Pasteur Hasina

Pasteur Hasina 2 Korintiana 5:14 « Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay… »

Anisany mampisy dikany ny fiainana, mitondra fiantraikany tsara na eo anivon’ny fahasalamana ara-tsaina na ara-batana na...
20/01/2025

Anisany mampisy dikany ny fiainana, mitondra fiantraikany tsara na eo anivon’ny fahasalamana ara-tsaina na ara-batana na ara-piainana ny fananana tanjona.
Amin’ity taona ity, manàna fotoana hipetrahana, handinihana, ametrahana tanjona, sy ny lamina ary ny paikady hahatratrarana izany, ary ihany koa hangatahana ny fanampian’Andriamanitra manokana.

Amin’ity taona vaovao ity, aza avela handeha hoazy intsony ny fiainanao.Miantraika amin’ny hoavy manontolo ny safidy sy ...
16/01/2025

Amin’ity taona vaovao ity, aza avela handeha hoazy intsony ny fiainanao.
Miantraika amin’ny hoavy manontolo ny safidy sy ny fitondram-piainana raisinao eo amin’ny fiainanao.
Ny olona tokony tena hitandrina tsara ny fiainanao dia ianao, tsy tokony hisy hitandrina ny fiainanao miohatra noho ianao.
Tandremo tsara ny alehanao.

Maro zavatra mahakivy, mahaketraka, mampamoy fo eto amin’ity izao tontolo izao ity. Tsy maintsy ho mafy foana ny zavatra...
15/01/2025

Maro zavatra mahakivy, mahaketraka, mampamoy fo eto amin’ity izao tontolo izao ity.
Tsy maintsy ho mafy foana ny zavatra miandry antsika. Mila tonga olona mahery isika, vonona hiatrika na ahoana na ahoana, na inona na inona.
Mila ny herin’ny Fanahy masina sy ny herin’ny faherezana isika mba hahery mandrakariva.

Na inona tsy nety, na inona tsy vita, eny na inona fahadisoana vitanao tamin’iny taona lasa iny. Na inona antony mazava ...
11/01/2025

Na inona tsy nety, na inona tsy vita, eny na inona fahadisoana vitanao tamin’iny taona lasa iny. Na inona antony mazava tokony haha-potika ny fiainanao?
Hoy ny Tompo: tsy horavana fa mbola misy zavatra tsara afaka hivoaka amin’ny alalany.

Mbola misy fanantenana ny fiainanao satria velon’aina ianao:
Misy fiainana tsara lavitra mbola miandry anao,
misy fahombiazana tsara lavitra miandry anao,
misy fandresena tsara lavitra miandry anao,

Nomen’Andriamanitra tombon’andro isika ( Taona vaovao ):— afahana mandinika,— manitsy sy manarina izay tsy mety,— Manats...
10/01/2025

Nomen’Andriamanitra tombon’andro isika ( Taona vaovao ):
— afahana mandinika,
— manitsy sy manarina izay tsy mety,
— Manatsara izay tokony atsaraina.
— Mahazo hevitra avy amin’Andriamanitra, hitondrana ny fiainana manontolo…
Nomena tombon’andro isika mba ananantsika fanantenana fa afaka ny hiova sy handroso ny fiainantsika.
Izahay dia mino fa afaka ny ho tsara lavitra ny hoavinao.

Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy Pasteur Hasina nahatratra ity taona 2025 ity.Ato amponay ny hahita anao...
01/01/2025

Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy Pasteur Hasina nahatratra ity taona 2025 ity.
Ato amponay ny hahita anao Mahomby amin’ny hatao, handeha ka hamoa, hihatrika ka handresy, handroso amin’ny fiadanana amin’ity taona vaovao ity.
Manasa anao izahay anaraka hatrany ny pejy. Inoanay fa hanampy anao sy hahasoa anao ny fizarana eto amin’ny pejy.
Mirary soa indrindra.
Ny fiadanan’ny Tompo anie hoaminao.

