STK Ambohimamory Malala Orimbato

STK  Ambohimamory Malala Orimbato Fiadanana! Natao ity pejy ity afahanao mifanerasera aminay, hifampizarana ny Tenin'Andriamanitra

Mofonaina Alarobia 26 Aogositra 2026— III Jaona 1 : 2 - 7Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zav...
26/08/2026

Mofonaina Alarobia 26 Aogositra 2026

— III Jaona 1 : 2 - 7

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.Izaho loholona mamangy an'i Gaio, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.fa noho ny Anarana no niaingany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.

Hanomboka androany 26 Aogositra 2026 ny fanokafana ofisialy ny fihaonambe nasionaly stk aty Nosy be, apetraka amin'ny To...
26/08/2026

Hanomboka androany 26 Aogositra 2026 ny fanokafana ofisialy ny fihaonambe nasionaly stk aty Nosy be, apetraka amin'ny Tompo ny fizotrany rehetra 🙏

STK Ambohimamory Malala Orimbato
fans 🫶

Mofonaina Talata 25 Aogositra 2026— Nehemia 7 : 1 - 3Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voaten...
25/08/2026

Mofonaina Talata 25 Aogositra 2026

— Nehemia 7 : 1 - 3

Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.Koa hoy izaho tamin'ireo : Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.

Mofonaina Alatsinainy 24 Aogositra 2026— I Mpanjaka 2 : 1 - 4Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nan...
24/08/2026

Mofonaina Alatsinainy 24 Aogositra 2026

— I Mpanjaka 2 : 1 - 4

Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

Mofonaina Sabotsy 22 Aogositra 2026— Joda 1 : 17 - 23Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa K...
22/08/2026

Mofonaina Sabotsy 22 Aogositra 2026

— Joda 1 : 17 - 23

Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny;fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.

Mofonaina Zoma 21 Aogositra 2026— Matio 24 : 14 - 30Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana i...
21/08/2026

Mofonaina Zoma 21 Aogositra 2026

— Matio 24 : 14 - 30

Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Daniela 12:11; Daniela 9:27) (aoka hisaina izay mamaky izany),dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, atý Kristy, na: Indro, arý ; aza mino ianareo.Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.Indro, voalazako aminareo rahateo izany.Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an'efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino.Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.

Mofonaina Alakamisy 20 Aogositra 2026— Jaona 17 : 20 - 25Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ah...
20/08/2026

Mofonaina Alakamisy 20 Aogositra 2026

— Jaona 17 : 20 - 25

Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:Izaho ao aminy, ary Ianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.Ray o, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.Ray marina o, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Ianao no naniraka Ahy.

Mofonaina Alarobia 19 Aogositra 2026— Salamo 101 : 1 - 8Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaik...
19/08/2026

Mofonaina Alarobia 19 Aogositra 2026

— Salamo 101 : 1 - 8

Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Ianao, Jehovah o, no hoderaiko.Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga aty amiko Ianao? Handeha amin'ny fahitsian'ny foko ao anatin'ny tranoko aho.Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka izay ratsy aho, Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.Tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga.Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah.

Mofonaina Talata 18 Aogositra 2026— Deoteronomia 26 : 5 - 11Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka ha...
18/08/2026

Mofonaina Talata 18 Aogositra 2026

— Deoteronomia 26 : 5 - 11

Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.Ary ankehitriny, Jehovah o, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.

Mofonaina Alatsinainy 17 Aogositra 2026— II Korintiana 1 : 17 - 24Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? ...
17/08/2026

Mofonaina Alatsinainy 17 Aogositra 2026

— II Korintiana 1 : 17 - 24

Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesoa Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako taty Korinto.Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.

Address

Route D'Ambohimamory
Antananarivo
102

Telephone

+261320365382

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Ambohimamory Malala Orimbato posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to STK Ambohimamory Malala Orimbato:

Shortcuts

Share