Église Adventiste 67ha

Église Adventiste 67ha Fihetsehana ara-pivavahana. Mizara ny fahatsaran'Andriamanitra @ mpiara-belona ka manomana azy hitsena an'i Jesosy Kristy amin'ny fihaviany fanindroany.

11/09/2026

TATITRA MOMBA NY ASA MANERAN-TANY – FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO – HO AN’NY TANORA SY NY LEHIBE

TELOVOLANA FAHATELO 2026 – DIVIZIONA INTER-EOROPEANINA

Sabata 12 Septambra 2026 MPAMPIANATRA NITOMANY – Maria, Bulgarie

Ny tantara misionera amin’ity herinandro ity dia momba tetikasa iray izay hahazo tombontsoa amin’ny fanatitra Sabata faha-13 amin’ity telovolana ity.

Niantso ny mpanorina ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) ao Sofia, Bulgarie ny vehivavy iray ao amin’ny Fiangonana Advantista, mba hanolotra mpampianatra iray.

“Raha misy toerana banga ao amin’ny sekoly garabola, dia mendrika hojerena akaiky izy,” hoy ilay mpiantso.

Efa ampy tsara ny isan’ny mpampianatra tao amin’ny Colorful Hope, saingy nandritra ny taona maro taorian’ny nanokafana ilay sekoly i Maria dia nianatra fa tsy misy zavatra omen’Andriamanitra amin’ny tsy antony. Nianatra nihaino ny feony sy nitady ny sitrapony izy.

Namaly izy noho izany hoe: "Tsy mila mpampianatra fanampiny izahay amin’izao iotoana izao, fa faly aho hihaona amin’i Tanya.”

Nandritra ny dinidinika ho amin’ny asa, dia nanontany an’i Tanya i Maria raha mpanaraka an’i Jesosy izy. Namaly i Tanya fa vao volana vitsivitsy talohan’izay no niditra tao amin’ny Fiangonana Advantista ny vadiny, ary tezitra mafy izy tamin’izany. Tsy azony hoe nahoana ny vadiny no mandany tontolon’ny Sabata any am-piangonana fa tsy miaraka aminy— indrindra efa tsy mody matetika ao an-trano izy mandritra ny herinandro noho ny asany. Nolaviny îhany koa ny fanasan’ny vadiny azy hamaky Baiboly sy hiaraka aminy any am-piangonana.

Nitantara tamin’i Tanya momba ny sekoly i Maria, nanazava fa naoriny tamin’ny taona 2016 izany ary ankehitriny dia manana ankizy manodidina ny 30 amin’ny toerana roa ao Sofia, Bulgarie izany. Nohazavainy ihany koa ny finoan’ireo mpampianatra Advantista sy ny fomba fiasany. Nahatsapa i Maria fa misokatra amin’ny zavatra ara-panahy i Tanya.

Nivadika ho amin’ny resaka momba ireo olana nolalovan’ny sekoly sy ny fomba nitarihan’Andriamanitra izany tamin’ny fomba mahagaga ny resaka. Nanana fahatsapana i Maria fa tokony hanasa an’i Tanya hiasa, ka nanolotra asa tapak’andro no azy.

Roa andro taty aoriana, niantso i Tanya ary nanaiky ilay asa.

Iray volana tatÿ aoriana, vao fantatr’i Maria ny tohin’ny tantara rehetra.

Nambarany fa nitomany saika tsy nety nangina izy taorian’ilay dinidinika. Nipetraka teo akaikin’ny vadiny, Denislav, izay niandry azy tao anaty fiara izy ary nitomany nandritra ny 30 minitra. Nitsiky fotsiny I Denislav, satria tsapany fa miasa ao am-pony ny Fanahy Masina.

Nambaran’i Tanya fa nandritra ilay dinidinika dia nisy faniriana velona te hiaina fiainam-pinoana tahaka an’i Maria tao am-pony. Rehefa nivoaka ny sekoly Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) izy dia nahatsapa toy ny nisy masoandro vaovao namirapiratra taminy. Sambany teo amin’ny fiainany izy no nahatsapa fa tia azy Andriamanitra.