Fahatsapana tokony tsy maintsy  ananantsika ny mihevitra tsara ny fiainantsika, ny hanana finiavana sy fifantohana manok...
20/12/2024

Fahatsapana tokony tsy maintsy ananantsika ny mihevitra tsara ny fiainantsika, ny hanana finiavana sy fifantohana manokana ampandroso sy ampandeha izany.
Tsy ampy anefa raha hatreho ihany, satria mampianatra antsika ny Teny hiankina amin’ILAY mahalavorary izany. ANDRIAMANITRA anie ahalavorary ny dihanao amin’izao faraparan’ny taona izao.

Ny afo dia mandoro izay mikasika azy.a- Ny fahotana dia tahaka ny afo, izay mikasika azy dia dorany.b- Ny fitiavana ihan...
18/12/2024

Ny afo dia mandoro izay mikasika azy.
a- Ny fahotana dia tahaka ny afo, izay mikasika azy dia dorany.
b- Ny fitiavana ihany koa dia tahaka izany, eny manatombo lavitra noho izany ny vokatra entiny.
Ny fahotana manimba sy mandrava, ny fitiavana kosa manangana sy mamelona.
Izay ravan’ny fahotana, afaka arenin’ny fitiavana.
Ny fitiavana manarona fahotana maro.
Sitrano amin’ny fitiavana ny fiainanao, ny tokantranonao, ny ankohonanao, ny fianankavianao.
Vavaka ao amin’ny commentaire.

Ny endriky ny fiainantsika rehetra dia faritan’izay rakitra ao anatin’ny fontsika. Miankina be aminy ny safidy sy ny fan...
13/12/2024

Ny endriky ny fiainantsika rehetra dia faritan’izay rakitra ao anatin’ny fontsika. Miankina be aminy ny safidy sy ny fanapahan-kevitra raisintsika, ny tsiron’ny fiainantsika rehetra mihitsy.
manàna faniriana, ataovy izay tokony hatao mba rakitra tsara no ameno sy hamaritra ny fiainanao.
Vavaka ao amin’ny Commentaire.
Aza adino ny manaraka ny page: Abonner et liker

Noho ny famafisan’ny ady nifandimby, dia nanjary mafy ny fontsika, tonga fo vato. Noho ny antony tsy azo anoharana dia t...
12/12/2024

Noho ny famafisan’ny ady nifandimby, dia nanjary mafy ny fontsika, tonga fo vato. Noho ny antony tsy azo anoharana dia tahaka ny hoe manamafy fo no vahaolana farany azo hatao.
Kanefa mitondra voka-dratsy maro ny fo vato: manimba fiainana, mitondra amin’ny fikorotanantsaina, tsy misy fifaliana, tsy mahay manao ny sitra-pon’Andriamanitra.
Sitra-pon’Andriamanitra ianao sambatra, mahomby, ambinina, mandresy.
Avelao Ny Fanahy masina iasa, hanova ny fo vato ho fo nofo.
Vavaka ao amin’ny commentaire.
Abonné-o ny page mba afahantsika maharaka tsara ny fizarana rehetra.

Na inona na inona, na ahoana na ahoana, tsy natao handositra ao anaty ady ianao.Raha miaraka amin’Andriamanitra ianao, t...
11/12/2024

Na inona na inona, na ahoana na ahoana, tsy natao handositra ao anaty ady ianao.
Raha miaraka amin’Andriamanitra ianao, tsy ho tapi-dalan-kaleha ianao, tsy ho rava anaty ady, tsy mahazo mifarana ny ady raha tsy ianao no mandresy.
Mijorò, mandrese, hatreho ampinoana fa momba anao Andriamanitra.
Vavaka ao amin’ny commentaire.

Ny fiainana dia atsangana miaraka amin’Andriamanitra. Manana andraikitra lehibe isika mba androsoantsika sy ananantsika ...
05/12/2024

Ny fiainana dia atsangana miaraka amin’Andriamanitra. Manana andraikitra lehibe isika mba androsoantsika sy ananantsika fiainana mitsangana.
Ny olona hendry dia mitandrina tsara mba hanany fiainana tsara, sy tafatsangana tsara.
Tongava ho ilay karazana mpanangana fiainana miaraka amin’Andriamanitra.
Vavaka ao amin’ny commentaire

Address

Antananarivo

Telephone

+261346997274

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pasteur Hasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Pasteur Hasina:

Share