Ny iraka

Ny iraka Fizarana tenin'Andriamanitra , fijoroana vavolombelona,vavaka,hira fiderana

07/04/2025

Seigneur
Quand le doute me gagne
Quand je commets des erreurs
Quand je me sens perdu
Je me tourne vers Toi

Quand je me méprise
Quand j'ai peur
Quand je désespère
Je me tourne vers Toi

Quand je perds confiance
Tu es toujours là pour moi
Tu me comprends, me rassures et me guides.

En Toi, j'ai toute ma confiance
Montre-moi le chemin de la lumière
Merci Seigneur pour la vie.

Amen.❤️🙏🥺

Fiadanana Jesoa ho aminao sy ny ankohonanao!☺Indraindray tokoa isika dia mafy amintsika ny hanaiky izay fitondran'Andria...
26/10/2022

Fiadanana Jesoa ho aminao sy ny ankohonanao!☺

Indraindray tokoa isika dia mafy amintsika ny hanaiky izay fitondran'Andriamanitra ny fiainatsika,ka lasa tahakan'ny mihevitra isika fa isika indray mahalala kokoa izay mahasoantsika mihoatra an'Andriamanitra.
Kanefa izy efa mahalala hevitra hitondrana ny fiainantsika izay ho ao amin'ny fiadanana izany fa tsy ho ao amin'ny loza.
Ka na mafy na mora ny zavatra miseho eo amin'ny fiainanao androany dia MATOKIA AZY ARY MIANKINA AMINY TANTERAKA aza mihezaka ny hitondra ny fiainanao irery intsony fa havelao izy no HITONDRA.
Tena tianao Jesoa ❤ tsy mihevitra hafa tsy izay mahasoa anao Izy!❤

Misaotra Jesoa ny amin'ny fitondranao ny fiainako na de tsy takatrin'ny saiko aza izany indraindray MATOKY ANAO AHO🙏❤! Amen

08/05/2022

Fomba 10 ahafahanao manatsara sy anananao fifandraisana tsara amin'Ilay Andriamanitrao😊

1-Aza manondro olona na milaza olona na mitsara olona hoe mpanota io olona io ( Lioka 7:39-41) 🚫

2- Mahazotoa mitady an'Andriamanitra fa mamaly soa an'izay mitady sy mino Azy marina Izy ( Hebreo 11:6) 😇

3- Mahazotoa mamaky sy mandinika ny Soratra Masina isan'andro fa ny Fanahy masina dia hanampyanao hanazava sy hampafantatra anao ny amin'ny teniny syny amin'ny momba Azy rehetra (Asan'ny Apostoly 8:29)🙏📖

4- Amin'zay hataonao de saino foana Andriamanitra, hiresao foana Izy, hanotanio foana Izy , hataovy namanao tsy foinao Izy( Salamo 104:34) 💖😍

5- Mitenena mihintsy amin'i Jesosy isan'andro hoe TIANAO Izy ( Salamo 116:1) 💞😍

6- Ataovy toy ny fifandraisan'ny zaza amin' Ray aman-dreniny ny fifandraisanao aminy( Matio 18:3) 👪

7-Ataovy mihoatra noho ireo Farseo sy Mpanora-dalana ny raha marinanao ,amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesoa kristy no hafahanao mahatanteraka izany 😇

8- Ataovy izay hahatonga an'Andriamanitra ho hidera anao sy ho fière ny aminao ( 2 kor 10 : 18) 😊😍

9-Mifalia rehefa mitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran'Andriamanitra ( Asa 5: 40-42)💪💪

10- Mitoria ny filazantsara , na amin'ny fotonany na tsia fa any an-danitra ny valim-pitianao (Mark16:19-20)😇

Tianao Jesosy 😇💝 ary te hanana fifandraisana aminao tanteraka Izy!

Amen🙏

08/05/2022

Tsy misy hahasakana ny fikasan'Andriamanitra ho amin'ny fiainanao satria "Ny zanany sy ny asann'ny tanany dia ho adidiny irery ihany"
Amen🙏😇💝

24/04/2022

Merci Jésus d’être toujours à mes côtés 😪 Malgré mes péchés et mes défauts tu continue à me combler d’Amour, de bénédiction et de joie 😍 Tu es tellement bon envers moi... Je t’aime Jésus ❤️

17/04/2022

"Ry fahafatesana o,aiza ny herinao? ry fafatesana o,aiza ny fandresenao? ry fahafatesana o,aiza ny fanindronanao ?VELONA NY TOMPO !!! "

Dia faly miarahaba antsika rehetra nahatratra izao P***A 2022 izao. 😇🎉😘
Ny FiadanaNy sy ny fahasoavaNy ary ilay fandreseNy mandrakizay anie no ho tononina amintsika rehatra😇

Velomana mandrakizay tokoa nyTompo Andriamanitsika,Ilay Andriamanitra tokana izay naharesy ny fahafatesana😍

Izy Ilay efa nitondra ny helotsika sy nivesatra ny fahotantsika 💔 mba hahazoantsika fahafahana mandrakizay

Aza avela handalo fotsiny amin'ny fiainanao ity andro androany ity,
aza atao ho fahazarana ny hankanesanao any ampiangonana rehefa andro P***a toy izao, fa havaozy ny fanoloran-tenanao anio hanompo sy hanome voninahitra ho Azy ; Inona no hoavalinao ny fitiavana lehibe izay efa nasehoNy taminao ,tamin'ny nanolorany ny aina teo amin'ny hazofijalana sy namonjena anao mba tsy ho vohaheloka mandrakizay . Efa afaka isika ka omeo azy ny mombanao rehetra ny fiainanao,ny ho avinao,ny entana mavesatra anao ny fahorianao ny ranomasona... Izy irery ihany no afaka hanafaka anao 😊
Mahery ilay Andriamanitra Izay hantoninanao fa na ny fahafatesana aza dia efa resiny.
Tianao Izy❤️ ary te hiditra hatsehitra eo amin'ny fiainanao
Mifalia ao amiNy daholo isika rehetra amin'ity andro androany ity.
Ny fiadanaNy anie ho aminao sy ny ankohonanao 😊😘

10/04/2022

Faly manonona ny fiadanan'i Jesoa Kristy ho anao🤗🤗
Ny tenin'Andriamanitra izay hoentinay hampahereza anao amin'izao alahadin'ny sampandrofia izao dia izay voasoratra ao amin ROMANA 8:37: "Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpadresy isika amin'ny alalan'Ilay tiantska"
Ny fandresena ho antsika kristianina tokoa mantsy efa azontsika tao amin'i Jesoa Kristy ,tamin'ny alalan'ny nahandrseny ny fahafatesana koa izay mety ho endrim-pahafatesantsika rehetra dia efa resiny avokoa ;
Noho izany ry mpino malala😊 ao amin'i Jesoa ihany no ahafahanao mahazo ny fandresena ,aza manaiky ny ho resin'ny fahafatesana ianao na amin'ny endriny inona na amin'ny endriny inona fa manantoana ilay efa nandresy ny fahafatesana fa izy no afaka hanafaka anao. 😊
Tianao Jesoa❤️

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny iraka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share