Rehefa namafa ranomaso tao anaty fiara izy dia nampanantena an’i Denislav vadiny fa handeha hiaraka aminy any am-piangonana amin’ny Sabata. Notanterahiny tokoa izany.

Nanomboka nanome fampianarana Baiboly an’i Tanya i Maria, ary sivy volana tatÿ aoriana dia nanolotra ny fony ho an’i Jesosy i Tanya ka natao batisa. Faly be i Denislav.

Tatÿ aoriana ela be, nambaran’i Tanya tamin’i Maria fa nisy ampahany tamin’ny tantarany tsy mbola nolazainy. Roa andro taorian’ilay dinidinika, niantso azy ny mpampiasa azy taloha ka nanoso-kevitra azy hiara mitantana sekoly garabola iray. Ho betsaka ny karamany, ary hanana fahalalahana tanteraka izy hanangana ny ekipany manokana sy hamolavola ny programany. Nanintona be ilay tolotra. Saingy nolanjalanjain’i Tanya tsara izany, ka tsapany fa zavatra sarobidy kokoa no ho veriny raha manaiky izy. Noho izany dia niantso an’i Maria izy ka nanaiky ilay asa tapak’andro.

Mitantana ny toerana faharoa amin’ilay sekoly garabola Colorful Hope i Tanya Ankehitriny ary mbola i Maria no mitantana ny toerana voalohany. Ankoatra izay, tonga mpanangana fiangonana i Tanya sy Denislav. Nahatsapa izy ireo fa tokony hisy Advantista ny faritra iray ao Sofia izay tsy mbola misy Fiangonana Advantista, ka namolavola programa fitoriana filazantsara izy ireo ary nanangana fiangonana vaovao tany.

“Mahafinaritra tokoa ny mahafantatra fa tsy afaka manao na inona na inona amin’ny herin’ny tenantsika isika,” hoy i Maria. “Hoy i Jesosy: Tsy mahefa na inona na inona ianareo raha misaraka Amiko.’ Fa rehefa mametraka ny tenanao eo an-tànany sy mamela Azy hiasa ianao, dia Izy no manao fahagagana.”

Ny ampahany amin’ny fanatitra amin’ity telovolana ity dia hanampy ny sekoly garabola Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) hiala amin’ireo trano hofaina ho amin’ny trano tena azy manokana ao Sofia. Maherin’ny antsasaky ny ankizy manatrika ao no avy amin’ny fianakaviana tsy Advantista. Misy aza tsy mino an’Andriamanitra akory. Misaotra ny amin’ny fanohananao am-pahalalahan- tanana ity tetikasa manova fiainana any Bulgarie ity, sy ireo tetikasa hafa hahazo tombontsoa amin’ny fanatitra androany. Ny tetikasa hafa ao amin’ny Diviziona Inter- Eorôpeanina dia ahitana sekoly roa any Roumanie; ivontoerana ho an’ny tanora, ivontoerana ho an’ny fiangonana, ivontoeram-piofanana any Belgique; ary trano fatoriana ao amin’ny Italian Adventist University Villa Aurora any Florence, Italy.

Tsara ho fantatra

> Asehoy eo amin'ny saritany i Bulgarie. Avy eo, tondroy i Sofia renivohitra, izay misy ny Colorful Hope (Tzventna Nadezhda).
> Tonôny toy izao ny Tzventna Nadezhda: tsvet-na na-dezh-da.
> Jereo ao amin’ny YouTube ny horonantsary misy an’i Maria, mpanorina ilay sekoly, ao amin’ity rohy ity: bit. ly/Maria-YA-EUD.
> Fantaro fa ny Colorful Hope (Tzventna Nadezhda) dia mikendry hatrany ny hanana mpampianatra iray tsy advantista ao amin’ny ekipany. “Na dia miasa indrindra indrindra amin’ny ankizy sy ny ray aman- dreniny aza izahay, dia manana mpampianatra iray tsy Advantista foana ao amin’ny ekipanay ankehitriny,” hoy i Maria. “Toy izany mandrakariva no ataonay. Anisan’ny iasanay ihany koa ireo mpampianatra ireo.”

