Fiangonana Advantista Tsararay

Fiangonana Advantista Tsararay Fiangonana Adventiste Mitandrina ny Andro faha-7 Tsararay

SABATA 05 SEPTAMBRA 2026 - SABATAN'NY SAMPANA ASA FITORIANA 💒🔊Namaranana ny Conférence AWR (Radio Advantista Maneran-tan...
11/09/2026

SABATA 05 SEPTAMBRA 2026 - SABATAN'NY SAMPANA ASA FITORIANA 💒

🔊Namaranana ny Conférence AWR (Radio Advantista Maneran-tany) teto amin'ny Fiangonana Advantista Tsararay.

📖 Vakiteny Fototra : Eksodosy 20 : 15 ; Filipiana 3 : 20

🙏🏽 Ny Dr ANDRIATIANA no nitondra ny hafatra nandritra izany herinandro izany sy namarana azy ny Sabata.
✨Lohahevitra : "HODY ANY AN-TRANON'NY RAY"✨

✅ Atsangano ny Alitara ao an-tokantrano
✅ Tsy misaraka amin'ny vavaka ny fianarana ny tenin'Andriamanitra
✅ Androtsahany ny famindrampony sy ny fitahiany ny fanaovana Alitara isaky ny maraina
✅ Miakara any Betela

Ny hariva dia nandray fiofanana avy aminy hatrany mahakasika ny Fahasalamana sy ny momba ny tenin'Andriamanitra 📖📝



✨ FINTINA AN-TSARY NY CONFÉRENCE AWR TETO AMIN'NY Fiangonana Advantista Tsararay 😇📢Ny Dr ANDRIATIANA no nanao ny famelab...
07/09/2026

✨ FINTINA AN-TSARY NY CONFÉRENCE AWR TETO AMIN'NY Fiangonana Advantista Tsararay 😇📢

Ny Dr ANDRIATIANA no nanao ny famelabelarana nandritra izany herinandro izany 🙏🏽

Namana, liana maro no tonga nianatra sy niara-nandinika ny tenin'Andriamanitra tamin'izany. 📝



Sabata 29 aogositra 2026 - SAMPANA MPITAHIRY VOLA 💒📖Vakiteny Fototra : Galatianina 6:9, Jaona 14:15🔵MPITORITENY: Loholon...
03/09/2026

Sabata 29 aogositra 2026 - SAMPANA MPITAHIRY VOLA 💒

📖Vakiteny Fototra : Galatianina 6:9, Jaona 14:15

🔵MPITORITENY: Loholona RABEARIVONY Joëlson

✨« Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko », hoy Jesosy.

☘️Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra dia mahakasika teboka telo lehibe:

▶️Ny fitandremana ny tena, izay mifantoka amin’ny tsy fanaovana izay rehetra manimba ny vatana.

▶️Ny fitandremana ny toerana aleha izay manamafy ny tsy tokony andehanana amin’ny toerana mety hitondra antsika amin’ny fakam-panahy sy hahalatsaka antsika amin’ny fahotana.

▶️Ny fitandremana izay rehetra ataontsika mba hahatonga antsika hanao izay marina sy izay araka ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva.

💎💎Tsy zava-poana ny fitandremana ny didy izay nasain’I Jesosy tandremana. Miseho amintsika amin’ny endriny rehetra ny fitahian’Andriamanitra raha mitandrina ny didiny isika.


SABATA 22 AOGOSITRA 2026 - SAMPANA DIAKONA 💒📖 Vakiteny Fototra : Ohabolana 28 : 13 ; Matio 17 : 5Nitondra ny teny ny Pas...
27/08/2026

SABATA 22 AOGOSITRA 2026 - SAMPANA DIAKONA 💒

📖 Vakiteny Fototra : Ohabolana 28 : 13 ; Matio 17 : 5

Nitondra ny teny ny Pasitora RAKOTONANDRASANA Rado, filohan'ny Departepantan'ny Fifandraisana sy ny Fahafahana ara-pivavahana etonivon'ny Fivondronamben'ny ranomasimbe Indiana.
💡 Lohahevitra :"IZY NO HENOY"
🫴🏽 Matio 17 : 1-8 ; Marka 9 : 2-8 ; Lioka 9 : 28-36

🎵🎶 Ny hariva kosa, tonga nanafana ny fotoana ny tarika Groupe Fanasina Hir'aina 🎵🎶



🩺💙 EXPO SANTÉ – ALAHADY 23 AOGOSITRA 2026 💙🩺Ny Fizaham-pahasalamana maimaim-poana dia karakarain’ny Sampana Fahasalamana...
21/08/2026

🩺💙 EXPO SANTÉ – ALAHADY 23 AOGOSITRA 2026 💙🩺

Ny Fizaham-pahasalamana maimaim-poana dia karakarain’ny Sampana Fahasalamana sy fahalalàna onony eto amin’ny Fiangonana Advantista Tsararay.

📅 Alahady 23 Aogositra 2026
⏰ Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina
📍Eto amin’ny Fiangonana Advantista Tsararay

🔎 Anisan’ny fizahana atao amin'izany :
• 🩸 Fijerena tosidrà
• 🩺 Fitiliana diabeta
• sns

✨ Maimaim-poana tanteraka!
Aza miandry vao marary vao mikarakara ny fahasalamana. Tongava manao fizaham-pahasalamana ary ento miaraka aminao koa ny fianakaviana sy ny namana.

👉 Tongava maro!
💙 Ny fahasalamana dia harena, ka andao hokolokoloina!

SABATA 15 AOGOSITRA 2026 - SABATAN'NY SAMPANA FANABEAZANA 💒📖Vakiteny fototra : 1 Jao 3 : 18 ; Joela 4 : 10b📢 Nitondra ny...
21/08/2026

SABATA 15 AOGOSITRA 2026 - SABATAN'NY SAMPANA FANABEAZANA 💒

📖Vakiteny fototra : 1 Jao 3 : 18 ; Joela 4 : 10b

📢 Nitondra ny teny ny Loholona RAKOTOTAFIKA Constant, Loholona mpiahy ny Sampana Fanabeazana eto an-toerana. 😇

🫴🏽 Lohahevitra : "MAHERY AHO" ✊🏽 - Joela 4 : 10b


SABATA 08 AOGOSITRA 2026 - SABATAN'NY SAMPANA FEO SY HAZAVANA 💒📖 Vakiteny fototra : Genesisy 39 : 2 ; Marka 10 : 51💡Nito...
13/08/2026

SABATA 08 AOGOSITRA 2026 - SABATAN'NY SAMPANA FEO SY HAZAVANA 💒

📖 Vakiteny fototra : Genesisy 39 : 2 ; Marka 10 : 51

💡Nitondra ny hafatra ny Loholona RAMAHOLALAINA Antsampitahiaha Jean Jaspy, Loholona mpiahy ny Sampana Feo sy Hazavana.
Lohahevitra : "MANDALO NY HAIZINA"

Ny hariva kosa dia nisy ny tantatra an-tsehatra izay nataon'izy ireo, nampitondraina ny lohateny hoe "JOSEFA, AVY AO AMIN'NY LAVAKA KA TONGA MPANAVOTRA" 😇✨

Ny Tarika Alison no nanafana izany tamin'ny hira, teo ihany koa ny Tarika Giovanni Pasera 🎵🎶


08/08/2026

Address

Tsararay, Ampitatafika
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Advantista Tsararay posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category