05/12/2025
LITORJIA IOMBONANA
ALAHADIN’NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FJKM
Alahady, faha-14 Desambra 2025
« MANANTENÀ AN’ANDRIAMANITRA »
Litorjia amin’ny endriny Voalohany
1°- Fiarahabana apostolika
2°- Fiderana an’Andriamanitra
- Salamo 106. 1-5
1Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2 Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra? 3 Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.4 Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,5 Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.
- Hira 780
- vavaka
3°- Sitrapon’Andriamanitra : (Salamo 71. 5)
- « Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. » Masina ny sitrapon’Andriamanitra ! Sambatra ny mahitsy lalana ……
- Hira 759 : 2,3
4°- Vavaka fifonana
- Hira 790 : 1,2
5°- Famelan-keloka : (Isaia 49.15,13 ; Lioka 19. 10)
- « Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra. « Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very. » Voavela ny helokareo noho ny Anarany Masina, Miderà ny Tompo ! Sambatra ny olona izay voavela ny helony …..
- Hira 788 : 1,2,3
6°- Fanekem-pinoana
7°- Asan’ny Fiangonana
- Raharaham-piangonana
- Famakiana ny hafatra avy amin’ny Foibe Sampana Sekoly Alahady
- Rakitra ( Hiran’ny Sekoly Alahady, FFPM 779, 801, 808)
8°- Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
- Hira 786 : 1
- FAST
- Hira 786 : 2,3
- Vavaka alohan’ny vakiteny
- Vakiteny
o Salamo 131. 1-3
o Lioka 10. 21-24
o 1 Korintiana 14. 20-22
- Hira 212
- TORITENY
9°- Vavaka setrin’ny toriteny sy fangatahana + vavaka nampianarin’ny Tompo
10°- ASA VAVOLOMBELONA
11°- famaranana :
- Hira 75 :1,2,3
- Tsodrano
12°- vavaka mangina
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ! Amena