11/09/2026

TATITRA MOMBA NY ASA MANERAN-TANY – FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO – HO AN’NY ANKIZY

TELOVOLANA FAHATELO 2026 – DIVIZIONA INTER-EOROPEANINA

Sabata 12 Septambra 2026 TOERANA MAHATAMANA – Luca, Roumanie

Misy ankizy madinika sasany tia mitaingina fiara vaventy. Ny ankizy madinika hafa indray tia mitsidika tanàn- dehibe. Fa i Luca kosa, 5 taona, dia tsy dia taitra loatra tamin’ny fiara vaventy na ny tanàn- dehibe. Te hitondra azy amin’ny fiara lehibe ho any Bucarest, renivohitr’i Roumanie ny reniny. Saingy Alatsinainy maraina tamin’izay, ary ny hany tiany dia ny handeha any amin’ny garabola sekoly fianarany.

Tian'i Luca ilay sekoly advantista garabola misy azy.

Tsy toy izany foana anefa ny zava-nisy tany aloha.

Nalefan’i Neny tany amin’ny sekolim- panjakana garabola izy fony izy roa taona. Tsy tiany mihitsy tany. Mbola nanao tatin-jaza (couche) i Luca tamin’izany satria mbola tsy nahay nandeha tany amin’ny trano fivoahana. Mbola nisotro rano tamin’ny biberao koa izy satria tsy mbola nahay nampiasa kaopy. Ary mbola tsy nahay niteny koa izy — ny hany hainy dia ny nanao hoe: “Mm, mmm, mmm."

Tsy mba nisy andro mahafinaritra ho an’i Luca mihitsy tany amin’ilay sekolim-panjakana. Nisy mpampianatra sasany tsy mba tsara fanahy taminy satria tsy te hanolo ny tatiny. Ny hafa indray tsy nety nameno ny biberaony. Ary nisy koa ireo tsy nahazo izay tiany holazaina rehefa nanao hoe: “Mm, mmm, mmm” izy.

Vaky fo i Neny rehefa nandre izany fitondrana tsy amim-pitiavana izany. Nandeha tany amin’ny talen-tsekoly izy ary nangataka ny mpampianatra mba ho tsara fanahy kokoa amin’i Luca. Saingy tsy nino azy ny talen-tsekoly ary nanda tsy hanao na inona na inona.

Noho izany, nitady sekoly garabola vaovao i Neny. Maro ny toerana nalehany, saingy tsy nisy nety nandray an’ilay zazalahy kely. Nilaza izy ireo fa manana olana amin’ny fianarana i Luca, ary tsy manam-potoana hanampiana azy izy ireo.

Very fanantenana i Neny. Mila miasa izy mba hitadiavana vola hamelomana an’i Luca sy ny tenany, saingy tsy afaka miasa izy raha tsy maintsy mijanona ao an-trano miaraka amin’i Luca tontolo andro.

Avy eo, nahita sekoly advantista mitandrina ny andro fahafito misy garabola tamin’ny aterineto izy. Nandeha nihaona tamin’ny talen- tsekoly izy ary nitalaho fanampiana. Sady nitomany izy no niteny hoe: “Mba raiso ao amin’ny garabolanareo ny zanako. Miangavy anao amin’ny foko manontolo aho mba hanampy ahy.”

Nohazavainy fa tena manana olana amin’ny fianarana tokoa i Luca.

Hitan’ny talen-tsekoly ny ranomason’i Neny ary reny ny fahatsorana tao amin’ny feony. “Eny àry,” hoy ny talen-tsekoly. “Andao andramana. Ity no zaza voalohany manana olana amin’ny fianarana toy izany horaisinay. Mbola tsy nampianatra zaza tahaka azy izahay teo aloha, saingy afaka manandrana. Hiezaka Izahay.”

Nitsiky kely i Neny, mbola kotsan’ny ranomaso ny takolany. Nanondro vehivavy tanora iray nijoro teo akaikiny izy. “Ity ny zana- drahavaviko, tonga eto hanampy ahy hampiditra an’i Luca ato amin’ny sekoly,” hoy izy nanazava.

Mbola tsy nianatra mihitsy i Neny ka tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Saingy ny zana-drahavaviny, izay 20 taona, dia nahay, ary nanampy an’i Neny hamita ireo antontan- taratasy rehetra hampidirana an’i Luca ao amin’ny garabola.

