I Love GOD

I Love GOD exhortation, applying the word of God in our daily life

Rehefa nandositra an’i Labana i Jakoba, dia hitantsika ao amin’ny Soratra Masina fa nangalatra ny sampin-drainy i Rahely...
05/01/2026

Rehefa nandositra an’i Labana i Jakoba, dia hitantsika ao amin’ny Soratra Masina fa nangalatra ny sampin-drainy i Rahely (Genesisy 31:19). Taty aoriana, rehefa nisava entana mba hitady izany i Labana, dia nafenin’i Rahely tao ambany laselin-drameva ilay izy ary nipetrahany, sady nanizingizina izy fa tsy afaka nitsangana satria tsy salama (Genesisy 31:34–35).

Ho ahy dia toa antsipiriany hafahafa sady mora adino io. Tany amin’ny sekoly ara-baiboly vao tsapako fa tsy fihetsika kely fotsiny na tsy misy dikany iny.

Tamin’ny andro fahiny, ny “terafima” (na sampin’ny mpianakavy) dia tsy haingon-trano fivavahana fotsiny. Nisy lanjany lehibe teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fomba amam-panao izy ireny. Naneho fahefana, fiarovana, ary maha-ara-dalàna ao an-tokantrano izy ireny. Ireo soratra tranainy hafa ivelan’ny Baiboly aza dia milaza fa ny fananana ireo sampy ireo dia nifandray tamin’ny zo amin’ny lova sy ny fahefana ao amin’ny fianakaviana.

Raha jerena izany, dia hita fa niniana natao ilay fihetsik’i Rahely fa tsy taitaitra fotsiny.

Raha hiverenana kely ny tantara, dia nandritra ny roapolo taona i Jakoba no teo ambany fifehezan’i Labana. Taona feno fitaka, fifanarahana nivadika, sy fanambakana (Genesisy 31:7). Koa mieritreritra aho fa satria nahalala tsara ny rainy i Rahely, dia mety natahotra izy sao mbola hanohy hanjakazaka amin’ny hoavin’izy ireo i Labana na dia efa nandositra aza ry zareo.

Ny fakana ny sampy dia mety ho fomba nakan’i Rahely antoka izay tokony ho azon’i Jakoba. Karazana famindram-pahefana an-keriny hiala amin-drainy araka ny fomba fieritreriny izany. Kanefa tsy azo lavina fa ny tahotra, na dia azo takarina aza, dia matetika mitarika antsika hifikitra amin’ny zavatra tsy izy.

Tsy nibe tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah irery i Rahely. Mpanao sikidy i Labana (Genesisy 30:27), ary ny sampy dia ampahany tamin’ny tontolo ara-panahy nahalehibiazany. Na dia efa vadin’i Jakoba aza izy (izay mpandova ny faneken’Andriamanitra), ny tontolo anatiny dia mbola voavolavolan’ny fomba fiaina sy finoana taloha.

Mety nino izy fa nanome fiarovana azy ireo sampy. Na koa angamba nataony karazana “antoka ara-panahy” (assurance) ilay izy, raha sanatria marefo na tsy tanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra. Tsy manazava ny eritreriny ny Baiboly, fa ny fihetsiny dia maneho olona misy ady anaty: finoana mifangaro tahotra, ary fitokiana mifangaro fahazaran-dratsy taloha.

Mampahatsiahy ahy izany fa ny fiovana ara-panahy dia tsy mitranga indray mipy maso. Ny hoe akaiky ny teny fikasan’Andriamanitra isika dia tsy midika fa tonga dia mahafoy avy hatrany izay zavatra nianteherantsika taloha.

Misy lafiny ara-pihetseham-po mangina koa eto. Nilaza tamim-pahatsorana i Rahely sy Lea taty aoriana ny amin’ny fomba nitondran-drainy azy ireo. Tsy mba notraisina ho zanaka vavy izy ireo, fa natao hoatran’ny entam-barotra, hitadiavam-bola amin’ny fanambadiany sy ny asany (Genesisy 31:14–15).

Amin’izay lafiny izay, ny nataon’i Rahely dia mety ho karazana fikomiana mangina koa. Fomba manokana ilazany hoe: “Tsy ianao intsony no mamaritra ny fiainako.”

Ny mahatsikaiky dia tsy nahavita niaro tena akory ireo sampy nitokian’i Labana ireo. Tsy afaka niteny tamin’i Labana izy ireo hoe aiza no nisy azy. Nibaribary fa tsy nanan-kery ilay sampy.

Marihina fa mitantara ny nataon’i Rahely ny Baiboly, saingy tsy nidera azy tamin’izany. Tsy nisy fankasitrahana na fanamarinana ilay fihetsika. Taty aoriana, rehefa nandidy ny ankohonany hanary ireo andriamani-kafa i Jakoba, dia nanjavona tsy nisy resaka intsony ireo sampy (Genesisy 35:2–4). Manohy ny tantara ny Soratra Masina, toy ny hoe manao tsipika manasaraka izay leferin’Andriamanitra vetivety sy izay esoriny tanteraka amin’ny farany.

Ity ampahany amin’ny tantaran’i Rahely ity dia mampiseho ny tahotra mbola nifikirany sy ny fitokiany nizarazara. Mampiseho ny elanelana misy eo amin’ny teny fikasana sy ny fampiharana, ary eo amin’ny mino an’Andriamanitra sy ny tena mionona tanteraka ao Aminy.

