FJKM Ambondrona Firaisana Pejy / SP Iarivo Avaradrano

FJKM Ambondrona Firaisana Pejy / SP Iarivo Avaradrano Manasa anao izahay hanatrika ny fanompoampivavahana

Ny FJKM Ambondrona Dia fiangonana krisrtianina protestanta, ny tanjonay dia ireto manaraka ireto : Hitondra ny olona eo amin'ny fitiavan'Andriamanitra Ray sy Hizara ny filazantsaran'i Jesoa Kristy Tompo.

12/02/2025
Vaovao mahafinaritra 🙂 Fampianarana mandritry ny herinandro be izao, hanovozantsika mianakavy Hery ao amin'Andriamanitra...
18/07/2024

Vaovao mahafinaritra 🙂 Fampianarana mandritry ny herinandro be izao, hanovozantsika mianakavy Hery ao amin'Andriamanitra. Tongava fa tsy hanenenanao 👍.
Manomboka ny Alahady 21 Jolay izao @ 2 ora 30Min. Ary ny Alatsinainy -> Zoma amin'ny 6 ora hariva. Tongava maro dia taomy ny havana sy ny namana. Ho aminareo hatrany ny Fiadanan'ny Tompo Jesoa ❤️

Ny Sampana Fifohazana eto ampiangonana dia manasa antsika mpianakavin'ny Finona hanatrika Alimbavaka ho fampiorenam-pino...
07/06/2024

Ny Sampana Fifohazana eto ampiangonana dia manasa antsika mpianakavin'ny Finona hanatrika Alimbavaka ho fampiorenam-pinoana, ny faha 21 Jona amin'ny 8 Ora Alina

Zavatra hisy : Fampianarana maro, Asa sy fampaherezana, Rindran-kira Sampana, Rojom-bavaka... sns

Tongava fa miandry anao ny Tompo Jesoa.

« Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareoamin’ny fakam-panahy » Mat 26 :41

26/03/2023

Tsy mianatra ny Katekomena anio hariva 26 martsa fa @ heriny fanadinana. 3000 ar no vidin' ny Boky Katekomena

Fambolenkazo vfl anio 25 martsa 2022
25/03/2023

Fambolenkazo vfl anio 25 martsa 2022

26/01/2023

Mofon'aina 26/01/2023
MPAHARY IZAO REHETRA IZAO NY TOMPO
Salamo 89:5-18
[5]Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah Ă´, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
[6]Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
[7]Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
[8]Jehovah, Andriamanitry ny maro, Ă´, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
[9]Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
[10]Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
[11]Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
[12]Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
[13]Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
[14]Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
[15]Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah Ă´, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
[16]Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
[17]Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
[18]Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.

30/05/2021

Fotoampivavahana anio Alahady 30 mey 2021 Alahady TRINITE
“MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA”

Fiarahabana Apostolika
Fiderana an’ Andriamanitra : Salamo 145,1-7
Hira 1941.2.3 andriananahary Ă´ endrey ny voninahitrao
Vavaka Fiderana sy Fanatonana an’ Andriamanitra
Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra
Hira 1763.5 Sokafy ny fanahinay
Vavaka SM : Eks.31,1-5 ; Lio.10,17-24 ; I Jao.3,18-20
Hira 33 Ny Ray sy Zanaka

TORITENY
Izay tononina hoe TRINITE araka ny Lio.10,21« Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hœ: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany
Feonjavamaneno
Vavaka Fifonana sy fiaikena hiova fisaorana sy fangatahana + Rainay…
Famelan-keloka
Hira 2074 Irin’ ny foko koa
Fanekem-pinoana
Feon-javamaneno
Raharaham-piangonana
RAKITRA Hira Fanantenana
Vavaka Fanolorana ny Rakitra
Hira 2054 Fa teny mampisava
Tsodrano / Trinite Masina : Amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