Iray volana taty aoriana, maraina namirapiratry Septambra, dia tonga tao amin’ilay sekoly advantista i Luca. Tena faly izy nahita ireo ankizy hafa ary nilalao niaraka tamin’izy ireo.

Tonga naka azy i Neny tamin’ny fotoan’ny fisakafoana atoandro. “Ampy izay ny androany,” hoy izy. “Hateriko aty indray ianao rahampitso maraina.”

Saingy tsy te hody i Luca. Te hijanona teo sy hanohy hilalao izy. Tsy maintsy nandresy lahatra azy mihitsy i Neny vao nety niala izy. Tsy mbola nisy toy izany mihitsy tany aloha. Vonona handeha miaraka amin’i Neny foana izy na aiza na aiza hatrizay.

Ny ampitso, dia nijanona hatramin’ny 4 ora tolakandro i Luca. Nilaza ny mpampianatra azy fa vetivety dia zatra tsara izy. Tena faly i Neny!

Rehefa nandeha ny herinandro sy ny volana, dia nisy fandrosoana lehibe hita tamin’i Luca. Tsy nanao tatin-jaza intsony izy fa nianatra nandeha tany amin’ny trano fivoahana irery. Tsy nampiasa biberao intsony izy fa nisotro tamin’ny kaopy. Tsy nanao hoe “Mm, mmm, mmm” intsony izy fa nianatra niteny. Nanomboka nianatra namaky teny sy nanoratra mihitsy aza izy. Faly loatra i Neny. Nianatra nanao zavatra izay tsy hain’i Neny akory i Luca!

Faly koa i Luca. Tena tiany loatra ilay sekoly ka nangataka an’i Neny izy mba hitondra azy any na dia Sabata sy Alahady aza, nefa mikatona ny sekoly amin’izany. Tsy azony mihitsy hoe nahoana i Neny no te hitondra azy tamin’ilay fiara vaventy nankany Bucarest, tanàna lehibe, tamin’izay Alatsinainy maraina izay. Naharitra telo ora sy sasany ny dia. Naleony lavitra nandany izany fotoana izany tany amin’ny garabola, nilalao tamin’ny namany, nianatra teny anglisy, nianatra piano, ary nihaino tantara momba an’i Jesosy.

Nohazavain’i Neny taminy fa mila mankany Bucarest izy ireo mba hiresaka momba ilay sekoly mahafinaritra izay nanova ny fiainany. Teo vao azon’i Luca ny antony. Tsy nampaninona azy intsony ilay dia lavitra sy ny tsy nandehanana nianatra indray andro. Tena tiany ny garabola, ary tiany ho fantatr’izao tontolo izao izany.

Ny ampahany amin’ny fanatitry ny Sabata faha-13 amin’ity telovolana ity, dia hanampy sekoly roa hafa hampianatra ankizy maro kokoa sy ny fianakaviany momba an’i Jesosy.

Mankasitraka anao amin’ny fanomananao fanatitra amim-pahalalahan-tanana hitondrana ny vaovao mahafaly any amin’ny faritra hafa!

TSARA HO FANTATRA

> Asehoy eo amin’ny sarintany i Roumanie mba hahitana ny toerana misy an’i Luca sy Mirela.
> Mariho fa Mirela no anaran’ny renin’i Luca, ary Raluca kosa ny anaran’ny talen’ny sekoly garabola advantista. Manana volo somary mavo ny renin’i Luca.
> Jereo ity horonantsary fohy ao amin’ny YouTube ity mampiseho an’i Luca manao ny vavaka Rainay Izay any An-danitra: bit. ly/Luca-EUD.

MOMBA NY FIANGONANA

I M. B. Czechowski no nitory voalohany ny fampianaran’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tany Roumanie; pretra katolika pôlôney izy taloha ary nianatra momba ny Sabata andro fahafito sy ny fiverenan’i Kristy tsy ho ela fony izy tany Amerika.

Rehefa niverina tany Eoropa izy tamin’ny taona 1864, dia nitory ireo fampianarana ireo tany Italie sy Suisse. Tonga tany Roumanie izy ary nitory tany Pitestl tamin’ny ririnlna 1868-1869. Manodidina ny olona 12 teo ho eo no nandray ny hafatra nentiny.

