Akon'ny ZIONA Manjakandriana

Akon'ny ZIONA Manjakandriana Association cultuelle

11/09/2022

Finaritra eh! Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny fiombonam-bavaka ny ZA Ziona Manjakandriana .Maro no Tonga ary manentana antsika hatrany hikely aina amin'ny asa fitoriana ataon-tsika ! Mamerin-kira isika n'y Alahady 18 Septembre @ 2ora y 15 mn ao Ambatomaro ao @ Tonton Serge izay nanavao ny firotsahany ho mpikambana Akon'i Ziona,mampahery antsika rehetra ho an' Andriamanitra irery ny voninahitra!

03/08/2022

Finaritra!Famerenan-kira sady fiomanana 'ny Sampana Sekoly Alahady FJKM Manazary Andranovao ny Alahady 07 Aogositra 2022 izao ny fotoana dia @ 2 ora 15 mn eny Ambatomaro tranon'i Pdt ANDRY Filohan'ny Fikambanan'ny Zanaka Am-pielezana Ziona Manjakandriana ! Mifampilaza isika mpikambana taomy ny namana tongava maro! Fiadanana ho anareo!

28/06/2022

Finaritra ! Isaoran-tsika ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny voka-dehiben'ny Zanaka ampielezana tany Manjakandriana ,isaorana isika rehetra nandray anjara tamin'izany,ary ny voninahitra dia an'Andriamanitra irery ihany! Entanina kosa anefa isika mpikambana mba ho tonga amin'ny fianarankira amin'ny Alahady faha 03 Jona 2022 izao ny toerana dia mbola ho lazaina amin'ny Sms ho tonga any amin-tsika tsirairay avy! Samia ho tahian'ny Tompo

09/06/2022

Finaritra eh!Miarahaba antsika rehetra!Tonga indray ny andro hihaonana koa dia manasa antsika rehetra ny amin'ny fiaraha-miombom-bavaka ny ALAHADY faha 12 Jona 2022 manomboka amin'ny 9 ora maraina ao amin'ny Institutions FANEVA Ankadindramamy ary dia manentana antsika Antoko-pihira Akon'i Ziona rehetra mba ho tonga maro amin'io!Aoka hifampilaza isika rehetra!Samia ho tahian'ny Tompo daholo

09/05/2022

Mirary herinandro finaritra ho antsika ho tahian'ny Tompo

18/04/2022

Finaritra! Miarahaba antsika rehetra tratry ny P***a! Ho mpandresy toa an'i Kristy hatrany anie isika!

14/04/2022

Finaritra! Miarahaba antsika nahatratra ny alakamisy Masina!

05/03/2022

Finaritra! Hiverina amin'ny alahady faha 13 Martsa 2022 ny fiombonam-bavaky ny Zanaka Ampielezana Ziona Manjakandriana rehefa niato nandritra ny fotoana maromaro ary dia manentana antsika ho tonga maro indray amin'izany! Fidirana @ 9 ora maraina.Toerana: Institution Faneva Ankadindramamy.Taomy ny havana aman-tsakaiza."Aza mahafoy ny fiarahan-tsika miangona" Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra

31/10/2021

Misaotra an'Andriamanitra lehibe isika fa tontosa soa aman-tsara iny fetin'ny Taranaka natao tany FJKM Ziona Manjakandrina! Misaotra antsika mpikambana rehetra ato amin'ny Akon'i Ziona nahatontosa ny zara fanompoan-tsika,ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitahiany anie hirotsaka amintsika tsirairay hatrany,dia ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra

31/10/2021

Isaorana ny Tompo fa izy no miasa,nahatratra 11 760 400 Ar ny vokatra azo tamin'ny Fetin'ny Taranaka teto FJKM Ziona Manjakandrina.Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra

Address

ZA FJKM ZIONA Manjakandriana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Akon'ny ZIONA Manjakandriana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share