12/04/2026
MIATRIKA ADY VE IANAO ANKEHITRINY ?
HO ANAO ITY HAFATRA AVY AMIN'NY TOMPO ITY
Mampanantena FANDRESENA ho anao Izy, fa araho izao fampianarana izao đđ»
__________________________________________
âšïž LE COMBAT
Mila fantarintsika aloha ny ady atrehantsika ankehitriny, Sao voafitaka ianao đ„ș
đ„> Ireo fakam-panahy, izay ataon'ny asan'ny maizina. âïžSambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy. Jak 1 : 12
đ„> ilay adama ela, "izaho taloha", ilay toetra taloha fony mbola tsy niova fo iz1ho sy ianao. âïžAza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Isa 43 : 18 âïž Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. II Kor 5 : 17
đ„> ilay devoly, satana sy ny forongony rehetra. âïž Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drĂ , fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. Efe 6:12
âšïž LES A***S
Inona kosa ireo fitaovana entina andresentsika ?
â
ïž Fitiavana vavaka
@ fotoana rehetra (maraina, atoandro, hariva, alina, na mivoaka, na miditra, alohan'ny sakafo, aorian'ny sakafo, na faly, na ory, na misy olana, na tsy misy olana...)
@ toerana rehetra (mitokana, any am-piangonana, any an-tendrombohitra, any am-piasana, any an-tsekoly, eny an-dalana, anaty fiara ...)
@ fomba rehetra (mangina, miteny, mitsangana, mandohalika, mipetraka, miondrika, mikipy, mihiratra...)
@ fo feno fitiavana (ataovy mihoatra noho ny fitiavanao io findainao io ny fitiavanao mivavaka, miresaka Amin'Andriamanitra, mihaino Azy) satria dia mandinika ny voa sy ny fo
â
ïž Finoana velona
Rom 10:17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy. âïž
Araka izany raha maniry hanana finoana ianao, dia mila mazoto mamaky Ny Soratra Masinađđ»
Adidintsika ny mampitombo ny finoantsika.
Tsarovy anefa ry havana fa " maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa " Jak 2:26b âïž
Araka izany, tsy tokony maka aina izany na mihemotra ianao amin'ny anjara fanompoanao satria ny devoly dia tsy mipetraka izany. Hoy ny Soratra Masina MahonĂČna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 1 Pet 5:8 âïž
Rehefa miasa isika, dia mitombo hery, mitombo finoana.
Ary koa, tandremo izao :
1 Kor 13:2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. âïž
Araka izany, zava poana ny asa fanompoana ataontsika raha toa ka tsy manam-pitiavana isika eo am-panatanterahana azy.
â
ïž Faharetana hatraminâny farany
Ady tsy mijanona ny eto an-tany.
Maika lava, tsy maharitra, toa fainganina avokoa ny zavatra rehetra ankehitriny... Fomba fiadin'ny devoly izany ry havana.
Fa izay maharitra kosa no mahatana ny ainy.
âïž Jak 5 : 7 Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
âïžJao 16:33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
âïž Mat 24:13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
âšïž ETAT D' ESPRIT
Ny TOE PANAHY tokony hananan'ny mpandresy
đMADIO AM PO
Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra Mat 5 : 8
đFILAMINANA
kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana. I Kor 14 : 40
Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsy fiovan'ny finoanareo an'i Kristy. Kol 2 : 5
Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady. Oha 20 : 18
Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Oha 24 : 6a
Araka izany, fantaro fa ny devoly dia tsy tamana amin'ny toerana na sehatra milamina.
Alamino ary ny tontolo misy anao, atomboy ao antokantrano izany ry havana, eo amin'ny fifandraisan'ny mpivady sy ny fianakaviana...
đ Fiombonana
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika. Rom 15 : 6
Eny, Fanahy iray ihany dia ny Fanahy Masina no mampiombona antsika rehetra zanak'Andriamanitra ary lanitra iray ihany koa no hiarahantsika rahatrizay ho ao amiNY.
Fiadanana ho aminareođđ»đđ»đđ»
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany đđ»đđ»đđ»