Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy

Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy Mamondrona ny Ankizy Katolika rehetra, 14taona no midina, ao anaty na tsy ao anaty FIKAMBANANA,

Miarahaba ny Fanilon'i Madagasikara nahazo filoha iombonana vaovao, izay hitantana mandritran'ny 4 taona manaraka indray...
22/08/2026

Miarahaba ny Fanilon'i Madagasikara nahazo filoha iombonana vaovao, izay hitantana mandritran'ny 4 taona manaraka indray.

15 AOGOSITRA – Fankalazana manetriketrika an'i MASINA MARIA VIRJINY NAMPIAKARINA ANY AN-DANITRA (ASSOMPTION). Boky Fanam...
15/08/2026

15 AOGOSITRA – Fankalazana manetriketrika an'i MASINA MARIA VIRJINY NAMPIAKARINA ANY AN-DANITRA (ASSOMPTION).

Boky Fanambarana 11, 19a; 12, 1-6ab. 10ab

Nisy vehivavy nitafy masoandro ary ny volana no teo an-tongony. Novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena. Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany. Bevohòka izy sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana. Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dràgona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany. Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dravehivavy hiteraka izy, mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka. Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany. Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy. Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: “Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristy koa ny fahefana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

Masina Maria mpanjakavavin'ny Raozery Masina – Mivavaha ho anay!
Masina Maria tsy voakasiky ny fahotana tamin'ny fototra – Mivavaha ho anay izay miantso vonjy aminao!

« ANKIZY MANDRAY AN-TANANA NY FIAINAN'NY EGLIZY »06-07-08-09 Aogositra 2026, Andapa. Sary vitsivitsy 📸 nandritra ny sina...
14/08/2026

« ANKIZY MANDRAY AN-TANANA NY FIAINAN'NY EGLIZY »

06-07-08-09 Aogositra 2026, Andapa.

Sary vitsivitsy 📸 nandritra ny sinaodin'ny ankizy andiany faha-2, tao Andapa, diosezin'Antsiranana 😊

Ankizy miisa 2251 no tonga nanatrika izany hetsika lehibe izany.
Ny andro faharoa dia nanaovan'ny Evekan'ny diosezin'Antsiranana sy ny Vicaire Général fampianarana katesizy 🙏🏻 ho an'ireto ankizy tonga nizaika ireto. 📖

Ny Alahady kosa ny lamesa famaranana, notarihin'i Mgr. Benjamin Marc Ramaroson ⛪🙏🏻



« Mpanabe miombona mandray an-tanana ny fiainan'ny ankizy » 😊Nanatanteraka komity nasionaly ireo mpiandraikitra IBALITA-...
10/08/2026

« Mpanabe miombona mandray an-tanana ny fiainan'ny ankizy » 😊

Nanatanteraka komity nasionaly ireo mpiandraikitra IBALITA-IMAINTSOANALA ny 29-30-01-02 Aogositra 2026 tao Ambanja 🍃🌱🌳
Izany fotoana izany dia nentin'izy ireo nanatanteraka :
Atrikasa fampivoarana ny fiainana
Fifidianana
Jery todika
Nahafahana ihany koa nandray ny fampianaran'ny mompera nasionalin'izy ireo.

Ny lamesa famaranana kosa dia notarihin'i Mgr. Donatien Francis RANDRIAMALALA, Evekan'ny diosezin'Ambanja.

« Ampianaro ny zaza ny lalana tokony alehany, dia tsy hiala amin'izany izy, na rahefa antitra aza. (Ohabolana 22, 6) » 💚

DIOSEZY MORONDAVA | FANAMASINANA EVEKA Efeziana 6,15 « Kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo...
26/07/2026

DIOSEZY MORONDAVA | FANAMASINANA EVEKA

Efeziana 6,15 « Kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo. » 🩷

Miarahaba ny diosezin'i Morondava nahazo Eveka mpanampy vaovao, Mgr Jeannot Martial ANDRIANANDRAINY, miarahaba manokana azy koa ny ekipan'ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy amin'izao nanamasinana azy ho Eveka izao 🤝

Mirary soa ho anao, Raiamandreny, amin’izao andraikitra lehibe nankinin'ny Eglizy aminao izao. Mivavaka ho anao izahay mba ho feno hery, fahendrena ary fitiavana amin’ny fitantanana sy ny fikarakarana ny ondrin’ny Tompo nankinina aminao.