23/05/2021

Fotoampivavahana anio Alahady 23 mey 2021
“MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA”
PENTEKOSTA - Santa-bokatra am-pahamasinana
Fiarahabana Apostolika
Fiderana an’ Andriamanitra : Salamo 89,1-7
Hira 1821.2.4 Ny Pentekosta = 7 Misaora an’ Andriamanitra / Fif 701.3 ry Fanahy masina ao ambony
Vavaka Fiderana sy Fanatonana an’ Andriamanitra
Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra
Hira 181 Fanahy Mpanazava / 3191 mba iraho ny fanahy
Vavaka SM : Ezk.36,22-30 ; Jao.16,12-15 ; I Kor.2,1-5
Hira 1741.4 Fanahy Masina Ă´
TORITENY
Ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino anehoana ny Fahamasinan’ Andriamanitra sy ny fanarenany ny fiainana sy fanahin’ ny vahoakany
1.Herin’ ny Fanahy Masina anehoana ny fahamasinan’ Andriamanitra
2.Ny Herin’ ny Fanahy Masina manarina ny fanahin’ ny vahoakany
3.Ny Herin’ ny Fanahy Masina manarina ny fiainan’ ny vahoakany

Feonjavamaneno
Vavaka Fifonana sy fiaikena hiova fisaorana sy fangatahana + Rainay…
Famelan-keloka
Hira 1793.4 ry Fanahy voatafy hery / 1772.4 ry Fanahy Mpanazava
Fanekem-pinoana
Feon-javamaneno
Raharaham-piangonana
RAKITRA Hira 177 Ry Fanahy Mpanazava
Vavaka Fanolorana ny Rakitra
Hira 043 Ry Fanahy Ă´ meteza
Tsodrano / Trinite Masina : Amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen !

16/05/2021

Fotoam-pivavahana Anio Alahady 16 mey.
“MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA”
Fiarahabana Apostolika
Fiderana an’ Andriamanitra : Salamo 104,25-30
Hira 5371.4 Endrey ny hamaroan’ ny soa
Vavaka Fiderana sy Fanatonana an’ Andriamanitra
Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra
Hira 4401.2 Ry Kristy Ă´ Mpanjakako
Vavaka SM : Neh.9,20-25 ; Mat.12,14-21 ; I Kor.12,12-13
Hira 4691.4 Jeso Ă´ mpitia anay
TORITENY
Feonjavamaneno
Vavaka Fifonana sy fiaikena hiova fisaorana sy fangatahana
Famelan-keloka
Hira 4993 O ry Jesosy Tompo tsara Ă´
Fanekem-pinoana
Feon-javamaneno
Raharaham-piangonana
RAKITRA Hira
Vavaka Fanolorana ny Rakitra
Hira 4985 Iombonana ny lova any
Tsodrano / Trinite Masina : Amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

13/05/2021

Fotoam-pivavahana Anio Alakamisy 13 Mey 2021. Fiakarana

09/05/2021

Fotoam-pivavahana Anio Alahady 9 May 2021
“MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA”

Fiderana an’ Andriamanitra : Salamo 105,1-5
Hira 241.2 Ny lanitra ao ambony ao
Vavaka Fiderana sy Fanatonana an’ Andriamanitra
Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra
Hira 8231.2 Hoderaina tokoa
Vavaka SM : Gen.41,37-46 ; Mar.13,9-11 ; Rom.5,1-5
Hira 5281.4 Tsaroako ho avy ny maraina
TORITENY
Feonjavamaneno
Vavaka Fifonana sy fiaikena hiova fisaorana sy fangatahana
Famelan-keloka
Hira 2951 miorena mafy tsara
Fanekem-pinoana
Feon-javamaneno
Raharaham-piangonana
RAKITRA Hira
Vavaka Fanolorana ny Rakitra
Hira 459 Jeso Loharanon’ aina
Tsodrano / Trinite Masina : Amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

Raharaha
1.ROJOMBAVAKA : Hivavaka isika ho velona ao anatin’ ny olona ny fanantenana Rom.5,5
« ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.»

2.RAHARAHA IOMBONANA
Maro ny fandaharan’ ny Foibe sy SPIA tsy afaka tanterahina, , fa ndeha hanamafy ny fiaraha-mivavaka isika miaraka amin’ ny fianakaviamben’ ny FJKM isaky amin’ ny 8 ora alina, satria isika dia tononina hoe araka ny “Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin'ny olona rehetra” II Kor.3,2

02/05/2021

Fotoam-pivavahana anio Alahady 02 Mey 2021
MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA

Address

Ambondrona
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ambondrona Firaisana Pejy / SP Iarivo Avaradrano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share