Jesosy fiainana

Jesosy fiainana Jérémie 6:17
J'ai mis près de vous des sentinelles: Soyez attentifs au son de la trompette !

Je ne suis qu'une sentinelle qui sonne la trompette afin que tout le monde se réveille car il faut se préparer pour le retour de Jésus !

TSY HO FOANA NY FANANTENAKORaha ny hamafin'ny safo-drano sy ny faharetany dia toa tsy hisy tany maina intsony. Indro ane...
23/06/2022

TSY HO FOANA NY FANANTENAKO

Raha ny hamafin'ny safo-drano sy ny faharetany dia toa tsy hisy tany maina intsony. Indro anefa ny voromailala nitondra ravin'oliva izay marika fa misy fanantenana. Efa 150 andro mantsy vao nihena ny rano (Genesisy 8:3).

Ny voromailala dia manambara ny Fanahy Masina ary ny ravin'oliva kosa dia manambara vokatra. Raha misy ny Fanahy Masina dia tsy maintsy misy ny vokatra (ara-panahy sy ara-nofo) fa tsy ho avelany hipetraka izany fa tsy maintsy mitombo. Koa dia misy izany ny fanantenana ny ho amin'ny famonjena.

Tahaka ny nanadiovan'Andriamanitra ny tany tamin'ny safo-drano dia aoka isika tsy handa ny olana sy sedra izay hampandalovin'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika satria fanadiovana daholo ireny. Ny kristiana amin'izao dia behazina handa olana ary ny fiaraha monina hitsikera ireo kristiana mandalo olana hoe tsy mahery ny Andriamaniny na hoe tsy mivavaka tsara ilay kristiana. Diso izany fijery izany. Ny olana tena nalefan'Andriamanitra hanitsiana ny diso, hampahiratra ny maso fa isika variana maika ny hiala amin'ilay olana. Nefa ireny dia toro-lalana avy amin'Andriamanitra, tahaka ny kapoka ataon'ny ray amin'ny zanaka. Ilaina ny olana mba hitomboina ara-panahy sy ara-tsaina.

Ao amin'ny mafy isika no mahay indrindra ny mikatsaka an'Andriamanitra, ao no mifoha sy mahery ny kokoa ny finoana, ao no mitombo ny faharetana, sns. Andriamanitra satria masina loatra Izy dia tiany ho masina ihany koa ny fonenany. Isika izany tempoly masina fonenany izany.
Fitiavana no anton'ny fananaran'Andriamanitra antsika. Hevitra hitondra soa fa tsy loza. Ary rehefa voadio isika dia indro Izy, ilay voromailala, ilay Fanahy Masina, tonga mitondra ravin'oliva izay midika fitahiana ihany koa.

Noho izany, aza manahy ny amin'ny fitahiana ara-nofo. Na hanina na fitafiana na hafa fa katsaho aloha ny fanjakany sy fahamarinany dia hanampy antsika foana izany.

Nahoana ary hoy ianao?
Satria tsotra ihany ny valiny.
Isika olombelona dia nobehazina hitady vola satria ny vola materialy ka tsy tokony hifandray amin'ny ara-panahy. Betsaka ny resy lahatra fa ny mety dia mitady vola ka rehefa metimety ny fiainana vao mitady an'Andriamanitra.
Diso anefa izany.

Ny ara-panahy no mandritra ny fiainana iray manontolo. Ny voromailala no mitondra ny ravin'oliva fa tsy mifanohitra amin'izay. Andriamanitra no mitoetra ao anatintsika ka Izy no mandrindra sy mitondra ny fiainantsika rehetra.
Misy mety mahazo vola fa manadino an'Andriamanitra. Saingy raha Andriamanitra no manome antsika dia efa voalanjany izany mba hahatonga antsika tsy ho tafasaraka aminy na dia voatahy aza.

Fitahiana mitondra famonjena fa tsy fisarahana. Izany no tiany omena antsika.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany. Ataovy izay hahatonga ilay voromailala hanantona, hahatonga an'Andriamanitra hitoetra ato anaty. Katsaho marina, tsy amin'ny filan-karena fa amin'ny fo mangetaheta te hahalala izao Andriamanitra tsy mitsahatra ny mitia antsika izao.

Iza loatra re zao Andriamanitra dia tena tia ahy izao e? Fa nahoana loatra re no dia izaho be fahotana ity no tiany e? Ahoana re no mba hamaliako fitia azy e? Mba te ahita an'izany "olona" tia loatra ahy izany aho ! Ahoana re no ahitako Azy sy mba hiaraka aminy mandrakizay e?

Raha maha liana anao izany rehetra izany, tahaka ny fibebahana marina, ny finoana, ny fahamarinan'Andriamanitra izay mila katsahina, ny fahasoavana, ny famonjen'i Kristy dia AZA ADINO NY MANARAKA NY PEJY.

Matio 6:33
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

Ohabolana 3:11-12
Anaka,
AZA MANAMAVO NY FAMAIZAN'I JEHOVAH,
ARY AZA TOFOKA AMIN'NY FANANARANY.
Fa izay tian'i Jehovah no anariny,
Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

Jeremia 29:11
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.

Ohabolana 23:18
Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

ARAHO NY PEJY FA TSY FOANA NY FANANTENAN-TSIKA !!!

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy fiainana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share