25/03/2024
Ny fiainana an-dasy dia mahafinaritra💞😁
Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita soa ny lasy😉🥰 misaotra🤝🏻 anareo Ray aman-dReny nametraka ny fitokisana taminay namela azy ireo nandeha niaraka taminay😇 misaotra ny filoha Kimbitry Milefitry sy KP nitondra @-bavaka sy nanohana fa tena zoky sy Ray aman-dReny ianareo dia misaotra🤝🏻 ny rehetra koa fa tsy ho voatono-a tsirairay eto🥰
Ary indrindra misaotra🤝🏻 ireo MP mpanazava rehetra nifanolo-tanana sy nifanampy nahatontosa iny lasintsika iny😍💕
''Tanteraho ny fanompoan-ise🌼'' herezo hatrany
''LASY FITIAVANA''
Lohahevitry ny tontolo andro tany an-dasy
J1: TIAKO NY TENAKO SY NY ZAVA-BITAKO🥰🤞🏻
''Satria aho noharian' Andriamanitra manokana, hafa tsy misy mitovy, dia manana ny maha izy ahy aho 😉 tsy hifampitaha @ hafa aho fa hankasitraka izay ananako💕
Anisan'ny mitana anajara toerana lehibe ny fahatokisan-tena mba hampihena ny tahan'ny ''dépression'' satria rehefa mahatoky tena ny olona iray dia tsy voahozongozon'izan'iza izy @ izay teny fandratrana na fanesona sy ny sisa, ary manana toe-tsaina ''positif'' foana @ fiainana''
maro be ny zavatra nasongadina fa santionany io🥰😁
J2: TIAKO NY NAMAKO SY NY MANODIDINA AHY🥰
''Rehefa matoky tena aho diabtsy hoe hirehareha na hieboebo fa haiko ny manome lanja ny hafa, haiko hoe mana-a ny maha izy azy koa kay ireo namako ireo tahaka ahy ihany, ary tsy ho ambaniako satria matoky ny tenano koa izy, ary satria koa aho olona mendrika manana ny maha izy ahy dia mila maneho izany @ hafa @ fanajako ny hafa sy ny tontolo manodidina ahy
Hoy ny zoky Ray aman-dReny iray izay hoe
◼ mianatra tsara/ Miasa tsara
◼ miavavaka tsara
◼ dia manao Mpanazava foana
..'Ndeha hanao MPANAZAVA💕❤🩷
Santionany ara-tsary ny fiainanay tany❤
Nomena Maholitiana