11/09/2026

FANENTANANA FANATITRA SY AMPAHAFOLONY – NY FIFALIANA AVY AMIN’NY FANOLORANA VOARINDRA TSARA

Sabata 12 Septambra 2026 TETI-BOLAN’NY ASA MANERAN-TANY

Miasa amin’ny fomba mahagaga ny Raintsika any an-danitra, manokatra lalana hampielezana ny hafany feno fitiavana sy finoana manerana izao tontolo izao, ary ny fanatitsika dia voatsinjara mba hanohana sampan’asa maro vaovao. hanomezana izay ilainy ho fampandrosoana ny filazantsara.

Nefa efa nametra-panontaniana ve ianao hoe inona no mitranga rehefa mahita fahombiazana mihoatra lavitra noho izay nantenaina ny asa fitoriana ataontsika mandritra ny kaoferansa? Vetivety eo dia feno hipôka ny fiangonana efa misy, ary tsy maintsy manangana, manofa, na mividy fiangonana vaovao haingana. Izany anefa dia mitaky vola mihoatra noho ny efa nomanin’ny fiangonana talohan'ny nanombohan’ny kaoferansa. Ahoana no ahafahan’ny fiangonana mahazo trano eo an-toerana, na Baiboly, na manofana mpitondra sy ny maro hafa, mba hahafahan’ ireo mpino vaovao mitombo ara-panahy?

Nanome hevitra ny fiangonana Andriamanitra mba hanomana fomba ahafahana miatrika ny tsy ampoizina amin’ny alalan’ny teti-bolan’ ny asa maneran-tany (Unusual Opportunities Fund), izay vola azo ampiasaina rehefa mirotsaka amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny fitahiana tsy nampoizina toy izany.

Raha toa ka ampiharina eo amin’ny faritra misy anao ny Drafitry ny Fanatitra Mitambatra (Combined Oftering Plan), dia misy ampahany amin’ny fanatitrao manontolo (tsy misy tondro zotra) hatokana ho an'io asa inaneran-tany io. Kanefa raha te hanao mihoatra ho an’ny iraka tanterahin’ny fiangonana ianao. ankoatra ny ampahafolony sy ny fanatitra «Fanoloran-tena», dia azonao atao ny mandrotsaka mivantana ao amin'io teti-bolan’ny asa maneran-tany io, mba ho vonona ny fiangonana rehefa valian’Andriamanitra «eny» ny vavaka ataontsika. Raha miaraka isika dia handroso amin’ny dingana lehibe eo amin’ny famitana ny iraka.

ANTSO

Ny rafitra misy eo amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito amin’ny famerenana ny ampahafolony sy fanolorana ny fanatitra, dia fomba mahomby ahafahantsika miray hina amin’ny asa fitoriana maneran-tany anirahan’Andriamanitra antsika. Raha ny fanatitry ny olon-tokana dia tsy ho tody lavitra, fa raha mitambatra kosa ny fanatitsika rehetra, dia mahova fiainan’olona an-tapitrisany maro isika. Eo am-pamerenanao ny ampahafolony sy ny fanatitra «Fanoloran-tena», dia andeha Andriamanitra no ataontsika lohalaharana, fa tsy ny faniriantsika.

11/09/2026

Herinandro fiaraha-mivavaka FIPIA
Andro 6: Miorina amin'ny fankasitrahana.
Filipiana 4 :4

Aoka hazoto iaraka hivavaka isika isam-pianakaviana!!!

11/09/2026

Mofon'aina 11 Septembre 2026
MIJORO MAFY TAHAKA AN'I DANIELA

Isa. 50:7. « Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho. »

Ohatra tsara ho an’ny tanora i Daniela, ary raha mahatoky amin’ny foto-kevitra sy ny adidy izy ireo, dia hanam-pahendrena tahaka an’i Daniela. Toa nanana ny tombontsoa rehetra izy izy sy ny namany telo lahy, raha ny fahendren’izao tontolo izao no resahina. Saingy teo no tonga taminy ny fitsapana voalohany. Nifandona tamin’ireo didy amam-pitsipika napetraky ny mpanjaka ny foto-kevitra notanany. Nasaina nihinana ny hanina napetraka teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy ireo ary nisotro ny divainy. (...) Kanefa «Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka, na tamin’ny divay izay fisotrony: koa nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany» - Dan. 1:8.