DIOSEZY AMBOSITRA | JNEAny Ilaka Centre any indray no hitondrana antsika androany 🤗Arabaina ihany koa ny ekipan'ny VDKA ...
25/07/2026

DIOSEZY AMBOSITRA | JNE

Any Ilaka Centre any indray no hitondrana antsika androany 🤗
Arabaina ihany koa ny ekipan'ny VDKA Ambositra nahatontosa soamantsara ny andron'ny ankizy ny 17-18-19 jolay teo.
Tao Ilaka centre no nanatanterahana izany hetsika izany 🗺️

Araka ny fanao rehefa fotoan-dehibe toy izao moa dia nisy ny Sorona Masina niarahan'ny ankizy rehetra, nialavoly ihany koa izy ireo nandritra izany fotoana izany, satria fotoana hanararaotana hiaraha mifaly indrindra indrindra ny toy izao, sady anehoana firaisankina ihany koa 🩷🩷🎉🎉



ARSIDIOSEZY ATSIMO ANDREFANA | DIOSEZY TOLIARANanatanteraka andron'ny ankizy tao amin'ny diosezin'izy ireo ny mpanabe sy...
23/07/2026

ARSIDIOSEZY ATSIMO ANDREFANA | DIOSEZY TOLIARA

Nanatanteraka andron'ny ankizy tao amin'ny diosezin'izy ireo ny mpanabe sy ny any ankizy avy ao amin'ny diosezin'i Toliara ny 16-17-18-19 Jolay teo 😊
Tao Toliara no nanatanterahana izany, ary i Mgr Gustavo Bombin Evekan'ny diosezy no nitarika ny Sorona Masina ⛪ tao amin'ny paroasy Notre Dame des Flots, Mahavatse.

Ny lohahevitra nentin'ireo mpizaika nandritra ity fotoana ity dia nalaina tao amin'ny Md Matio 19, 14 : « Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra. » 🤍🩷🤍

Izao hetsika natao nandritra ny 3 andro izao dia nahafahan'ireo ankizy niara-nivavaka, niala voly ary nianatra katesizy 📖
Andiany voalohany ity andron'ny ankizy ity ho an'ny diosezin'i Toliara 🤗 koa manosika azy ireo hatrany hanohy izany hetsika izany 👏🏻👏🏻



DIOSEZY MOROMBE | Fihaonam-ben'ny ankizy 🤗Ny 3 hatramin'ny 06 jolay 2026 teo ny fitsidihana ny distrikan'i Berenty (Dios...
12/07/2026

DIOSEZY MOROMBE | Fihaonam-ben'ny ankizy 🤗

Ny 3 hatramin'ny 06 jolay 2026 teo ny fitsidihana ny distrikan'i Berenty (Diosezin'i Morombe) no sady fihaonamben'ny ankizy tao amin'ny distrika ihany koa.

Ny alahady 5 jolay 2026 no nanatanterahana ny fifidianana biraon'ny distrika. 26 ny isan'ny mpifidy ary lany filoha voalohany tamin'ny isa 13 i Ramatoakely NOMENJANAHARY Jeanne Marie Hélène, ny lefitra manampy azy kosa dia Ramatoakely RAELANIRINA Marie Lucienne 🤝

70 ny isan'ny ankizy tonga nanatrika ny fihaonambe, izay avy amin'ny zanam-piangonana 5 ⛪

Nisy fifaninana dihy ny tolakandron'ny alahady 5 jolay, taorian'ny nofokena mitam-pihavanana.
Nahazo loka ireo ankizy rehetra nandray anjara tamin'izany 🎉🎉



Hanao zaikabe an'ny ankizy ihany koa ny vovonan'ny ankizy diosezin'i Toliara ny 16 hatramin'ny 19 jolay izao 🤗 voalohany...
08/07/2026

Hanao zaikabe an'ny ankizy ihany koa ny vovonan'ny ankizy diosezin'i Toliara ny 16 hatramin'ny 19 jolay izao 🤗 voalohany izy ity ho an'izy ireo koa entitsika am-bavaka ireo mpiandraikitra sy ireo ankizy mba hahatanteraka soamantsara izany fotoan-dehibe izany 🙏🏻



"TSY MISY TSY AZO ATAO HO AN'IZAY MINO." Io ny lohahevitra nentin'ny Vahatra diosezin'Antananarivo tamin'ny fihaonamben'...
06/07/2026

"TSY MISY TSY AZO ATAO HO AN'IZAY MINO." Io ny lohahevitra nentin'ny Vahatra diosezin'Antananarivo tamin'ny fihaonamben'izy ireo sady fankalazana ny ivon'ny faha-25 taonany.
Nakotrokotroka ny fankalazana ny andron'ny ankizy teto amin'ny diosezin'Antananarivo ny faran'ny herinandro teo 🎉🎉 teny amin'ny seminera zandriny Ambohipo. 🎊

Fanehoana fiombonana tamin'ny fifaninana hira gasy nataon'ireo ankizy izay efa nomanina nandritra ny volana maromaro, fiarahana milalao, fiarahamifaly sy fiarahamivavaka no natao nandritra izany fotoana izany 🤗
Arahantsika an-tsary ny hafanan'ny fety nanomboka ny zoma hariva teo hatramin'ny omaly 😊

Hafana ihany koa ny pejy ato ho ato satria fankalazana ny andron'ny ankizy maromaro no ho ampitaina amintsika eto mandritra ity volana jolay ity ✨



Address

Lot IVG 199 – Varavarana Faha-46 – Rihana Faharoa/CNPC Antanimena
Antananarivo
101

Telephone

+261345104716

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy:

Shortcuts

Share