21/04/2022
๐๐ถ๐ฎ๐ฑ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ รด!!
๐๐ฎ๐น๐ ๐บ๐ถ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐๐ฒ๐ป๐ ๐๐ผ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฎ๐น๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป๐ฎ๐ผ โค๏ธโค๏ธ
Jaona 10:1-15
[1]Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
[2]Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
[3]Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
[4]Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
[5]Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
[6]Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
[7]Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.
[8]Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
[9]Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
[10]Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
[11]Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
[12]Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
[13]mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
[14]Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
[15]dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
Mazava be ny hafatrin'ny tenin' Andriamanitra fa Jesosy irery ihany no Mpiandry Tsara any afaka hamonjy sy hanafaka anao amin'ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy ary ny fahatezeran'Andriamanitra ka hitondra anao any amin'ny fiainana mandrakizay.
Tia anao Jesosy Kristy