18/08/2026
NY ANDRO NIOVAN'NY M**O HO FON'OLOMBELONA
Eritrereto anie hoe mompera ianao. Isan'andro averimberinao foana ny hoe : « Inty no vatako... Inty no rako. »
Fa ao anatinao ao misy fanontaniana foana hoe : « Marina ve tokoa izany? »
📍 Lanciano, Italie. Taonjato faha-8.
Nisy mompera iray, isaky ny manao lamesa izy dia manontany tena foana hoe : "Ahoana no hahatonga ity sombin-tsakafo ity ho lasa vatana sy ran'i Jesoa Kristy ?"
Mbola manohy manao lamesa foana ihany nefa izy isan'andro. Teo am-pankalazana ny Eokaristia iny mihitsy izy no niseho ny fahagagana :
Niova ho NOFO MENA ilay hostia. Tena Nofon'olombelona marina tokoa.
Ny divay tao anaty kalisy niova ho RA, tena "sang frais" mihitsy, avy eo nivaingambaingana kely anakidimy
😱 Taitra mompera, nangovitra mihitsy. Samy tsisy nahateny na izy na ireo mpivavaka. Ny sasany nitomany. Ny hafa niondrika nandohalika.
Tsisy resaka mino na tsy mino intsony eto fa ny maso mihitsy no mahita.
───
🔬 1 200 TAONA TATY AORIANA: NIDITRA AN-TSEHATRA NY MANAM-PAHAIZANA
Nandritra ny taonjato maro, notehirizina tao amin'ny fiangonana Saint-François any Lanciano ireo reliques ireo. Fa tamin'ny taonjato faha-20 kosa dia nanapa-kevitra ny Fiangonana fa hametraka ireo reliques ireo ho dinihina ara-tsiansa.
Tamin'ny taona 1971, ny Professeur Odoardo Linoli, mpitsabo légiste sy anatomopathologiste malaza, nanampy azy ny Professeur Ruggero Bertelli avy ao amin'ny Université de Sienne, nandinika ireo reliques ireo tao amin'ny laboratoire tsy miankina iray.
🧬 MAHAGAGA NY VOKAM-PIKAROHANA:
✅ Fon'olombelona ilay nofo
Raha ny marina kokoa dia myocarde (hozatry ny fo), avy amin'ny ventricule gauche.
✅ Ra an'olombelona ihany koa, sokajy AB ilay ra, karazan-dra mitovy amin'ilay hita tao amin'ny Suaire de Turin sy ireo reliques hafa an'i Jesoa.
✅ Tsy misy singa fitahirizana artifisialy, tsy misy embaumement, tsy misy momification. Tsy misy n'inoninona. Ara-tsiansa, tokony ho simba tao anatin'ny andro vitsivitsy io nofo io.
✅ Mbola tsy simba ilay ra
Toy ny hoe vao nalaina androany ihany na dia 1 200 taona aza.
✅ Avy amin'ny olona iray ihany ilay nofo sy ilay ra
Samy mitovy sokajin-dra, mitovy ADN.
🔬 Hoy i Dr Linoli namarana ny tatitra nataony :
"La science, ici, se tait. Nous sommes face à un mystère qui dépasse toute explication rationnelle"
───
💔 Toy izao ny hita tamin'ilay fo
Rehefa nojerena lalina dia
Tena nijaly io fo io
Nandalo fahoriana mafy
Nampijaliana fatratra.
Nasehon'ny fanadihadiana ihany koa fa fon-dehilahy velona izy io, ary teo am-pialana aina "agonie"
Rehefa eritreretina izay nentin'i Kristy teo ambonin'ny Hazofijaliana, ny kapoka, ny fantsika, ny lefona nitsatoka teo amin'ny lanivoany, manambara izany rehetra izany io fo io.
───
🙏 NAHOANA NO NISY IO FAHAGAGANA IO?
Tsy hanao fahagagana hampisehoana ny heriny akory no nanaovan'Andriamanitra izany. Nataony kosa mba hamaliana ny fisalasalana misy eo amintsika.
Impiry isika no misalasala tahaka an'io mompera io ?
« Tena vatan'i Kristy marina ve io Eokaristia io? »
« Jesoa marina ve io komonio io? »
Tamin'io andro io, tany Lanciano, nilaza Andriamanitra hoe: « Jereo. Tsapao. Minoa. Fa tena IZAHO ity »
───
🌍 HATRAMIN'IZAO
Mbola aseho ao amin'ny fiangonana Saint-François any Lanciano any Italia ireo reliques ireo.
Mpivahiny an-tapitrisany manerana izao tontolo izao no tonga mitsidika azy ireo.
Ny siantifika moa mbola manohy ny fanadihadiana foana.
Ary tsy nisy na iza na iza afaka nanazava ilay fahagagana.
Satria misy zavatra ambony noho ny siansa.
Misy zavatra tsy hay hazavaina raha tsy amin'ny finoana.
───
💬 Ary ianao, inona no hevitrao?
Raha tao amin'io fiangonana io ianao ohatra tamin'io andro io, inona no nataonao?
Mino ve ianao fa Vatan'i Kristy marina tokoa ny Eokaristia ?
Zarao ity tantara ity raha nahaliana anao. Mila mahalala izao tontolo izao fa mbola miseho Andriamanitra. 🙏✨
───
📚 Loharano siantifika sy ara-tantara fantatra manerantany :
1. Professeur Odoardo Linoli – Anatomopathologiste, Hôpital d'Arezzo (Italie)
📄 Rapport médico-légal officiel navoaka tamin'ny Novambra 1971 tao amin'ny Quaderni Sclavo di Diagnostica Clinica e di Laboratorio (Vol. 7, fascicule 3).
2. Professeur Ruggero Bertelli – Université de Sienne, Italie
Nanamafy ny valim-pikarohan'i Dr Linoli tamina laboratoire hafa indépendante.
3. Conseil Supérieur de l'Organisation Mondiale de la Santé (OMS)
📄 Tamin'ny 1973, komisiona siantifika avy amin'ny OMS dia nandinika ny santionany nandritra ny 15 volana. Tsoahan-kevitra navoakany : « Tsy afaka manazava io trangan-javatra io ny siansa. »
4. Professeur Edoardo Ferrero – Médecin légiste
Fanadihadiana fanampiny tamin'ny 1981 nanamafy ny valin'ny fanadihadiana ny 1971.
5. Archives du Vatican
📜 Documentation officiel notehirizin'ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi.
6. Dr Frederick Zugibe – Médecin légiste amerikana, manam-pahaizana manokana momba ny fo. Nanamafy fa myocarde an'olombelona tokoa ilay fo, ary nandalo fahoriana mafy tokoa.
7. Église San Francesco, Lanciano (Italie)
🌐 Site officiel du sanctuaire: www.santuariosanfrancesco.it
───