Tsy fitia te hihaika no nanaovany izany fangatahana izany, fa toy ny mangataka hasiana soa. (...) Mahalala fomba, tsara fanahy, manaja, be fahasoavana sy fanetren-tena ary fahatsorana (...) i Daniela sy ny namany. Ary amin’izao izy ireo mandalo fitsapana izao, dia miandany tanteraka amin’ny rariny sy ny fahamarinana izy. Tsy tamim-pieritreretana hanao izay mahafinaritra no nanapahany hevitra, fa tamim-pisainana tsara. Efa nanapa-kevitra ny tsy hihinan-kena mihitsy izy ireo tamin’ny lasa, koa tsy tokony ho sakafony koa izany amin’ny hoavy. Ary satria voarara ho an’izay rehetra manokan-tena hanompo an’Andriamanitra ny divay, dia tapa-kevitra izy ireo fa tsy hanendry izany. (...)

Tsy fantatr’i Daniela sy ny namany izay ho vokatry ny fanapahan-kevitr’izy ireo, na hahavery ny ainy izany na tsia, nefa tapa-kevitra izy ireo handroso amin’ny lala-mahitsin’ny fahalalana onony tanteraka, na dia tao an-dapan’i Babylona feno filalaovan-dratsy aza. (...) Ny fitondrantena tsaran’ireo tanora ireo no nahazoan’izy ireo sitraka. Napetrany teo an-tanan’Andriamanitra ny momba azy (...). Dia niara-niasa tamin’i Daniela sy ny namany ny Tompo. (...)

Voarakitra ao amin’ny tantaran’ny zanak’Isiraely ireo tsipiriany ireo ho fampitandremana ny tanora rehetra, mba tsy hanaram-po amin’ny fomba amam-panao mety hanala baraka an’Andriamanitra. – Ms, 51, 189

Herinandro fiaraha-mivavaka FIPIA Andro 5: Miorina amin'ny lahara-pahamehana Matio 6:33Aoka hazoto iaraka hivavaka isika...
10/09/2026

Herinandro fiaraha-mivavaka FIPIA
Andro 5: Miorina amin'ny lahara-pahamehana
Matio 6:33

Aoka hazoto iaraka hivavaka isika isam-pianakaviana!!!

10/09/2026

Mofon'aina 10 Septembre 2026
FINIAVANA MITONDRA FANDRESENA

Heb. 12:4. « Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin’ny ota hatramin’ny fahalatsahan-dra. »

Nandritra ny vanim-potoana rehetra, nanomboka tamin’ny fahalavoan’i Adama, dia manjary ady mitohy ny fiainan’izay rehetra te ho mahatoky sy marina amin’ny didin’Andriamanitra, noho ny fanoherana ataon’ny herin’ny ratsy. Tsy maintsy manohitra sy mandresy ny herin’i Satana ireo izay te hahazo fandresena amin’ny farany. (...) Fahavalo fetsy sy miambina no ifanandrinan’izy ireo, fahavalo tsy mba matory na oviana na oviana ary miezaka tsy an-kiato handrava ny finoan’ny mpanompon’Andriamanitra. (...)

Tsy mety hifanaraka na oviana na oviana ny tsara sy ny ratsy. Tsy mety hisy marimaritra iraisana eo amin’ny mazava sy ny maizina, eo amin’ny marina sy ny diso. (...)

Tian’ny Tompo ny hahita ny miaramilany eo am-panatanterahana ny adidiny mandrakariva. Tsy tokony hilefitra amin’ny fakam-panahy velively izy ireo na ho tsy marina, na oviana na oviana. Tsy tokony no lavo nefa koa tsy handositra izy ireo. Tokony hitoetra ho mahatoky izy amin’ny fianteherany amin’ny herin’Andriamanitra. (...) Aoka izy ireo hifikitra amin’ny: « Voasoratra hoe ».

