Hiran-damesa Katôlika

Hiran-damesa Katôlika HO VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY
(4)

MASINDAHY ADELPHE DE REMIREMONTAnkalazaina isaky ny 11 septambra Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato...
10/09/2026

MASINDAHY ADELPHE DE REMIREMONT

Ankalazaina isaky ny 11 septambra

Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato fahafito izy. Voatendry ho lehiben’ny trano tao Saint-Mont rehefa maty Habendi Castrum tamin’ny 03 desambra 653. Nandritra ny fito ambin’ny folo taona no nanaovany izany andraikitra izany. Naniry mafy ny hitokana any Luxeuil i Adelphe.
Rehefa nananontonona azy ny ora hafatesany dia nangataka hiala amin’ny maha lehiben’ny trano azy izy ary nipetraka any Luxeuil amin’ny andro sisa hiainany. Rehefa tonga tany izy dia noraisin’ilay frera antsoina hoe Emmon, izay mpandray vahiny no asan’izy io. Ny 11 septambra 673 maraina nanontany an’i Emmon i Adelphe raha efa ora fifohazana ho an’ny vavaka ; nefa hoy i Emmon hoe andrasantsika aloha ny lakolosy famantarana. Dia lasa nivoaka i Emmon ary nametraka mpitoka-monina iray teo mba hiandry an’i Adelphe. Nanomboka teo ny fanaintainana lehibe sady ora farany ihany koa. Mbola nanana fotoana nanaovana ny famantarana ny hazofijaliana anefa i Adelphe ary nivavaka kely. I Ingofroy moa no nahita ny nialany aina ary io ihany koa no nampilaza ireo relijozy tao Remirmont.
Ny Abbé Garichramme, mpandimby an’i Adelphe, dia niainga maraina niaraka amin’ireo mpitoka-monina maro be sy kristianina hafa mba ho tonga any amin’ny fandevenana, ary naharitra iray andro sy iray alina izany. Ny relijozy tao Saint-Mont dia nidina hatrany Moselle niaraka tamin’ny lehibeny ihany koa, Tecte moa no anaran’io lehibe io, nanotrona tao am-piangonana izy ireo hatrany amin’ny toerana nandevenana an’i Adelphe tao amin’ny bazilikan’i Sainte-Marie. Isaky ny 11 septambra dia hankalazaina ao Luxeuil ny fetin’i Masindahy Adelphe, taty aoriana dia nafindra tao amin’ny fiangonan’ny trano fitokana-monina tany Remirmont niaraka tamin’i Masindahy Romanic sy Masindahy Aimé ny reliques an’i Masindahy Adelphe. Nasandratry ny papa ho olontsambatra ny taona 1049 i Adelphe ary ny papa Leon IX no nanao an’izany.

10/09/2026

INDRO RE NY TENANAY

1- Indro re ny tenanay, atolotray anao ry Ray
Raiso re raha sitrakao, ho famonjena ho anay

ASANDRATRAY, ASANDRATRA E
'ZAO HO TOLOTR'HO ANAO RY RAY (bis)

2- Indro re ezakay, atolotray anao ry Ray
Raiso re raha sitrakao, ho famonjena ho anay

3- Ny fifankatiavanay, atolotray anao ry Ray
Raiso re raha sitrakao, ho famonjena ho anay

4- Ny adidinay tanterakay, atolotray anao ry Ray
Raiso re raha sitrakao, ho famonjena ho anay

5- Ny asaloha isan'andro, atolotray anao ry Ray
Raiso re raha sitrakao, ho famonjena ho anay

6- Ny vavakay isan'andro, atolotray anao ry Ray
Raiso re raha sitrakao, ho famonjena ho anay

NOTRE DAME DE LOURDE SOAVINANDRIANA ITASY
10/09/2026

NOTRE DAME DE LOURDE SOAVINANDRIANA ITASY

ECAR MD JACQUES  BERTHIEU AMBIATIBEMisy mpanaraka ny pejy ve mivavaka ao , asio présence kely ao amin'ny commentaire hoe...
08/09/2026

ECAR MD JACQUES BERTHIEU AMBIATIBE

Misy mpanaraka ny pejy ve mivavaka ao , asio présence kely ao amin'ny commentaire hoe ?

Manaraka fiofanana any Roma ny eveka telo mirahalahy avy eto Madagasikara. Mgr i Marek Ochlak, Evekan’i Fenoarivo Atsina...
08/09/2026

Manaraka fiofanana any Roma ny eveka telo mirahalahy avy eto Madagasikara. Mgr i
Marek Ochlak, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana, sy Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, Eveka mpanampy Antananarivo, ary Mgr Jeannot Martial Andrianandrainy, Eveka mpanampy Morondava.