Fa ny tena mampahery ahy indrindra dia ny sary lehibe kokoa asehon’ity tantara ity. Tsy niato na nijanona ny faneken’Andriamanitra noho ny finoana tsy tonga lafatr’i Rahely. Tsy nosintonin’Andriamanitra ny teny fikasany satria mbola nifototra tamin’ny fiarovana sandoka ny olony.

Mety efa niala tao an-tranon-drainy ara-nofo i Rahely vao tena niala tao ara-panahy, nefa Andriamanitra nanohy ny asany ihany. Ny tantarany dia mampahatsiahy antsika fa ny hoe voafidy dia tsy midika hoe sitrana avy hatrany, ary ny mandeha amin’Andriamanitra dia tsy midika hoe mandeha tsy misy ady sarotra.

Indraindray, Andriamanitra dia mampandroso ny asany, tsy amin’ny fitakiana fahamasinana tonga lafatra avy hatrany, fa amin’ny fitarihana amim-paharetana ny olony hiala amin’ireo zavatra ninoany fa nilainy taloha.

Ary na dia mifangaro tahotra aza ny finoana, dia mijanona ho mahatoky Andriamanitra hamita izay efa natombony.

Inona ireo “sampy” nianaran’ny fonao ianteherana tsy nahy ankehitriny? Tsy ireo ota miharihary. Tsy ireo zavatra tonga dia lazain’ny olona hoe ratsy. Fa ireo zavatra mangina ianteheranao mba hahazoana antoka rehefa tsy mivaly ny vavaka, ireo zavatra itokianao mba hampitoniana ny fonao rehefa ela loatra ny fiandrasana. Mety ho faniriana hifehy ny zava-drehetra (control), fitadiavana fankasitrahana, fiasana be loatra, fampitahana ny tena amin’ny hafa, na drafitra "B" tehirizinao, raha sanatria tsy ampy ny fankatoavana an'Andriamanitra.

Nentin’Andriamanitra nandroso i Rahely na dia teo am-panalana azy tamin’ireo fiankinan-doha taloha ireo aza Izy. Ary manome antsika fampiononana sy fampitandremana izany.

Fampiononana, satria tsy handao antsika an-dalana Andriamanitra. Fampitandremana, satria tsy hamela ireo fiankinan-doha ireo hitoetra eo mandrakizay Andriamanitra.

Ho avy ny fotoana izay hangatahany antsika amim-pahalemem-panahy nefa hentitra, mba hamotsotra izay ninoantsika fa nilaina mba hivelomana, mba hahafahantsika mianatra amin’ny farany ny dikan’ny hoe matoky Azy tanteraka. Ary angamba izao no fotoana izany. Vonona ny hamotsotra azy ireo ve ianao izao?

08/09/2025

Lioka 15:11-32
Raha ny zanakao (efa ampy taona) ve no mangataka ny lovany aminao dia hanome ianao sa tsia?

10/06/2025

Send a message to learn more

10/06/2025

Inona no zavatra lalovanao izao
Jereo kely anie ity nolalovan'ny zanak'Israely ity eh?

Send a message to learn more

Celebrating my 5th year on Facebook. Thank you for your continuing support. I could never have made it without you. 🙏🤗🎉
13/02/2025

Celebrating my 5th year on Facebook. Thank you for your continuing support. I could never have made it without you. 🙏🤗🎉

Raha tsy manana tanjona ny olona iray dia tsy misy antony ifehezany tena.Fa raha misy tanjona, dia mitarika hoamin’ny fi...
10/11/2024

Raha tsy manana tanjona ny olona iray dia tsy misy antony ifehezany tena.
Fa raha misy tanjona, dia mitarika hoamin’ny fifehezan-tena izany.

Raha te hihena: dia miteraka fifehezan-tenda
Raha te ho salama:
Raha te hanana tahiry:
Raha te … sns

Inona no tanjonao?
Inona no fifehezan-tena tokony ataonao mifanaraka amin’izany?

Maro amintsika Kristianina no mitondra ilay foto-pijery, na fomba fijery izay zarain'ny fiaraha-monina, kolotsaina, fian...
19/09/2024

Maro amintsika Kristianina no mitondra ilay foto-pijery, na fomba fijery izay zarain'ny fiaraha-monina, kolotsaina, fianakaviana nisy antsika - izay mitarika ny fahadisoan'ny fomba fijerintsika an'Andriamanitra.

ohatra:
Raha zatra nanompo sampy ny olona iray, ka ao anatin'ny tontolon'ny fanompoana sampy - dia ilaina foana ny manao sorona, ilaina koa ny manao izay tsy mahatezitra ilay samppy fandrao ihanran-doza sns eo.

nefa, rehefa miova fo ilay olona, dia tarafiny tahaka ny sampy iray koa Andriamanitra, mila manao sorona, na rehefa marary dia lazaina fa nokapohin'Andriamanitra.

fa Andriamanitra dia tsy tahaka ny sampy akory,
fa mila isika mianatra sy mamantratra hoe iza marina moa Andriamanitra, ary mitondra ny hevitra rehetra sy ny fomba fanao rehetra ho baboina hoan' Kristy, ka mila manana ny fijerin'i Kristy isika

izany anefa, dia tsy hitantsika raha tsy mifandray aminy isiska, ary koa mamantatra hoe iza izy, ka ny fomba tsotra indrindra ahafahantsika mahahala azy dia amin'ny alalan'ny teniny ihany.

aoka tsy ho adika vilana ny tenin'Andriamanitra fa lasa mampidi-doza.

Fiadanana

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261328206709

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when I Love GOD posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share