Walk in Faith

Walk in Faith 🔥For we live by faith, not by sight. Organisation religieuse

Ny vavaka dia fanehoam-piankinana amin'Andriamanitra.Miankina, miantehitra izaho sy ianao satria mahalala ny amintsika v...
21/04/2026

Ny vavaka dia fanehoam-piankinana amin'Andriamanitra.

Miankina, miantehitra izaho sy ianao satria mahalala ny amintsika voalohany aloha hoe manana Limite izay kely indrindra ka mila manana ASSURANCE isan'andro amin'ilay Andriamanitra tsy voafetra sy tsy misy fetra mandrakizay.
Ilay Alfa sy Omega.

✅️Ny vavaka no fitaovana ifandraisantsika amin'Andriamanitra, iombonantsika amin'ny Fanatrehan'Andriamanitra sy ny Fanahiny.
Tsy hoe tsy ampy vavaka no filaza angamba fa hoe tsy ampy FIFANDRAISANA na FIOMBONANA (Communion) amin'i Jesosy Kristy.
Ny tsy fahampian'izany fifandraisana amin'Andriamanitra izany no mampihena anao sy ny fahefan'Andriamanitra ao anatinao.

Tsy Andriamanitra no tsy mamaly vavaka, fa ny valim-bavaka ry malala dia efa misy sy efa nisy na dia mbola tsy nangataka aza ianao fa kosa ilay FIOMBONANAO tsy misy na tsy ampy fotsiny no sakana.
Mampianatra anao Jesoa mba tsy hitona amin'ilay zavatra angatahinao ny fonao fa mba HIBANJINA an'ilay Loharan'ny zavatra rehetra dia IZY Jesosy Kristy.

"Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany."

📖Jaona 15 : 7

🔺️Petera vao tsy nibanjina sy tsy nifantoka tsara tamin'i Jesosy rehefa nandeha teo ambony rano dia nilentika izy satria nahoana!? Niherikerika nifantoka tamin'ilay zavatra tsy Possible izy.
Iny no hitehirizana isan'andro ny Finoantsika mba hitombo na dia 1mm aza fa ao no miantoka ny zavatra rehetra raha mbola velona isika amin'ny maha zanak'Andriamanitra antsika.

Tahian'i Jesosy tompoko 🙏
Peace 🥰

1️⃣Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka MANKATÒ AZY, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsain...
14/04/2026

1️⃣Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka MANKATÒ AZY, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
➡️Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.

2️⃣Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa TSY MANKATÒ AZY, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.
➡️Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.

📖Matio 7 : 24 - 27

✨️🔥
14/04/2026

✨️🔥

10/04/2026

📍Raha mbola te hisehoseho
📍Raha mbola te ho hitahita
📍Raha mbola ti deradera
📍Raha mbola te ho Je SUIS,

ao anaty Asa Fanompoana, indrindra moa ny fiarahana amin'ny Tompo dia mijanona kely MANDINI-TENA fa lasa ianao indray no hita sy fantatra fa tsy ilay anton'ny fitorianao 🙏.

✅️ Ny maha Kristiana anao manko ry malala dia tsy ny anehoana ny maha izy azy anao na ny fahaiza-manaonao na ny talenta anananao. tsy izay fa sao diso fiankohofana ianao ‼️

Na misy mitehatehaka be aza tehefa ianao no mitory na mihira ho an'i Jesosy dia mitandrema sao mandrafy maka ny toeran'Andriamanitra ianao ka lasa ampiasain'ny satana fa ny ezakao no nahavitanao an'ireny fa tsy ny noho IZY TOMPON'NY RAHARAHA.

✅️JESOSY KRISTY no asandratra, IZY sy ny ASA-PAMONJENY no atao fantatra.

Ahoana hoy ny Baiboly,

"Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana."

📖Galatiana 5 : 24

"Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy."

📖Galatiana 2 : 20

‼️MANETRY TENA IHANY, MANETRY TENA HATRANY‼️
Asehoy ny fisian'Andriamanitra amin'ny alalanao 🙏

Tahian'i Jesosy tompoko ✨️

📖HEBREO 4 : 7
09/04/2026

📖HEBREO 4 : 7

Tsara be Jesosy sy ny Fitiavany ahy sy ianao.Nafoiny ny lanitra misy ny tena Fiadanana mba tsy handringanana ahy sy iana...
06/04/2026

Tsara be Jesosy sy ny Fitiavany ahy sy ianao.