Nanomboka tamin’ny 2 septambra ary hifarana ny 10 septambra io fiofanana omen’ny ao Vatikana ho an’ny eveka vao nohamasinina io. Tamin’ity taona ity dia miisa 147 izy ireo, avy amin’ny kontinanta dimy maneran-tany.

Karazana “mini-master” ity fiofanana ity ka sehatra maro no halalinina : ny litorjia, ny iraka (mission), ny fanararaotana (abus), ny sekta vaovao, ny fitantanana, ny rariny sy ny fangaraharana. Eo koa ny fiarahan-dia (synodalité), ny fanavakavahana ara-poko, ny fiomanana ho pretra, ny krizy sy ny fitsipi-pifehezana ho an’ny pretra, ny fifampiresahan’ny samy hafa finoana, ny fanamby ara-kolontsaina.

Tamin’ny taona 2000 ny Papa Joany Paoly II no nanomboka nampanao an’ity fiofanana ity isaky ny volana septambra. Sehatra hifanakalozan-kevitra sy anovozana fahalalana ho an’ireo eveka vao notendrena nandritra ny taona izy ity. Sehatra hahafahan’izy ireo mandray torolalana ho an’ny fanatanterahan’izy ireo ny andraikiny amin’ny maha mpiandry ondry azy ireo.

NAHATRERAHAN'I MASINA MARIA VIRJINYAnkalazaina isaky ny 08 septambra Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja ...
07/09/2026

NAHATRERAHAN'I MASINA MARIA VIRJINY

Ankalazaina isaky ny 08 septambra
Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin'ny bazilika ao amin'io toerana nahatrerahan'i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin'i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan'i Maria Virjiny.
Io toriteny io dia maneho ny fahasamihafan'i Maria amin'ny vehivavy hafa : “Ankehitriny dia hisy tovovavy virjiny hivoaka amin'i Joda sy i David, mitondra ny famantarana ny fanjakana sy ny fisoronana avy amin'izay nandray ny soron'i Aaraona araka ny lalan'i Melkisedeka”. Izay ilay toriteny tamin'izany. Any Roma dia ao amin'ny bazilikan'i André ny fankalazana io fety io, manao ny vavaka mandeha miala ao amin'ny bazilikan'i Masindahy André, ary mankany amin'ny bazilika Sainte Marie Majeur. Ny bokim-pivavahana katôlika dia mametraka ny hira ao amin'io fankalazana io mitovy amin'ny hira fankalazana an'i Masina Maria nampiakarina any an-danitra. Ao amin'ny boky “Histoire des mystères et des fête” no hitantaran'ny papa Benoît XIV fa isan-taona isaky ny 08 septambra dia misy mpanirery naheno hira avy any an-danitra. Rehefa niresaka tamin'Andriamanitra io mpanirery io, ny anton'izany, dia novaliany hoe fahatsiarovana ny nahaterahan'i Maria Virjiny izany, izay ankalazaina any an-danitra ary nilaza io fa teraka ho an'ny olombelona i Maria ary tokony hankalaza izany ny ety antany. Dia nankany amin'ny papa ilay mpanirery nitantara io fahitana io ka nanapa-kevitra ny papa fa asiana ny fety fankalazana ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny.
Any France ny fety nahaterahan'i Maria Virjiny dia efa hatramin'ny ela no nitondra ny anarana hoe Notre-Dame d'Angevine. Io moa dia natao indrindra hampahatsiahy ny nisehoan'ny Virjiny Masina tamin'i Maurille evaka tao Angers taminy taona 430 teo akaikin'i Saint-Florent no nitrangan'izany fisehoana izany. Niangavy tamin'io eveka io ity vehivavy ity mba hametraka fotoana ho an'ny fankalazana ny nahaterahan'ny masina Maria Virjiny. Nanao izay tratran'ny heriny i Fulbert eveka tao Sartre mba hanely io fankalazana io amin'ny ilany avaratra tamin'ny nanjakan'ny mpanjaka Robert le Pieux. Ny alin'io fankalazana io nisy nandoro ny katedraly, rehefa naverina nahorina izany dia nampitondraina ny anarana hoe Nativité de Notre-Dame. Rehefa maty ny papa Celestin IV dia nampidirin'i Frédéric II am-ponja avokoa ny kardinaly mba tsy hivory anao ny conclave (ilay fotoana hifidianana ny papa). Nanao voady ireo kardinaly rehetra teo fa rehefa afaka soa aman-tsara amin'izany fonja izany dia hanoka herinandro ho fankalazana ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny. Vao afaka izy ireo dia nifidy an'i Innocent IV ary nanatanteraka io voady io tamin'ny Konsily voalohany tao Lyon ny taona 1245. I Gregoire XI dia nanao fiambenana masina tany Ananie amin'izany fankalazana izany.