Aoka hotsaroana fa manana tombony isika satria efa nandresy ho antsika i Kristy. Nomeny ny fomba rehetra hahazoantsika mandresy. Manohana ny sitrapo tsirairay vonona hanao ny marina ny hery avy any an-danitra. Efa nomen’Andriamanitra fitaovam- piadiana hampiasaina ny tsirairay. Aoka ny miaramilan’i Kristy hitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra ka tsy ho ketraka manoloana ny fanafihan’i Satana. (...) Ny fiambenana sy ny fanomboana ny “izaho” isan’andro eo amin’ny hazo fijaliana ahazoana fandresena eo amin’ny ady kristianina.

Mora amin’ireo izay tarihin’ny foto-kevitra madio sy masina ny mamantatra ny faharatsiana kely indrindra, satria ataony modely eo anoloany mandrakariva i Kristy. Andraisany lesona hanitsiany ny diany avy hatrany ny fahadisoana tsirairay izay nanenenany mafy, andrao hivily hiala amin’ny fahamarinana izy. Midika ho tolona tsy tapaka sy ady mafana ho amin’ny fiainana kristianina ambony kokoa hatrany izany. Manampy ny hafa ho any an-danitra, mifikitra amin’i Kristy amin’ny finoana velona, ary manohitra ny ratsy izy amin’izany, hatramin’ny fahalatsahan-dra raha ilaina, eo am-pitolomana amin’ny fahotana. – Ms, 82, 1900.

09/09/2026

Herinandro fiaraha-mivavaka FIPIA
Andro 4: Miorina amin'ny fahaiza-manavaka ny soa sy ny ratsy.
I Mpanjaka 3:9

Aoka hazoto iaraka hivavaka isika isam-pianakaviana!!!

09/09/2026

Mofon'aina 09 Septembre 2026
VONONA HIATRIKA NY TOLONA

Efes. 6:13. « Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo. »

Maro no tsy mahatakatra ny amin’ilay ady ifanandrinan’i Kristy sy i Satana mba hahazoana ny fanahin’ny olombelona. Tsy tsapan’izy ireo fa raha te hijoro eo ambanin’ilay faneva voamariky ny ran’i Imanoela lehibe izy ireo, dia tsy maintsy mivonona handray anjara amin’ny ady miaraka Aminy mba hanoherana ny herin’ny maizina.

Hoy i Paoly tamin’ireo rahalahiny tany Efesosy, raha nandinika izany ady izany izy: “mahereza”, aza kanosa na misalasala na mivena etsy sy eroa toy ny alon-dranomasina. Saingy tokony hahery amin’inona moa izy ireo? Amin’ny herin’ny tenany ve? Tsia. “Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany, ” Hoy izy, “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” – and. 10-13.

Hitaky tolona sy ady hatrany ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Tsy tokony hitsahatra hiady ny ady tsaran’ny finoana isika. Miaramilan’i Kristy isika; ary asa sarotra no iantsoana izay rehetra mirotsaka ho miaramila ao amin’ny tafiny, dia asa izay hitaky ny heriny rehetra. (...) Tsy maintsy miaritra ireo fitsapana isika noho ny amin’i Kristy.

Tsy amin’ny alalan’ny fombafomba na fisehosehoana ivelany no ahazoana ny fandresena, fa amin’ny alalan’ny fankatoavana tsotra an’ilay Jeneraly lehibe, dia ny Tompo Andriamanitry ny lanitra. Tsy ho resy na oviana na oviana izay mitoky amin’io Mpitarika io. Afaka amin’ny fanandevozan’ny ota izay mankatô an’Andriamanitra, afaka amin’ny filàn’ny nofo sy ny fironana maha-olombelona. (...)

« Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.» - RH, 17 Desambra 1908.

08/09/2026

Herinandro fiaraha-mivavaka FIPIA
Andro 1: miorina amin'ny fahatokiana Dan 1:8

Andro 2: miorina amin'ny fanehoana ohatra I Tim 4:12

Andro 3: miorina amin'ny fanatrehana Lioka 10:39

Aoka hazoto iaraka hivavaka isika isam-pianakaviana!!!

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261333710987

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Église Adventiste 67ha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share