14/02/2023
ππ§ππ«π¨ π³ππ«ππ’π§π ππ¦π’π§ππ¬π’π€π π§π² ππ¨ππ¨π§'ππ’π§π ππ§ππ«π¨ππ§π² πππ₯πππ ππ ππππ«π¨ππ«π² ππππ [ππ π
ππππ
ππ'ππ πππππ'πππππππππππππ]
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. 36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra Γ΄, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
Marka 4, 35-41