EKAR MB TEREZY ANDRANOMENA DISTRIKA ANDREBA GARE DIOSEZY AMBATONDRAZAKA
07/09/2026

EKAR MB TEREZY ANDRANOMENA DISTRIKA ANDREBA GARE DIOSEZY AMBATONDRAZAKA

MB REINEAnkalazaina isaky ny 07 septambra Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin'ny fahenina ambin'ny folo taonan...
06/09/2026

MB REINE

Ankalazaina isaky ny 07 septambra
Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin'ny fahenina ambin'ny folo taonany izy no nibebaka ho kristianina izany hoe tamin'ny taona 252. Niandry ondry teo amin'ny tendrombohitr'i Auxois izy no saika ho viravirain'ny governora romanina tao Gaule, Olibrius na Olimbrius, nefa nanohitra i Reine ary nandà ny fanambadiana mba tsy hanimbazimbana'io ny finoany.
Novonoina ho martiry izy, notapahana ny lohany. Taonjato iray tao aorian'izay dia nivoatra ny fanajana azy ka taty aoriana dia lasa fototry ny resaka teo an-tanana ny naha martiry an'io olomasina io.
Ny fombam-pivavahana fanajana an'i Masimbavy Reine dia nihamafy hatramin'ny nahitana ilay fitaovana fankalazana ny eokaristia tamin'ny taona 1909 tao Alésia izay nahitana lovia iray sy kalisy telo izay noheverina fa nampiasaina tamin'ny Sorona Masina. Ilay lovia dia nahitana sary trondro voasokitra ICHTUS toy ny ao Autun sy ny anarana hoe Regina izay hoe Reine no heviny. Ireo dia nitondra ny datin'ny taonjato fahefatra, izay tsy mampisalasala ny fisian'ilay martiry. Ny mponina ao an tanan'i Alise-Sainte-Reine izay niitatra hatrany ampototry ny tendrombohitr'i Auxois dia nifidy azy ho mpiaro ny tanana. Ary isan-taona ny mponina ao dia mikarakara fankalazana ho fahatsiarovana sy ho fanajana an'i Masimbavy Reine. Io fomba io dia efa hatramin'ny 866 ary mbola tsy lefy. Io no fankalazana tsy miato hatramin'izay tao France. Ny reliques an'i Masimbavy Reine dia tehirizina ao amin'ny trano fitokana-monina ao Flavigny-sur-Ozerain hatramin'ny ivon'ny taonjato fahasivy.

04 SeptembreMb Rosalie
04/09/2026

04 Septembre

Mb Rosalie

 Izy no  mompera ANDRIAMAHITA Pierre avy ao Andranomaria (Anosibe An'Ala) diosezy Moramanga , pretra avy amin'ny fikamba...
03/09/2026


Izy no mompera ANDRIAMAHITA Pierre avy ao Andranomaria (Anosibe An'Ala) diosezy Moramanga , pretra avy amin'ny fikambanan-drelijiozy Trinitera. Izy dia teraka tao Ambatondrazaka ny 1 Août 1956, Niditra tamin'ny Noviciat tao Tsriroanomandidy izy ny 08 Octobre 1979, nanao ny voady voalohany izy ny 08 Octobre 1980 tao Tsiroanomandidy ihany.Ny 10 Août 1986 izy no nanao voady farany tao Moramanga ary namasinina ho pretra tao Moramanga ny 2 Août 1987.Izy dia nodimandry teo amin'ny 58 taonany ny 27 Septembre 2014 tao Antananarivo sady curé tao paroasy Kristy Mpanjaka Manjakaray . Ary anisany namela mamy tokoa izy satria ankoatry ny maha-mpanabe sy mpampianatra azy dia mbola mitamberina ato an-tsaina ankehitriny ireo hira maro noforoniny na tao amin'ny Ankalazao ny Tompo na tao amin'ny Antsan'ny Trinite Masina (ATM).

Address

Manakambahiny
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hiran-damesa Katôlika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share