy - 98.6 FM)

FITORIANA FILAZANTSARA LEHIBEAnio no tonga eto ny Famonjena🟡 17 - 18 - 19 Avril 2026🔴 Mangarivotra - isaky ny Hariva🟡 TS...
13/04/2026

FITORIANA FILAZANTSARA LEHIBE
Anio no tonga eto ny Famonjena

🟡 17 - 18 - 19 Avril 2026
🔴 Mangarivotra - isaky ny Hariva
🟡 TSIROANOMANDIDY

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FIZAPI Jesosy Mamonjy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share