Nafoiny ny lanitra misy ny tena Fiadanana mba tsy handringanana ahy sy ianao fa hovonjena amin'ny fotoana voatokan'Andriamnitra iavian'izany.

Tsy navelany hoe novidina tamin'ny RÀ-ny fotsiny fa nomeny IDENTITY vaovao mihitsy hoe "zanak'Andriamanitra" miray lova amin'i Kristy, mandova ihany koa ny tsy fahalovana. Misy tsara noho izany ve ry malala!?
Tiako be ny Fitiavan'i Jesosy ahy fa misy zavatra tsy avelany hitranga amin'ny fiainanao mihitsy raha tsy efa Prepareny ao amin'ny mangingina ny fonao ahazaka an'ilay izy, amin'izay aho tsy mieboebo hoe za no nahavita fa Jesosy no antony. Haleloia!

📍Tadiavo ny Identity anao ao amin'i Jesosy fa ianao io anie ka olona novonjena toa ahy ihany koa e! Efa NALOAN'I JESOSY TEO AMIN'NY HAZO FIJALIANA DAHOLO NY TROSANTSIKA FA RAISO NY FAMONJEN'ANDRIAMANITRA ANAO. Hazony mafy dia mitombo ao Aminy mba handraisanao ihany koa ny SATRO-BONINAHITRA FIAINANA.

♥️Tia anao Jesosy.

06/04/2026

✨️Quand les autres hésitent, IL RESTE.
✨️Quand tout vacille, IL DEMEURE.
✨️Quand tu doutes, IL EST LÀ.

‼️Tu peux perdre des relations. TU NE PERDRAS JAMAIS DIEU.‼️

"Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina."📖Jaona 1...
03/04/2026

"Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina."

📖Jaona 10 : 9

03/04/2026

"Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: VITA;
dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny."

📖Jaona 19 : 30

🤲🤍🙌
02/04/2026

🤲🤍🙌

02/04/2026

‼️NIEZAKA N-PROVOQUER AN'I JESOSY IREO FARISEO SY SADOSEO REHEFA VOASAMBOTRA "IZY" FA TSY NAMALY,
MBA AHATANTERAKA NY FAMONJENA AHY SY ANAO ‼️

🔰Herin'andro Masina = fanehoam-pitiavan'Andriamanitra ho Famonjena ahy sy anao.🛎Ny Làlan'ny hazo fijaliana = làlan'ny fa...
01/04/2026

🔰Herin'andro Masina = fanehoam-pitiavan'Andriamanitra ho Famonjena ahy sy anao.

🛎Ny Làlan'ny hazo fijaliana = làlan'ny famindram-pon'Andriamanitra = làlan'ny fitiavan'Andriamanitra nanatontosana ilay FAMONJENA ny fanahiko sy ny fanahinao.

Tsy diso Jesosy raha TSY NITIA ANTSIKA, tsy diso Jesosy raha TSY NANAVOTRA ANTSIKA fa noho ny FITIAVANY ahy sy ianao mba tsy ho very any amin'ny afo mandrakizay dia naleony nitondra ny rofintsika, ny kapoka sy ny satroka tsilo fa satria tsy ho zakako, tsy ho zakanao izany raha izaho sy ianao no ilay nokapohina, nofantsihana ... NANAIKY IZY MBA HANDOA TSOTR'IZAO NY TROSAKO SY NY TROSANAO.

🔰NANAIKY JESOA MBA HITONDRA IZAY ZAVATRA TOKONY HIAMPANGANA ANTSIKA REHETRA TEO AMIN'NY HAZO FIJALIANA mba ahafa-maina ahy sy ianao tsy voampanga amin'ny fahotantsika intsony, mba hiainantsika ny tena Fiadanana, mba ahazoantsika miaina amin'ny zavatra rehetra araka ny Sitrapon'Andriamanitra ♥️

"ary novonoiny ny sora-tanan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana,"

📖 Kolosiana 2 : 14

FITIAVANA IZANY 🕊🤍

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Walk in Faith posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share