Africa Inland Mission Madagascar

Africa Inland Mission Madagascar Stories, celebrations, goals and challenges of AIM Madagascar towards reaching the unreached people groups in Madagascar and through Malagasy missionaries

Mbola eo amin’ny seza fiandrianana ny Filoha. Tsy miresaka momba an'i Andry anefa izahay...Ao amin'ny AIM izahay dia man...
14/10/2025

Mbola eo amin’ny seza fiandrianana ny Filoha. Tsy miresaka momba an'i Andry anefa izahay...

Ao amin'ny AIM izahay dia manontany tena momba ny dingana manaraka ho an'ity firenena mahafinaritra ity.

Be dia be ny tsy fahatokisana.
Be dia be ny tsy fandriam-pahalemana.

Fa Kristy dia mbola manjaka eo amin’ny seza fiandrianana ambonin’ny seza fiandrianana rehetra (Heb 12:2) ary mitana ny ho avin’i Madagasikara eo am-pelatanany.

Aoka isika hivavaka ho an’ny ho avin’i Madagasikara, ary hitaraina amin’Andriamanitra mba hananganany ny firenena amin’ny lavaka fandringanana ary hametraka azy eo ambonin’ny vatolampin’i Kristy.

Na eo aza izany tsy fandriam-pahalemana izany dia hirotsaka amin’ny vahoaka anie ny fiovan’ny filazantsara, mba tsy hisian’ny fiovana maharitra amin’ny maha-firenena an-tany an’i Madagasikara ihany, fa mba hiainan’ny Malagasy ny voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ( 2 Kor 4:17 ).

Manana bokikely vaovao izahay! Feno torohevitra momba ny asa nanirahana an'Andriamanitra ho an'ny firenena rehetra sy ny...
09/09/2025

Manana bokikely vaovao izahay! Feno torohevitra momba ny asa nanirahana an'Andriamanitra ho an'ny firenena rehetra sy ny fomba ahafahanao mandray anjara. Mandefasa hafatra aminay raha mila kopia an-tserasera maimaimpoana ianao...

Fitahiana toy inona moa ny nandray anjara tamin’ny lasy 3M isan-taona ho an’ny tanora! Nampianatra momba ny maha-zava-de...
08/09/2025

Fitahiana toy inona moa ny nandray anjara tamin’ny lasy 3M isan-taona ho an’ny tanora! Nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny iraka maneran-tany izahay ary avy eo dia nanatevin-daharana fikambanana valo hafa ho amin'ny foara misiôna. Nisy resaka nahafinaritra!

15/05/2025

Gazety-boky momba misiona amin'ny teny Malagasy!

🌟Fiombonana🌟Faly hatrany ny amin'ny nahafahana niombona,nifampizara ny mahasoa,nifanohana,nifampahery sy nifampianatra.N...
06/08/2024

🌟Fiombonana🌟
Faly hatrany ny amin'ny nahafahana niombona,nifampizara ny mahasoa,nifanohana,nifampahery sy nifampianatra.Nahaliana ny lohahevitra nifampizarana:toy ny *fanambadiana araka ny sitrapon'Andriamanitra,ny fihariana,....😊👩‍🔧
👉 Isaorana isika namana, mpiaramiasa amin'ny AIM rehetra izay niara-niombona ho amin'ny fanatrarana ireo faritra mbola tsy tratry ny filazantsara eto Madagascar.Tao ny avy any Nosy Be, ny avy any Nosy Mitsio,ary koa ny Ambilobe rehetra izay nandray tamin'ny Fitiavana be 😍
Eo koa ny ekipa avy Antananarivo niara-nisalahy tamin'ny fanatanterahana sy fanomanana rehetra.
'asa Ambilobe
Ny 30-31 Juillet -01 Août 2024
Ambilobe Madagascar

🌟Atrik'asa Fianaratsoa 🌟Isaorana an'Andriamanitra Tompon'ny zavatra rehetra, isaorana atsika namana sy mpiaramiasa rehet...
15/07/2024

🌟Atrik'asa Fianaratsoa 🌟
Isaorana an'Andriamanitra Tompon'ny zavatra rehetra, isaorana atsika namana sy mpiaramiasa rehetra amin'ny AIM ihany koa Tonga niara-nidinika ny fampandrosoana filazantsara any @ faritra izay tsy tratra 🙏
Tsapa fa ao am-pon'ny tsirairay, miaraka amin'ny Fiangonana misy azy avy izany fampandrosoana ny filazantsara izany.
Koa mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo isika rehetra
Atrik'asa Fianaratsoa
08/09/10 Juillet 2024 😊🔥

🌟 FISAORANA 🌟Isaorana an'Andriamanitra ny amin'ny fitomboan'ny asa iarahan'ny AIM amin'ny Fiangonana ho fanatrarana ireo...
05/07/2024

🌟 FISAORANA 🌟
Isaorana an'Andriamanitra ny amin'ny fitomboan'ny asa iarahan'ny AIM amin'ny Fiangonana ho fanatrarana ireo faritra tsy tratry ny filazantsara.
Mahafinaritra fa toy izao ny vokatra any Betroka
👉Vom Mahatsinjo ,vita trano biriky ny trano Fiangonana ao,izay trano bozaka teo aloha,noho ny fiaraha-mientana nataon'ny kristianina rehetra sy ny mpitandrina,ny katekista ary ireo misionera.
👉Hotokanana ny 06 jolay ho avy izao izy io
Isaorana isika tapaka sy namana manohana,miombona amin'ny lafiny rehetra🔥👍

🌟👑Hafatra ho anao👑🌟Andriamanitra tia ny tsirairay amin'ny maha izy azy azy. Tsy manavaka Izy fa tia ny olona rehetra na ...
22/06/2024

🌟👑Hafatra ho anao👑🌟
Andriamanitra tia ny tsirairay amin'ny maha izy azy azy. Tsy manavaka Izy fa tia ny olona rehetra na iza na iza Izy. Tsy mitaky zavatra sarotra Izy rehefa miantso ny tsirairay handray famonjena fa ny fo vonona handray izany famonjena avy aminy izany no zavadehibe.
👉Tia anao Andriamanitra amin'ny maha izy azy anao,ary te hiara-paly aminao amin'ny fombanao,fiavianao Izy 💕😊
ianao 🔥,malalany💕,maminy 😋😊

💪FAMPAHEREZANA💪Ilaina amin'ny fahasalaman'ny misionera ny fahatsapana tohana avy amin'ny fikambanany. Tamin’ny volana la...
18/04/2024

💪FAMPAHEREZANA💪
Ilaina amin'ny fahasalaman'ny misionera ny fahatsapana tohana avy amin'ny fikambanany. Tamin’ny volana lasa teo dia nandray ny « Directeur Régional » sady « Directeur internationale » eto Madagasikara izahay. Nitsidika sy nampahery an’ireo misionera teny amin’ny saha izy ireo, hatrany avaratra ka hatrany atsimo. Nahafinaritra ny nandray azy ireo.

Address

Lot 17i Imerinafovoany
Antananarivo

Telephone

+261320789567

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Africa Inland Mission Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share